민수기 12장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 민수기 (Numbers) · 16절
- 1 Ary Miriama sy Arona niteny nanome tsiny an’ i Mosesy noho ny vehivavy Kosita izay efa nampakariny; fa efa nampakatra vehivavy Kosita izy.
- 2 Dia hoy izy mianadahy: Moa Mosesy ihany va no efa nitenenan’ i Jehovah? tsy izahay koa va no nitenenany? Dia ren’ i Jehovah izany.
- 3 Ary Mosesy dia lehilahy nalemy fanahy mihoatra noho ny olona rehetra atỳ ambonin’ ny tany.
- 4 Ary Jehovah dia niteny tampoka tamin’ i Mosesy sy Arona ary Miriama hoe: Mivoaha ianareo telo mianadahy ho any amin’ ny trano-lay fihaonana. Dia nivoaka izy telo mianadahy.
- 5 Ary andri-rahona no nidinan’ i Jehovah, ka nitsangana teo am-baravaran’ ny trano-lay Izy; dia niantso an’ i Arona sy Miriama Izy, ka nivoaka izy mianadahy.
- 6 Dia hoy Izy: Mba mihainoa ny teniko: Raha misy mpaminanin’ i Jehovah eo aminareo, dia amin’ ny fahitana no hisehoako aminy, ary amin’ ny nofy no hitenenako aminy.
- 7 Fa tsy toy izany kosa Mosesy mpanompoko, izay mahatoky amin’ ny tranoko rehetra.
- 8 Mifanatrika no itenenako aminy, dia amin’ ny fahitana, fa tsy amin’ ny teny saro-pantarina, ary mijery ny endrik’ i Jehovah izy; ka nahoana ianareo no tsy natahotra hanome tsiny an’ i Mosesy mpanompoko?
- 9 Dia nirehitra ny fahatezeran’ i Jehovah tamin’ izy mianadahy, ka niala Izy.
- 10 Ary ny rahona niala tamin’ ny trano-lay; ary, indro, boka Miriama ka fotsy tahaka ny oram-panala; ary Arona dia nijery an’ i Miriama, ka indro fa boka izy.
- 11 Ary hoy Arona tamin’ i Mosesy: Indrisy, tompoko, masìna ianao, aza atao ho helokay ny nanaovanay adaladala sy ny nanotanay.
- 12 Aza dia avela ho toy ny maty izy, izay lany ny antsasaky ny nofony, raha vao teraka izy.
- 13 Ary Mosesy dia nitaraina tamin’ i Jehovah ka nanao hoe: Andriamanitra ô, mifona aminao aho, mba sitrano re izy!
- 14 Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Raha nandrora tamin’ ny tavany rainy, moa tsy ho menatra hafitoana va izy? koa atokàny any ivelan’ ny toby hafitoana izy, ary rehefa afaka izany, dia ampidiro indray.
- 15 Dia natokana tany ivelan’ ny toby hafitoana Miriama; ary ny olona tsy niainga, raha tsy efa nampidirina Miriama.
- 16 Ary rehefa afaka izany, dia niainga niala tany Hazerota ny olona ka nitoby tany an-efitra Parana.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗