민수기 5장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 민수기 (Numbers) · 31절
- 1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
- 2 Mandidia ny Zanak’ Isiraely hamoaka ny boka rehetra sy ny marary mitsika rehetra ary ny maloto amim-paty rehetra hiala amin’ ny toby;
- 3 na lehilahy na vehivavy dia samy havoakanareo any ivelan’ ny toby, mba tsy handoto ny tobiny izay itoerako eo afovoany.
- 4 Dia nanao izany ny Zanak’ Isiraely ka namoaka ireny ho any ivelan’ ny toby; araka izay nolazain’ i Jehovah tamin’ i Mosesy no nataon’ ny Zanak’ Isiraely.
- 5 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
- 6 Lazao amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy manao izay mety ho fahotan’ ny olona ka manao izay mahadiso amin’ i Jehovah ary meloka,
- 7 dia tsy maintsy hiaiky ny fahotana izay nataony izy ary hanonitra ny amin’ ny fahadisoany ka hanampy azy ho tonga avy fahenina, ary homeny an’ ilay nanaovany diso.
- 8 Fa raha tàhiny tsy manana havana akaiky haterany ny fanonerana ny amin’ ny fahadisoany ilay olona, ny zavatra naterina ho fanonerana dia ho an’ i Jehovah ka ho an’ ny mpisorona, ho fanampin’ ny ondrilahy fanavotana izay hanaovany fanavotana ho azy.
- 9 Ary ny fanatitra rehetra alaina amin’ ny zava-masìna rehetra aterin’ ny Zanak’ Isiraely, izay ateriny ho an’ ny mpisorona, dia ho azy izany.
- 10 Ary ho azy ny zava-masìna aterin’ ny olona rehetra; na inona na inona omen’ olona ho an’ ny mpisorona, dia ho azy izany.
- 11 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
- 12 Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely, ka lazao aminy hoe: Na iza na iza vadin’ olona mivily ka manao izay mahadiso azy amin’ ny lahy,
- 13 fa nisy lehilahy nandry taminy, nefa tsy hitan’ ny lahy, fa miafina, ary voaloto ravehivavy, nefa tsy misy vavolombelona hiampanga azy, ary tsy azo olan-tanana izy;
- 14 kanefa misy fiahiahiana ao amin’ ny lahy, ka miahiahy ny vadiny izy, sady efa voaloto ravehivavy; na misy fiahiahiana ao amin’ ny lahy, ka miahiahy ny vadiny izy, kanjo tsy voaloto ravehivavy;
- 15 dia ho entin’ ny lahy ho eo amin’ ny mpisorona ny vadiny, ary hitondra ny fanatiny noho ny vavy izy, dia kobam-bary hordea ampahafolon’ ny efaha; tsy hanidinany diloilo izany, sady tsy hasiany ditin-kazo mani-pofona, satria fanatitra noho ny ahiahy izany, dia fanati-pahatsiarovana, hampahatsiaro heloka.
- 16 Ary hampanakaiky azy ny mpisorona ka hampitoetra azy eo anatrehan’ i Jehovah;
- 17 dia haka rano masìna amin’ ny lovia tany ny mpisorona; ary ny vovoka eo amin’ izay itoeran’ ny tabernakely dia hangalan’ ny mpisorona ka hataony amin’ ny rano;
- 18 ary ravehivavy dia hampitoeran’ ny mpisorona eo anatrehan’ i Jehovah, ka harakarakany ny volondohan-dravehivavy, ary hataony eo an-tànany ny fanati-pahatsiarovana, dia ny fanatitra noho ny ahiahy; ary ho eo an-tànan’ ny mpisorona ny ranom-pangidiana izay mitondra ozona;
- 19 dia hampianiana an-dravehivavy ny mpisorona ka hanao aminy hoe: Raha tsy nisy lehilahy nandry taminao, ka tsy nivily niala tamin’ ny vadinao ho amin’ ny fahalotoana ianao, dia afaka amin’ ity ranom-pangidiana mitondra ozona ity;
- 20 fa raha nivily niala tamin’ ny vadinao kosa ianao ka voaloto ihany, fa nisy lehilahy nandry taminao, afa-tsy ny vadinao,
- 21 dia hampianiana an-dravehivavy ny mpisorona mba hiozona, ka hanao aminy hoe: Jehovah anie hanao anao ho fiozonana sy ho fianianana eo amin’ ny firenenao, amin’ ny fampifezahan’ i Jehovah ny fenao sy ny fampivontosany ny kibonao;
- 22 ary ity rano mitondra ozona ity dia hiditra ao an-kibonao ka hampivonto ny kibonao sy hampifezaka ny fenao. Ary ravehivavy hanao hoe: Amena, amena.
- 23 Ary hosoratan’ ny mpisorona amin’ ny taratasy izany fiozonana izany ka hosasany eo amin’ ny rano mangidy ny soratra;
- 24 dia hampisotroiny an-dravehivavy ny ranom-pangidiana mitondra ozona; atỳ ny rano izay mitondra ozona dia hiditra ao anatiny ho zava-mangidy.
- 25 Dia halain’ ny mpisorona eo an-tànan-dravehivavy ny fanatitra noho ny ahiahy; ary hahevahevany eo anatrehan’ i Jehovah izany ka hateriny eo amin’ ny alitara.
- 26 Dia horaofin’ ny mpisorona ny fanati-pahatsiarovana avy amin’ ny fanatitra ka hodorany ho fofona eo ambonin’ ny alitara; ary rehefa afaka izany, dia hampisotroiny io rano io ravehivavy.
- 27 Ary rehefa nampisotroina ny rano izy, ary voaloto, satria nanao izay nahadiso azy tamin’ ny vadiny, dia hiditra ao anatiny ho zava-mangidy ny rano mitondra ozona, ary hivonto ny kibony, sady hifezaka ny feny; ka dia ho fiozonana eo amin’ ny fireneny ravehivavy.
- 28 Nefa kosa, raha tsy voaloto ravehivavy, fa madio, dia ho afaka izy ka hanan’ anaka.
- 29 Izany no lalàna ny amin’ ny ahiahy, raha misy vehivavy mivily miala amin’ ny vadiny ka voaloto;
- 30 na misy lehilahy azon’ ny fiahiahiana ka miahiahy ny vadiny; dia hampitoetra ny vadiny eo anatrehan’ i Jehovah izy, ary ny mpisorona hanefa izany lalàna rehetra izany aminy.
- 31 Dia tsy hanan-tsiny ralehilahy, fa ravehivavy kosa ho meloka.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗