민수기 16장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 민수기 (Numbers) · 35절
- 1 Ary Kora, zanak’ i Jizara, zanak’ i Kehata, zanak’ i Levy, ary Datana sy Abìrama, zanak’ i Eliaba, sy Ona, zanak’ i Peleta, izay samy taranak’ i Robena, dia nandrendri-bahoaka,
- 2 ka nitsangana teo anatrehan’ i Mosesy izy ireo sy ny Zanak’ Isiraely dimam-polo amby roan-jato, izay samy lohan’ ny fiangonana avokoa, dia olona voafidin’ ny fiangonana sady nanan-daza;
- 3 koa niangona hiodina amin’ i Mosesy sy Arona ireo ka nanao taminy hoe: Aoka izay ianareo! fa masìna avokoa ny fiangonana rehetra, sady Jehovah no eo aminy; koa nahoana no dia manandra-tena ho ambonin’ ny fiangonan’ i Jehovah ianareo?
- 4 Ary raha nandre izany Mosesy, dia niankohoka izy
- 5 ka niteny tamin’ i Kora sy ny namany rehetra nanao hoe: Rahampitso dia hasehon’ i Jehovah izay Azy sy izay masìna ka hampanakekeny Azy; dia izay fidiny no hampanakekeny Azy.
- 6 Izao no ataovy, ry Kora sy ianareo namany rehetra: Makà fitondran’ afo ho anareo rahampitso.
- 7 dia asio afo eo anatiny ka asio ditin-kazo manitra eo aminy eo anatrehan’ i Jehovah; ary ny lehilahy izay fidin’ i Jehovah, dia izy no ho masìna; fa aoka izay ianareo, ry taranak’ i Levy!
- 8 Dia hoy koa Mosesy tamin’ i Kora: Henoy, ry taranak’ i Levy:
- 9 Moa ataonareo ho zavatra kely va ny nampisarahan’ Andriamanitry ny Isiraely anareo tamin’ ny fiangonan’ ny Isiraely hitondrany anareo ho akaiky Azy, hanaovanareo ny fanompoam-pivavahana momba ny tabernakelin’ i Jehovah sy hitoeranareo eo anatrehan’ ny fiangonana hanompo azy?
- 10 Dia napanakekeny Azy ianao sy ny rahalahinao taranak’ i Levy rehetra miaraka aminao, ary mitady ho mpisorona koa va ianareo?
- 11 Ary noho izany ianao sy ny namanao rehetra dia tafangona hiodina amin’ i Jehovah; fa Arona moa no inona, no imonomononanareo?
- 12 Ary Mosesy naniraka nampaka an’ i Datana sy Abìrama, zanak’ i Eliaba; fa hoy izy roa lahy: Tsy hiakatra izahay.
- 13 Moa zavatra kely va ny nitondranao anay niakatra niala tany amin’ izay tany tondra-dronono sy tantely hahafaty anay atỳ an-efitra, no dia manao anao ho lehibenay koa ianao?
- 14 Ary koa, ianao tsy nitondra anay ho any amin’ izay tany tondra-dronono sy tantely tsinona, na nanome anay saha sy tanim-boaloboka ho fanananay; hopotsirinao va ny mason’ ireto lehilahy ireto? Tsy hiakatra izahay.
- 15 Dia tezitra indrindra Mosesy ka nanao tamin’ i Jehovah hoe: Aza mijery ny fanatiny akory Hianao; tsy naka na dia boriky iray akory aza taminy aho, ary tsy nanisy ratsy na dia tamin’ ny anankiray aminy akory aza.
- 16 Dia hoy Mosesy tamin’ i Kora: Aoka ianao sy ny namanao rehetra ho tonga eo anatrehan’ i Jehovah rahampitso, dia ianao sy ireo ary Arona.
- 17 Ary samia maka ny fitondrana fony avy ianareo rehetra, ka asio ditin-kazo manitra eo anatiny, ary samia mitondra ny fitondran’ afony avy ianareo rehetra ho eo anatrehan’ i Jehovah, dia fitondran’ afo dimam-polo amby roan-jato; dia ianao sy Arona samy hitondra ny fitondran’ afony avy.
- 18 Ary samy naka ny fitondran’ afony avy izy rehetra ka nanisy afo teo anatiny, dia nanisy ditin-kazo manitra teo anatiny; ary nijanona teo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana izy mbamin’ i Mosesy sy Arona.
- 19 Ary Kora nanangona ny namany rehetra ho eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana hanohitra azy roa lahy; dia niseho tamin’ ny fiangonana rehetra ny voninahitr’ i Jehovah.
- 20 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
- 21 Mihataha amin’ ity fiangonana ity ianareo handringanako azy amin’ ny indray mipi-maso monja.
- 22 Dia niankohoka izy roa lahy ka nanao hoe: Andriamanitra ô, Andriamanitry ny fanahin’ ny nofo rehetra, olona iray no nanota, ka ho tezitra amin’ ny fiangonana rehetra va Hianao?
- 23 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
- 24 Mitenena amin’ ny fiangonana, ka lazao hoe: Mihataha tsy hanodidina ny lain’ i Kora sy Datana ary Abìrama.
- 25 Dia nitsangana Mosesy ka nankeo amin’ i Datana sy Abìrama; ary nanaraka azy ny loholon’ ny Isiraely.
- 26 Dia niteny tamin’ ny fiangonana izy ka nanao hoe: Mialà amin’ ny lain’ ireo olon-dratsy ireo, ka aza mikasika izay azy akory, fandrao haringana koa ianareo noho ny fahotany rehetra.
- 27 Dia nihataka ny olona mba tsy ho eo akaikin’ ny lain’ i Kora sy Datana ary Abìrama; ary Datana sy Abìrama nivoaka ka nijanona teo anoloan’ ny varavaran’ ny lainy mbamin’ ny vadiny sy ny zananilahy ary ny zanany madinika.
- 28 Dia hoy Mosesy: Izao no hahafantaranareo fa Jehovah no naniraka ahy hanao ireny asa rehetra ireny, fa tsy avy tamin’ ny saiko izany:
- 29 Raha maty toy ny fahafatin’ ny olona rehetra ireo olona ireo, na valiana araka ny famaliana ny olona rehetra izy, dia tsy Jehovah no naniraka ahy.
- 30 Fa raha hanao zavatra vaovao kosa Jehovah, ka hisokatra ny tany ary hitelina azy mbamin’ izay azy rehetra, ka ho latsaka velona any amin’ ny fiainan-tsi-hita’ izy, dia ho fantatrareo fa efa nandà an’ i Jehovah ireo lehilahy ireo.
- 31 Ary rehefa tapitra voalazany izany teny rehetra izany, dia nivava ny tany izay teo ambaniny;
- 32 eny, nisokatra ny tany ka nitelina azy sy ny ankohonany mbamin’ ny olona rehetra izay an’ i Kora ary ny fananany rehetra.
- 33 Dia latsaka velona ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita izy mbamin’ izay azy rehetra; ary ny tany dia nikatona taminy, ka fongotra tsy ho amin’ ny fiangonana intsony izy.
- 34 Ary ny Isiraely rehetra izay nanodidina azy dia nandositra noho ny fidradradradrany; fa hoy izy: Andrao hitelina antsika koa ny tany.
- 35 Ary nisy afo nivoaka avy tamin’ i Jehovah ka nandevona ny lehilahy dimam-polo amby roan-jato izay nanatitra ditin-kazo manitra.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗