로그인

민수기 10장 Baiboly Malagasy (1865)

Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 민수기 (Numbers) · 36절

  1. 1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
  2. 2 Manaova trompetra volafotsy roa ho anao; voasana no hanaovanao azy; dia ho fiantsoanao ny fiangonana sy ho fampiainganao ny toby ireo.
  3. 3 Ary raha tsofina avokoa ireo, dia hivory eo aminao, eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana, ny fiangonana rehetra.
  4. 4 Fa raha ny iray ihany no tsofina, dia ny lohan’ ny firenena, izay mpifehy arivo amin’ ny Isiraely, ihany no hivory eo aminao.
  5. 5 Fa raha mitsoka ho fampitairana ianareo, dia hiainga ny toby izay mitoetra eo atsinanana.
  6. 6 Ary raha mitsoka ho fampitairana fanindroany ianareo, dia hiainga ny toby izay mitoetra eo atsimo; fampitairana no hatao fiaingany.
  7. 7 Fa raha hampivory ny fiangonana kosa ianareo, dia hitsoka fotsiny, fa tsy hanao fampitairana.
  8. 8 Ary ireo mpisorona, zanak’ i Arona, no hitsoka ny trompetra; dia ho lalàna mandrakizay ho anareo hatramin’ ny taranakareo fara mandimby izany.
  9. 9 Ary raha misy ady eo amin’ ny taninareo, ka mandeha hiady amin’ ny fahavalo izay mampahory anareo ianareo, dia hitsoka ireo trompetra ireo ho fampitairana, dia hotsarovana eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo ka hovonjena amin’ ny fahavalonareo.
  10. 10 Ary amin’ ny andro fifalianareo, sy amin’ ny fotoam-pivavahanareo, ary amin’ ny voaloham-bolanareo no hitsofanareo ny trompetra, raha manao ny fanatitra doranareo sy ny fanati-pihavananareo; dia ho fahatsiarovana ho anareo izany eo anatrehan’ Andriamanitrareo: Izaho Jehovah no Andriamanitrareo.
  11. 11 Ary tamin’ ny andro faharoa-polo tamin’ ny volana faharoa, tamin’ ny taona faharoa, no niakaran’ ny rahona niala teo ambonin’ ny tabernakelin’ ny Vavolombelona.
  12. 12 Dia niainga tany an-efitr’ i Sinay ny Zanak’ Isiraely ka nandroso, ary ny rahona nijanona tany an-efitra Parana.
  13. 13 Dia izany no niaingany voalohany araka ny didin’ i Jehovah izay nampitondrainy an’ i Mosesy.
  14. 14 Ary ny fanevan’ ny tobin’ ny taranak’ i Joda no niainga voalohany araka ny antokony, ary Nasona, zanak’ i Aminadaba, no mpifehy ny antokony.
  15. 15 Ary Netanela, zanak’ i Zoara, no mpifehy ny antokon’ ny firenena taranak’ Isakara.
  16. 16 Ary Eliaba, zanak’ i Helona, no mpifehy ny antokon’ ny firenena taranak’ i Zebolona.
  17. 17 Dia nahorona ny tabernakely, ka niainga ny taranak’ i Gersona sy ny taranak’ i Merary, nitondra ny tabernakely.
  18. 18 Dia niainga ny fanevan’ ny tobin’ i Robena araka ny antokony; ary Elizora, zanak’ i Sedeora, no mpifehy ny antokony.
  19. 19 Ary Selomiela, zanak’ i Zorisaday, no mpifehy ny antokon’ ny firenena taranak’ i Simeona.
  20. 20 Ary Eliasafa, zanak’ i Doela, no mpifehy ny antokon’ ny firenena taranak’ i Gada.
  21. 21 Dia niainga ny Kehatita, mitondra ny zava-masìna; ary nisy nanangana ny tabernakely mandra-pihaviny.
  22. 22 Dia niainga ny fanevan’ ny tobin’ ny taranak’ i Efraima, araka ny antokony; ary Elisama, zanak’ i Amihoda, no mpifehy ny antokony.
  23. 23 Ary Gamaliela, zanak’ i Pedazora, no mpifehy ny antokon’ ny firenena taranak’ i Manase.
  24. 24 Ary Abidana, zanak’ i Gideony, no mpifehy ny firenena taranak’ i Benjamina.
  25. 25 Dia niainga ny fanevan’ ny tobin’ ny taranak’ i Dana, izay vodi-lalan’ ny toby rehetra, araka ny antokony; ary Ahiezera, zanak’ i Amisaday, no mpifehy ny antokony.
  26. 26 Ary Pagiela, zanak’ i Okrana, no mpifehy ny antokon’ ny firenena taranak’ i Asera.
  27. 27 Ary Ahira, zanak’ i Enana, no mpifehy ny antokon’ ny firenena taranak’ i Naftaly.
  28. 28 Izany no fandehan’ ny Zanak’ Isiraely, araka ny antokony avy, raha niainga izy.
  29. 29 Dia hoy Mosesy tamin’ i Hobaba, zanak’ i Regoela Midianita, rafozan’ i Mosesy: Izahay izao dia mandeha hankany amin’ ny tany izay nolazain’ i Jehovah hoe: Homeko anareo izy; andeha hiaraka aminay ianao, dia hasianay soa; fa Jehovah efa nilaza soa ny amin’ ny Isiraely.
  30. 30 Fa hoy kosa izy taminy: Tsy handeha aho; fa hody any amin’ ny taniko sy ny havako.
  31. 31 Dia hoy Mosesy: Aza dia ilaozanao izahay; fa fantatrao izay tokony hitobianay atỳ an-efitra, ka dia ho masonay ianao.
  32. 32 Ary raha hiaraka aminay ianao, dia izay soa hataon’ i Jehovah aminay no mba hataonay aminao kosa.
  33. 33 Dia niainga niala tany an-tendrombohitr’ i Jehovah lalan-kateloana izy; ary ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah nandroso nialoha azy lalan-kateloana hitady fialan-tsasatra ho an’ ny olona.
  34. 34 Ary ny rahon’ i Jehovah dia teo amboniny nony andro tamin’ ny niaingany niala tamin’ ny nitobiany.
  35. 35 Ary raha niainga ny fiara, dia hoy Mosesy: Mitsangàna, Jehovah ô, ka aoka hiely ny fahavalonao; ary aoka handositra ny tavanao izay mankahala Anao.
  36. 36 Ary raha nijanona kosa ny fiara, dia hoy izy: Miverena, Jehovah ô, ho amin’ ny Isiraely tsy omby alinalina.

Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗