민수기 8장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 민수기 (Numbers) · 26절
- 1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
- 2 Mitenena amin’ i Arona hoe: Raha mampirehitra ny jiro fito ianao, dia ataovy mahazava ny eo anoloan’ ny fanaovan-jiro izy.
- 3 Dia nataon’ i Arona izany, fa nampirehetiny ny jiro mba hahazava ny eo anoloan’ ny fanaovan-jiro, araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
- 4 Ary izao no toetry ny fanaovan-jiro; volamena novoasana izy; hatramin’ ny faladiany sy ny voniny aza dia samy novoasana avokoa; araka ny endrika izay nasehon’ i Jehovah an’ i Mosesy no nanaovany ny fanaovan-jiro.
- 5 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
- 6 Alao ny Levita avy amin’ ny Zanak’ Isiraely, ka diovy izy.
- 7 Ary izao no hataonao aminy hanadiovana azy: Fafazo rano fanadiovana izy, ary asaovy haratany avokoa ny tenany rehetra, ary aoka hosasany ny fitafiany, ka dia hadio izy.
- 8 Dia asaovy maka vantotr’ ombilahy iray izy mbamin’ ny fanatitra hohanina fombany, dia koba tsara toto voaharo diloilo; ary vantotr’ ombilahy iray koa no halainao ho fanatitra noho ny ota.
- 9 Ary ento ny Levita hankeo anoloan’ ny trano-lay fihaonana; ary vorio ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra.
- 10 Ary ento ny Levita hankeo anatrehan’ i Jehovah; ary ny Zanak’ Isiraely hametraka ny tànany aminy;
- 11 ary Arona dia hanatitra ny Levita eo anatrehan’ i Jehovah ho fanatitra ahevaheva avy amin’ ny Zanak’ Isiraely, mba hanao ny fanompoana an’ i Jehovah izy.
- 12 Ary ny Levita hametraka ny tànany amin’ ny lohan’ ny vantotr’ ombilahy roa; dia atero ny anankiray ho fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa ho fanatitra dorana ho an’ i Jehovah, hanaovana fanavotana ho an’ ny Levita.
- 13 Ary apetraho eo anatrehan’ i Arona sy ny zanany ny Levita, ka atero ho fanatitra ahevaheva ho an’ i Jehovah izy.
- 14 Ary ampiavaho amin’ ny Zanak’ Isiraely ny Levita, dia ho Ahy izy.
- 15 Ary rehefa afaka izany, dia hiditra ny Levita hanao fanompoana ao amin’ ny trano-lay fihaonana. Dia hodiovinao toy izany izy ka haterinao ho fanatitra ahevaheva;
- 16 fa efa nomena ho Ahy avy tamin’ ny Zanak’ Isiraely mihitsy izy; ho solon’ izay voalohan-teraka rehetra, dia izay lahimatoa rehetra amin’ ny Zanak’ Isiraely, no nanalako azy ho Ahy.
- 17 Fa Ahy ny voalohan-teraka rehetra amin’ ny Zanak’ Isiraely, na olona na biby fiompy; tamin’ ilay andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany amin’ ny tany Egypta no nanamasinako azy ho Ahy.
- 18 Ary efa nalaiko ny Levita ho solon’ ny lahimatoa rehetra amin’ ny Zanak’ Isiraely.
- 19 Ary nomeko ho an’ i Arona sy ny zanany mihitsy ny Levita, avy amin’ ny Zanak’ Isiraely, hanao ny fanompoan’ ny Zanak’ Isiraely ao amin’ ny trano-lay fihaonana sy hanao fanavotana ho an’ ny Zanak’ Isiraely, mba tsy hisy areti-mandringana hanjo azy, raha manakaiky ny fitoerana masìna izy.
- 20 Dia nataon’ i Mosesy sy Arona mbamin’ ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, tamin’ ny Levita izany; araka izay rehetra efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy ny amin’ ny Levita no nataon’ ny Zanak’ Isiraely taminy.
- 21 Dia nodiovin’ ny Levita ny tenany ho afaka ota, ary nosasany ny fitafiany; ary Arona nanatitra azy ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’ i Jehovah sady nanao fanavotana ho azy hanadiovana azy.
- 22 Ary rehefa afaka izany, dia niditra ny Levita hanao ny fihaonana teo anatrehan’ i Arona sy ny zanany; araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy ny amin’ ny Levita no nataony taminy.
- 23 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
- 24 Ny amin’ ny Levita dia izao: Hatramin’ ny dimy amby roa-polo taona no ho miakatra izy no hanatona hilatsaka amin’ ny antokony hanao ny fanompoana ao amin’ ny trano-lay fihaonana;
- 25 fa rehefa dimam-polo taona kosa izy, dia hiala amin’ ny antokon’ ny fanompoana ka tsy hanompo intsony;
- 26 kanefa mahazo manampy ny rahalahiny ao amin’ ny trano-lay fihaonana ihany izy mba hitandrina izay anjara-raharaha; fa tsy hanao fanompoana hafa izy. Izany no hataonao amin’ ny Levita ny amin’ ny anjara-raharahany.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗