로그인

민수기 26장 Baiboly Malagasy (1865)

Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 민수기 (Numbers) · 65절

  1. 1 Ary rehefa afaka ny areti-mandringana, dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy sy Eleazara, zanak’ i Arona mpisorona:
  2. 2 Alao isa ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, araka ny fianakaviany avy, dia izay rehetra amin’ ny Isiraely azo halefa hanafika.
  3. 3 Ary Mosesy sy Eleazara mpisorona dia nilaza taminy teo Arbota-moaba, teo amoron’ i Jordana tandrifin’ i Jeriko, ka nanao hoe:
  4. 4 Ny hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra no alao isa; araka izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy sy ny Zanak’ Isiraely izay nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta.
  5. 5 Robena, lahimatoan’ Isiraely; ary ny zanak’ i Robena dia Hanoka sy ny fokon’ ny Hanokita; avy tamin’ i Palo ny fokon’ ny Paloïta;
  6. 6 avy tamin’ i Hezrona ny fokon’ ny Hezronita; avy tamin’ i Karmy ny fokon’ ny Karmita.
  7. 7 Ireo no fokon’ ny Robenita; ary izay voalamina taminy dia telo-polo amby fiton-jato sy telo arivo sy efatra alina.
  8. 8 Ary ny zanak’ i Palo dia Eliaba.
  9. 9 Ary ny zanak’ i Eliaba dia Nemoela sy Datana ary Abìrama. Ireo dia ilay Datana sy Abìrama, olom-boafidin’ ny fiangonana, izay nila ady tamin’ i Mosesy sy Arona, teo amin’ ny antokon’ i Kora, raha nila ady tamin’ i Jehovah izy,
  10. 10 ary nisokatra ny tany ka nitelina azy mbamin’ i Kora, tamin’ ny nahafatesan’ izany antokony izany, ary levon’ ny afo koa ny dimam-polo amby roan-jato lahy ka tonga fananarana.
  11. 11 Kanefa ny zanak’ i Kora tsy mba maty.
  12. 12 Ny taranak’ i Simeona, araka ny fokony, dia izao: avy tamin’ i Nemoela ny fokon’ ny Nemoelita; avy tamin’ i Jamina ny fokon’ ny Jaminita; avy tamin’ i Jakina ny fokon’ ny Jakinita;
  13. 13 avy tamin’ i Zera ny fokon’ ny Zerita; avy tamin’ i Saoly ny fokon’ ny Saolita.
  14. 14 Ireo no fokon’ ny Simeonita, dia roanjato amby roa arivo sy roa alina.
  15. 15 Ny taranak’ i Gada, araka ny fokony, dia izao: avy tamin’ i Zefona ny fokon’ ny Zefonita; avy tamin’ i Hagy ny fokon’ ny Hagita; avy tamin’ i Sony ny fokon’ ny Sonita;
  16. 16 avy tamin’ i Ozny ny fokon’ ny Oznita; avy tamin’ i Erỳ ny fokon’ ny Erita;
  17. 17 avy tamin’ i Aroda ny fokon’ ny Arodita; avy tamin’ i Arely ny fokon’ ny Arelita.
  18. 18 Ireo no fokon’ ny zanak’ i Gada, araka izay voalamina taminy, dia diman-jato amby efatra alina
  19. 19 Ny zanak’ i Joda dia Era sy Onana; kanefa Era sy Onana dia maty tany amin’ ny tany Kanana ihany.
  20. 20 Ary ny taranak’ i Joda, araka ny fokony, dia izao: avy tamin’ i Sela ny fokon’ ny Selita; avy tamin’ i Fareza ny fokon’ ny Farezita; avy tamin’ i Zera ny fokon’ ny Zerita.
  21. 21 Ary ny taranak’ i Fareza dia izao: avy tamin’ i Hezrona ny fokon’ ny Hezronita; avy tamin’ i Hamola ny fokon’ ny Hamolita.
  22. 22 Ireo no fokon’ i Joda, araka izay voalamina taminy, dia diman-jato amby enina arivo sy fito alina.
  23. 23 Ny taranak’ Isakara, araka ny fokony, dia izao: avy tamin’ i Tola ny fokon’ ny Tolita; avy tamin’ i Pova ny fokon’ ny Povita;
  24. 24 avy tamin’ i Jasoba ny fokon’ ny Jasobita; avy tamin’ i Simrona ny fokon’ ny Simronita,
  25. 25 Ireo no fokon’ Isakara, araka izay voalamina taminy, dia telon-jato amby efatra arivo sy enina alina.
  26. 26 Ny taranak’ i Zebolona, araka ny fokony, dia izao: avy tamin’ i Sereda ny fokon’ ny Seredita; avy tamin’ i Elona ny fokon’ ny Elonita; avy tamin’ i Jahalela ny fokon’ ny Jahalelita.
  27. 27 Ireo no fokon’ ny Zebolonita, araka izay voalamina taminy, dia diman-jato amby enina alina.
  28. 28 Ny zanak’ i Josefa, araka ny fokony, dia Manase sy Efraima.
  29. 29 Ny taranak’ i Manase dia izao: avy tamin’ i Makira ny fokon’ ny Makirita; ary Makira niteraka an’ i Gileada; avy tamin’ i Gileada ny fokon’ ny Gileadita.
  30. 30 Izao no taranak’ i Gileada: avy tamin’ i Jezera ny fokon’ ny Jezerita; avy tamin’ i Heleka ny fokon’ ny Helekita;
  31. 31 ary avy tamin’ i Asriela ny fokon’ ny Asrielita; ary avy tamin’ i Sekema ny fokon’ ny Sekemita;
  32. 32 ary avy tamin’ i Semida ny fokon’ ny Semidita; ary avy tamin’ i Hefera ny fokon’ ny Heferita.
  33. 33 Ary Zelofada, zanak’ i Hefera, tsy mba nanan-janakalahy, fa zanakavavy ihany; ary ny anaran’ ny zanakavavin’ i Zelofada dia Mahala sy Noa sy Hogla sy Milka ary Tirza.
  34. 34 Ireo no fokon’ i Manase; ary izay voalamina taminy dia fiton-jato amby roa arivo amby dimy alina.
  35. 35 Izao no taranak’ i Efraima, araka ny fokony: avy tamin’ i Sotela ny fokon’ ny Sotelita; avy tamin’ i Bekera ny fokon’ ny Bekerita; avy tamin’ i Tahana ny fokon’ ny Tahanita.
  36. 36 Ary izao no taranak’ i Sotela: avy tamin’ i Erana ny fokon’ ny Eranita.
  37. 37 Ireo no fokon’ ny taranak’ i Efraima, araka izay voalamina taminy, dia diman-jato amby roa arivo sy telo alina. Ireo no taranak’ i Josefa araka ny fokony.
  38. 38 Ny taranak’ i Benjamina, araka ny fokony, dia izao: avy tamin’ i Bela ny fokon’ ny Belita; avy tamin’ i Asibela ny fokon’ ny Asibelita; avy tamin’ i Ahirama ny fokon’ ny Ahiramita;
  39. 39 avy tamin’ i Sefofama ny fokon’ ny Sefofamita; avy tamin’ i Hofama ny fokon’ ny Hofamita.
  40. 40 Ary ny taranak’ i Bela dia Arda sy Namana; dia ny fokon’ ny Ardita; ary avy tamin’ i Namana ny fokon’ ny Namanita.
  41. 41 Ireo no taranak’ i Benjamina araka ny fokony; ary izay voalamina taminy dia enin-jato amby dimy arivo sy efatra alina.
  42. 42 Izao no taranak’ i Dana, araka ny fokony: avy tamin’ i Sohama ny fokon’ ny Sohamita. Ireo no fokon’ i Dana, araka ny fokony.
  43. 43 Ny fokon’ ny Sohamita rehetra, araka izay voalamina taminy, dia efa-jato amby efatra arivo sy enina alina.
  44. 44 Ny taranak’ i Asera, araka ny fokony dia izao: avy tamin’ i Jimna ny fokon’ ny Jimnita; avy tamin’ i Jisvy ny fokon’ ny Jisvita; avy tamin’ i Bena ny fokon’ ny Berita;
  45. 45 avy tamin’ ny zanak’ i Bena dia izao: avy tamin’ i Hebera ny fokon’ ny Heberita; avy tamin’ i Malkiela ny fokon’ ny Malkielita.
  46. 46 Ary ny anaran’ ny zanakavavin’ i Asera dia Sera.
  47. 47 Ireo no fokon’ ny taranak’ i Asera, araka izay voalamina taminy, dia efa-jato amby telo arivo sy dimy alina.
  48. 48 Ny taranak’ i Naftaly, araka ny fokony, dia izao: avy tamin’ i Jaziela ny fokon’ ny Jazielita; avy tamin’ i Gony ny fokon’ ny Gonita;
  49. 49 avy tamin’ i Jezera ny fokon’ ny Jezerita; avy tamin’ i Silema ny fokon’ ny Silemita.
  50. 50 Ireo no fokon’ i Naftaly araka ny fokony; ary izay voalamina taminy dia efa-jato amby dimy arivo sy efatra alina.
  51. 51 Ireo no voalamina tamin’ ny Zanak’ Isiraely, dia telo-polo amby fiton-jato sy arivo sy enina hetsy.
  52. 52 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
  53. 53 Ireo no hizarana ny tany ho lovany, araka ny isany.
  54. 54 Ny maro isa homenao zara-tany bebe kokoa, ary ny vitsy isa homenao kelikely kokoa; samy araka ny voalamina taminy no hanomezana ny zara-taniny.
  55. 55 Kanefa filokana no hizarana ny tany; araka ny anaran’ ny firenen’ ny razany no hahazoany zara-tany.
  56. 56 Dia filokana no hizarana ny tany ho lovany, na ny ho an’ ny maro, na ny ho an’ ny vitsy.
  57. 57 Ary izao no voalamina tamin’ ny taranak’ i Levy, araka ny fokony: avy tamin’ i Gersona ny fokon’ ny Gersonita; avy tamin’ i Kehata ny fokon’ ny Kehatita; avy tamin’ i Merary ny fokon’ ny Merarita.
  58. 58 Izao no fokon’ i Levy: ny fokon’ ny Libnita, ny fokon’ ny Hebronita, ny fokon’ ny Mahalita, ny fokon’ ny Mosita, ny fokon’ ny Koralta. Ary Kehata niteraka an’ i Amrama.
  59. 59 Ary ny anaran’ ny vadin’ i Amrama dia Jokebeda, zanakavavin’ i Levy, izay naterany tany Egypta; dia niteraka an’ i Arona sy Mosesy ary Miriama anabaviny tamin’ i Amrama izy.
  60. 60 Ary ny naterak’ i Arona dia Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara.
  61. 61 Fa maty Nadaba sy Abiho tamin’ izy nanatitra afo tsy izy teo anatrehan’ i Jehovah.
  62. 62 Ary izay voalamina taminy dia telo arivo amby roa alina, dia ny lahy rehetra hatramin’ ny iray volana no ho miakatra; fa tsy niaraka nalamina tamin’ ny Zanak’ Isiraely izy, satria tsy mba nomena zara-tany teo amin’ ny Zanak’ Isiraely.
  63. 63 Ireo no voalamin’ i Mosesy sy Eleazara mpisorona, izay nandamina ny Zanak’ Isiraely teo Arbota-moaba, teo amoron’ i Jordana tandrifin’ i Jeriko.
  64. 64 Ary tamin’ ireo dia tsy nisy olona avy tamin’ izay efa voalamin’ i Mosesy sy Arona mpisorona tamin’ izy nandamina ny Zanak’ Isiraely tany an-efitr’ i Sinay.
  65. 65 Fa Jehovah efa nilaza azy hoe: Ho faty any an-efitra tokoa ireo. Koa dia tsy nisy olona sisa tamin’ ireny afa-tsy Kaleba, zanak’ i Jefone, sy Josoa, zanak’ i Nona, ihany.

Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗