베드로후서 2장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 베드로후서 (2 Peter) · 22절
- 1 Efa nisy mpaminany sandoka teo amin’ ny olona Isiraely, ary hisy koa mpampianatra sandoka tahaka izany eo aminareo, izay hahatonga mangingina sain-diso mahavery ary handà ny Tompo Izay nividy azy aza ka hahatonga fahaverezana tampoka ho amin’ ny tenany.
- 2 Ary maro no hanaraka ny fijejojejoany; ka ireny no hitenenan-dratsy ny lalan’ ny fahamarinana.
- 3 Ary amin’ ny hafatratry ny fitiavany harena no hanaovany varotra anareo amin’ ny teny mamitaka; efa ela izay no tsy nijanonjanona ny fitsarana ireny, ary tsy rendremana ny fahaverezany.
- 4 Fa raha tsy navelan’ Andriamanitra ny anjely fony nanota, fa noroahiny ho any amin’ ny helo ka natolony ho ao an-davaka maizina mba hotehirizina ho amin’ ny fitsarana,
- 5 ary raha tsy namela izao rehetra izao taloha Izy, fa namonjy an’ i Noa, mpitory ny fahamarinana, sy ireo fito, fony nahatonga ny safo-drano tamin’ ny ratsy fanahy teo amin’ izao tontolo izao,―
- 6 ary raha nataony nanjary lavenona ny tanàna Sodoma sy Gomora ka nohelohiny horavana ary nataony fananarana ho an’ izay ratsy fanahy ato aoriana,―
- 7 fa Lota marina, izay ory dia ory noho ny fijejojejoan’ ny olona ratsy fanahy, no novonjeny ho afaka
- 8 (fa izany lehilahy marina izany, raha nitoetra teo aminy, dia nahory loatra ny fanahiny marina isan’ andro isan’ andro noho ny nahitany sy ny nandrenesany ny fandikan’ ireo ny lalàna):
- 9 dia fantatry ny Tompo izay hamonjeny ny tsara fanahy amin’ ny fakam-panahy sy ny hitehirizany ny olona tsy marina amin’ ny fijaliana ho amin’ ny andro fitsarana,―
- 10 indrindra fa izay mandeha araka ny fitarihan’ ny nofo hila zava-mahaloto ka manamavo ny manana fahalehibiazana. Ireo efa olona sahisahy, mitompo teny fantatra sady tsy matahotra hiteny ratsy ny manana voninahitra.
- 11 Fa ny anjely aza, izay mihoatra amin’ ny tanjaka sy ny hery, tsy mitondra fiampangana hitenenan-dratsy azy eo anatrehan’ ny Tompo.
- 12 Fa ireo kosa izay miteny ratsy ny zavatra tsy fantany (tahaka ny biby tsy manan-tsaina, fa zava-manan’ aina fotsiny ihany, izay teraka ho fisambotra sy ho famono) dia haringana tokoa amin’ ny fahalotoany,
- 13 ary hiharan’ ny ratsy ho valin’ ny faharatsiany izy. Ataony ho zava-mahafinaritra ny velona vetivety amin’ ny fy, ka be pentimpentina sy tsiny izy sady velona amin’ ny fy eo amin’ ny fanasam-pifankatiavany, raha miara-mihinana aminareo.
- 14 manana maso feno fijangajangana, izay tsy mety mitsahatra amin’ ny fahotana: dia mamitaka ny tsy miorina tsara izy; ary mampaharatra ny fony amin’ ny hafatratry ny fitiavany harena, dia zanaky ny fanozonana izy;
- 15 efa niala tamin’ ny lalana mahitsy izy ka nivily nanaraka ny lalan’ i Balama, zanak’ i Beora, izay tia ny tambin’ ny tsi-fahamarinana.
- 16 nefa voanatra izy noho ny fahotany: ny boriky moana efa nanao feon’ olona ka nisakana ny hadalan’ ilay mpaminany.
- 17 Ireo efa loharano ritra, zavona entin’ ny tafio-drivotra, ka efa tehirizina ho azy ny fahamaintisan’ ny maizina.
- 18 Fa mandoka fatratra ny zava-poana ireo, ka ny filan’ ny nofo, dia ny fijejojejoana, no entiny mamitaka ny olona izay saiky afaka tsy ho naman’ ny velona eo amin’ ny fahadisoana intsony;
- 19 fahafahana no ampanantenainy ireny, kanjo ny tenany aza dia andevon’ ny fahalotoana; efa izay maharesy ny olona dia mahandevo avy.
- 20 Fa raha misy efa afaka amin’ ny fahalotoan’ izao tontolo izao noho ny fahalalana tsara an’ i Jesosy Kristy, Tompo sy Mpamonjy, nefa voasingotr’ izany indray ka resy, ny farany dia ratsy noho ny voalohany.
- 21 Fa tsara aminy raha tsy nahalala ny lalan’ ny fahamarinana toy izay hiala amin’ ny didy masìna natolotra azy, rehefa nahalala izany izy.
- 22 Efa mihatra aminy ny ohabolana marina hoe: “Ny amboa miverina indray amin’ ny loany”, ary: “Ny kisoavavy efa nisasa dia mihosim-potaka indray.”
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗