민수기 34장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 민수기 (Numbers) · 29절
- 1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
- 2 Mandidia ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha tonga any amin’ ny tany Kanana ianareo, dia izao no tany izay ho azonareo ho lova, dia ny tany Kanana araka izay fari-taniny.
- 3 Ary ny lafiny atsimo amin’ ny taninareo dia hatramin’ ny efitra Zina, izay mifanolotra amin’ i Edoma. Ary ny fari-taninareo atsimo dia hatramin’ ny faran’ ny Ranomasin-tsira any atsinanana,
- 4 dia miolaka eo atsimon’ ny fiakarana Akrabima, dia mandroso hatrany Zina, dia mahazo any atsimon’ i Kadesibarnea, dia mahazo an’ i Hazar-adara ka mandroso hatrany Azmona,
- 5 ary miolaka hatrany Azmona ka hatramin’ ny lohasahan-driak’ i Egypta, ka dia mihatra amin’ ny ranomasina.
- 6 Ary ny amin’ ny fari-tany andrefana, dia indro ny Ranomasina Lehibe sy ny amorony, ka hatreo no ho fari-taninareo andrefana.
- 7 Ary izao no ho fari-taninareo avaratra: hatramin’ ny Ranomasina Lehibe dia aoka ny tendrombohitra Hora no hotandrifinareo;
- 8 ary hatramin’ ny tendrombohitra Hora dia aoka ny lalana mankany Hamata no hotandrifinareo, ary aoka ny fari-tany hahazo an’ i Zedada,
- 9 dia hahazo an’ i Zifrona, ka dia hihatra an’ i Hazar-enana; izany no ho faritaninareo avaratra.
- 10 Ary ny ho fari-taninareo atsinanana dia ampifanitsio amin’ i Hazar-enana ka hatrany Sefama,
- 11 dia hidina hatrany Sefama ka hatrany Ribla any atsinanan’ i Aina, dia mbola hidina ihany koa ka hipaka amin’ ny Ranomasin’ i Kinereta atsinanana,
- 12 dia hidina ihany indray hatrany Jordana, ka dia hihatra amin’ ny Ranomasin-tsira. Izany no ho taninareo araka ny fari-taniny manodidina.
- 13 Ary Mosesy nandidy ny Zanak’ Isiraely ka nanao hoe: Izany no tany izay hozarainareo araka ny filokana, dia izay andidian’ i Jehovah homena ny firenena sivy sy sasany;
- 14 fa ny firenena taranak’ i Robena araka ny fianakaviany sy ny firenena taranak’ i Gada araka ny fianakaviany dia efa nandray ny zara-taniny, ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase koa dia efa nandray ny zara-taniny;
- 15 dia ny firenena roa sy sasany samy efa nandray ny zara-taniny atỳ an-dafy atsinanan’ i Jordana, hitsin’ i Jeriko, tandrifin’ ny fiposahan’ ny masoandro.
- 16 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
- 17 Izao no anaran’ ny lehilahy izay hizara ny tany ho anareo: Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak’ i Nona.
- 18 Ary loholona iray avy amin’ ny isam-pirenena koa no halainareo hizara ny tany.
- 19 Ary izao no anaran’ ireo lehilahy ireo: ny avy amin’ ny firenen’ i Joda dia Kaleba, zanak’ i Jefone;
- 20 ary ny avy amin’ ny firenena taranak’ i Simeona dia Semoela, zanak’ i Amihoda;
- 21 ary ny avy amin’ ny firenen’ i Benjamina dia Elidada, zanak’ i Kislona;
- 22 ary ny lohan’ ny firenena taranak’ i Dana dia Boky, zanak’ i Jogly;
- 23 ary ny avy amin’ ny taranak’ i Josefa: ny lohan’ ny firenena taranak’ i Manase dia Haniela, zanak’ i Efoda;
- 24 ary ny lohan’ ny firenena taranak’ i Efraima dia Kemoela, zanak’ i Siftana;
- 25 ary ny lohan’ ny firenena taranak’ i Zebolona dia Elizafana, zanak’ i Parnaka;
- 26 ary ny lohan’ ny firenena taranak’ Isakara dia Paltiela, zanak’ i Azana;
- 27 ary ny lohan’ ny firenena taranak’ i Asera dia Ahihoda, zanak’ i Selomy;
- 28 ary ny lohan’ ny firenena taranak’ i Naftaly dia Pedahela, zanak’ i Amihoda.
- 29 Ireo no nodidian’ i Jehovah hizara ny tany Kanana ho an’ ny Zanak’ Isiraely.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗