빌립보서 3장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 빌립보서 (Philippians) · 21절
- 1 Farany, ry rahalahy, mifalia ao amin’ ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny manoratra teny averina, fa mahatsara anareo izany.
- 2 Tandremo ny tenanareo amin’ ny amboa, tandremo ny tenanareo amin’ ny mpanao ratsy, tandremo ny tenanareo amin’ ny voakilema.
- 3 Fa isika no voafora, izay manompo amin’ ny Fanahin’ Andriamanitra ary manao an’ i Kristy Jesosy ho reharehantsika ka tsy mitoky amin’ ny nofo;
- 4 kanefa mba manana izay hitokiako amin’ ny nofo ihany aho. Raha misy olona hafa manao hitoky amin’ ny nofo, mainka fa izaho;
- 5 fa voafora tamin’ ny andro fahavalo aho, avy amin’ ny fototr’ isiraely, dia avy amin’ ny firenen’ i Benjamina; Hebreo sady avy amin’ ny Hebreo aho; araka ny lalàna, dia Fariseo;
- 6 araka ny zotom-po, dia nanenjika ny fiangonana; araka ny fahamarinana avy amin’ ny lalàna, dia tsy nanan-tsiny.
- 7 Nefa izay azoko ho tombony dia nataoko fatiantoka kosa noho ny amin’ i Kristy.
- 8 Eny tokoa, fa ataoko ho fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra noho ny fihoaran’ ny hatsaran’ ny fahalalana an’ i Kristy Jesosy Tompoko, Izay niaretako ny fatiantoka ny zavatra rehetra, ka ataoko ho taimboraka ireny mba hahazoako an’ i Kristy;
- 9 ary mba ho hita ao aminy aho tsy manana ny fahamarinako, izay avy amin’ ny lalàna, fa izay avy amin’ ny finoana an’ i Kristy, dia ny fahamarinan’ Andriamanitra amin’ ny finoana;
- 10 eny, mba ho fantatro Izy sy ny herin’ ny fitsanganany tamin’ ny maty ary ny fiombonana amin’ ny fijaliany ka hampitovina amin’ ny endriky ny fahafatesany,
- 11 raha mba misy hahatratrarako ny fitsanganana amin’ ny maty.
- 12 Tsy toy ny efa nahazo sahady aho, na efa tanteraka sahady; fa miezaka aho hihazona izay nihazonan’ i Kristy Jesosy ahy.
- 13 Ry rahalahy, tsy mbola ataoko fa efa nahazo ny tenako; fa zavatra iray loha no ataoko; manadino izay zavatra ao aoriana ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha,
- 14 eny, miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan’ ny fiantsoan’ Andriamanitra any ambony ao amin’ i Kristy Jesosy.
- 15 Koa aoka isika rehetra izay tanteraka hihevitra izany; fa hasehon’ Andriamanitra aminareo izany, raha sendra manana sain-kafa ianareo.
- 16 Kanefa aoka ho amin’ ilay efa azontsika sahady no mbola hizorantsika.
- 17 Ry rahalahy, aoka samy hanahaka ahy ianareo, ka diniho izay mandeha tahaka ny anananareo anay ho marika.
- 18 Fa maro no mandeha, izay efa nolazaiko taminareo matetika, sady mbola lazaiko aminareo amin’ ny fitomaniana koa ankehitriny, fa fahavalon’ ny hazo fijalian’ i Kristy ireny;
- 19 fahaverezana no hiafarany, ny kibony no andriamaniny, ny fahamenarany no voninahiny, fa misaina ny amin’ ny tany izy.
- 20 Fa ny fanjakantsika dia any an-danitra, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia Jesosy Kristy Tompo,
- 21 Izay hanova ny tenan’ ny fietren-tenantsika ka hitovy endrika amin’ ny tenan’ ny voninahiny, araka ny fiàsan’ ny heriny, izay ahaizany hampanaiky ny zavatra rehetra ho Azy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗