민수기 28장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 민수기 (Numbers) · 31절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ary Jehovah niteny tamin’ i ka nanao hoe: | And the Lord spake unto Moses, saying, |
| 2 | Mandidia ny Zanak’ Isiraely hoe: Ny fanatitra ho Ahy, dia ny haniko, izay fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho Ahy, dia aoka hotandremanareo ny hanaterana izany ho Ahy amin’ ny fotoany avy. | Command the children of Israel, and say unto them, My offering, and my bread for my sacrifices made by fire, for a sweet savour unto me, shall ye observe to offer unto me in their due season. |
| 3 | Ary lazao aminy hoe: Izao no fanatitra atao amin’ ny afo, izay haterinareo ho an’ i Jehovah: zanak’ ondry roa isan’ andro izay iray taona sady tsy misy kilema, ho fanatitra dorana mandrakariva | And thou shalt say unto them, This is the offering made by fire which ye shall offer unto the Lord; two lambs of the first year without spot day by day, for a continual burnt offering. |
| 4 | (ny zanak’ ondry iray haterinao nony maraina, ary ny zanak’ ondry iray koa haterinao nony hariva), | The one lamb shalt thou offer in the morning, and the other lamb shalt thou offer at even; |
| 5 | ary koba tsara toto ampahafolon’ ny efaha, voaharo diloilo voavely ampahefatry ny hina, ho fanatitra hohanina. | And a tenth part of an ephah of flour for a meat offering, mingled with the fourth part of an hin of beaten oil. |
| 6 | Fanatitra dorana mandrakariva izany, izay voatendry tao an-tendrombohitra Sinay ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah. | It is a continual burnt offering, which was ordained in mount Sinai for a sweet savour, a sacrifice made by fire unto the Lord. |
| 7 | Ary ny fanatitra aidina momba azy dia ampahefatry ny hina amin’ ny isan-janak’ ondry iray; ao amin’ ny fitoerana masìna no hanidinanao divay ho an’ i Jehovah ho fanatitra aidina. | And the drink offering thereof shall be the fourth part of an hin for the one lamb: in the holy place shalt thou cause the strong wine to be poured unto the Lord for a drink offering. |
| 8 | Ary ny zanak’ ondry iray koa haterinao nony hariva; ary fanatitra hohanina sy fanatitra aidina tahaka ny natao tamin’ ny fanatitra maraina no hampombainao azy ho fanatitra atao amin’ ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah. | And the other lamb shalt thou offer at even: as the meat offering of the morning, and as the drink offering thereof, thou shalt offer it, a sacrifice made by fire, of a sweet savour unto the Lord. |
| 9 | Ary amin’ ny andro Sabata kosa dia izao no atero: zanak’ ondry roa izay iray taona’ sady tsy misy kilema, ary koba tsara toto roa ampahafolon’ ny efaha voaharo diloilo ho fanatitra hohanina ary ny fanatitra aidina momba azy. | And on the sabbath day two lambs of the first year without spot, and two tenth deals of flour for a meat offering, mingled with oil, and the drink offering thereof: |
| 10 | Fanatitra dorana amin’ ny isan-tSabata izany, ho fanampin’ ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra aidina momba azy. | This is the burnt offering of every sabbath, beside the continual burnt offering, and his drink offering. |
| 11 | Ary izao no atero amin’ ny voaloham-bolanareo ho fanatitra dorana ho an’ i Jehovah: vantotr’ ombilahy roa sy ondrilahy iray ary zanak’ ondry fito, izay iray taona sady tsy misy kilema, | And in the beginnings of your months ye shall offer a burnt offering unto the Lord; two young bullocks, and one ram, seven lambs of the first year without spot; |
| 12 | ary koba tsara toto telo ampahafolon’ ny efaha voaharo diloilo ho fanatitra hohanina amin’ ny isam-bantotr’ ombilahy iray, ary koba tsara toto roa ampahafolon’ ny efaha voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina amin’ ny isan-ondrilahy iray, | And three tenth deals of flour for a meat offering, mingled with oil, for one bullock; and two tenth deals of flour for a meat offering, mingled with oil, for one ram; |
| 13 | ary koba tsara toto ampahafolon’ ny efaha voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina amin’ ny isan-janak’ ondry iray; ho fanatitra dorana izany, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah. | And a several tenth deal of flour mingled with oil for a meat offering unto one lamb; for a burnt offering of a sweet savour, a sacrifice made by fire unto the Lord. |
| 14 | Ary ny fanatitra aidina momba izany dia divay antsasaky ny hina amin’ ny isam-bantotr’ ombilahy iray, ary ampahatelon’ ny hina ho amin’ ny isan-ondrilahy iray, ary ampahefatry ny hina ho amin’ ny isan-janak’ ondry iray. Izany no fanatitra dorana amin’ ny isam-bolana, araka ny volana amin’ ny taona. | And their drink offerings shall be half an hin of wine unto a bullock, and the third part of an hin unto a ram, and a fourth part of an hin unto a lamb: this is the burnt offering of every month throughout the months of the year. |
| 15 | Ary osilahy iray koa hatao fanatitra noho ny ota ho an’ i Jehovah; ho fanampin’ ny fanatitra dorana mandrakariva no hanaterana azy sy ny fanatitra aidina momba azy. | And one kid of the goats for a sin offering unto the Lord shall be offered, beside the continual burnt offering, and his drink offering. |
| 16 | Ary ny andro fahefatra ambin’ ny folo amin’ ny volana voalohany dia Paskan’ i Jehovah. | And in the fourteenth day of the first month is the passover of the Lord. |
| 17 | Ary ny andro fahadimy ambin’ ny folo amin’ izany volana izany dia andro firavoravoana; hafitoana no hihinanana mofo tsy misy masirasira. | And in the fifteenth day of this month is the feast: seven days shall unleavened bread be eaten. |
| 18 | Amin’ ny andro voalohany dia hisy fivoriana maina; aza manao taozavatra akory; | In the first day shall be an holy convocation; ye shall do no manner of servile work therein: |
| 19 | fa izao no atero ho fanatitra atao amin’ ny afo, dia fanatitra dorana ho an’ i Jehovah: vantotr’ ombilahy roa sy ondrilahy iray ary zanak’ ondry fito izay iray taona (izay tsy misy kilema no haterinareo). | But ye shall offer a sacrifice made by fire for a burnt offering unto the Lord; two young bullocks, and one ram, and seven lambs of the first year: they shall be unto you without blemish: |
| 20 | ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba izany (telo ampahafolon’ ny efaha no hiaraka haterinareo amin’ ny isam-bantotr’ ombilahy iray, ary roa ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isan-ondrilahy iray, | And their meat offering shall be of flour mingled with oil: three tenth deals shall ye offer for a bullock, and two tenth deals for a ram; |
| 21 | ary ampahafolon’ ny efaha no hiaraka haterinao amin’ ny isan-janak’ ondry, dia ny zanak’ ondry fito), | A several tenth deal shalt thou offer for every lamb, throughout the seven lambs: |
| 22 | ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, hanaovana fanavotana ho anareo. | And one goat for a sin offering, to make an atonement for you. |
| 23 | Atero ireo ho fanampin’ ny fanatitra dorana isa-maraina, izay atao fanatitra dorana mandrakariva. | Ye shall offer these beside the burnt offering in the morning, which is for a continual burnt offering. |
| 24 | Araka izany no hanateranareo isan’ andro amin’ ny hafitoana, ho hanina ho an’ i Jehovah, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho Azy; ho fanampin’ ny fanatitra dorana mandrakariva no hanaterana azy sy ny fanatitra aidina momba azy. | After this manner ye shall offer daily, throughout the seven days, the meat of the sacrifice made by fire, of a sweet savour unto the Lord: it shall be offered beside the continual burnt offering, and his drink offering. |
| 25 | Ary amin’ ny andro fahafito dia hisy fivoriana masìna ho anareo; aza manao tao-zavatra akory. | And on the seventh day ye shall have an holy convocation; ye shall do no servile work. |
| 26 | Ary amin’ ny andro fanaterana ny voaloham-bokatra, raha manatitra fanatitra hohanina vaovao ho an’ i Jehovah ianareo, rehefa afaka ireo herinandronareo, dia hisy fivoriana masìna ho anareo; aza manao tao-zavatra akory; | Also in the day of the firstfruits, when ye bring a new meat offering unto the Lord, after your weeks be out, ye shall have an holy convocation; ye shall do no servile work: |
| 27 | ary izao no atero ho fanatitra odorana ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah: vantotr’ ombilahy roa sy ondrilahy iray sy zanak’ ondry fito, izay iray taona avy, | But ye shall offer the burnt offering for a sweet savour unto the Lord; two young bullocks, one ram, seven lambs of the first year; |
| 28 | ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isam-bantotr’ ombilahy iray, roa ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isan’ ondrilahy iray, | And their meat offering of flour mingled with oil, three tenth deals unto one bullock, two tenth deals unto one ram, |
| 29 | ary ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isan-janak’ ondry iray, dia amin’ ny zanak’ ondry fito) | A several tenth deal unto one lamb, throughout the seven lambs; |
| 30 | ary osilahy iray, hanaovana fanavotana ho anareo. | And one kid of the goats, to make an atonement for you. |
| 31 | Dia haterinareo ireo sy ny fanatitra aidina momba azy ho fanampin’ ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy; izay tsy misy kilema no haterinareo. | Ye shall offer them beside the continual burnt offering, and his meat offering, (they shall be unto you without blemish) and their drink offerings. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL