미가 3장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 미가 (Micah) · 12절
- 1 Ary hoy izaho: Masìna ianareo, mihainoa, ry loholon’ i Jakoba, Sy ianareo mpanapaka ny taranak’ Isiraely: Tsy anjara-raharahanareo va ny hahalala ny rariny?
- 2 Dia ianareo izay mankahala ny tsara ka tia ny ratsy, Izay manendaka ny hoditry ny olona Sy ny nofony amin’ ny taolany,
- 3 Eny, ianareo izay homana ny nofon’ ny oloko koa Sady manendaka ny hodiny Ary mamakivaky ny taolany; Eny, mitetika azy toy ny hatao am-bilany izy, Ary toy ny hena ao anatin’ ny fahandroan-kena.
- 4 Amin’ izany dia hitaraina amin’ i Jehovah izy, Nefa tsy hohenoiny; Hanafina ny tavany aminy amin’ izany andro izany Izy Araka ny faharatsian’ ny nataon’ ireo.
- 5 Izao no lazain’ i Jehovah ny amin’ ny mpaminany izay mampaniasia ny oloko, dia ireo izay manaikitra amin’ ny nifiny, nefa mitory fiadanana, ary izay tsy manisy hanina eo am-bavany kosa dia iantsoany hanaovana ady masìna:
- 6 Koa izany no hisian’ ny alina aminareo, ka tsy hisy fahitana, Ary ny maizina aminareo, ka tsy hisy fankatovana; Fa hilentika tsy hanazava ny mpaminany ny masoandro, Ary ho maizina aminy ny andro,
- 7 Dia ho menatra ny mpahita, Ary hangaihay ny mpanao fankatovana; Eny, hitampim-bava avokoa izy rehetra, Satria tsy misy valiny avy amin’ Andriamanitra.
- 8 Fa izaho kosa dia feno hery, dia ny Fanahin’ i Jehovah, Mbamin’ ny rariny sy ny faherezana, Mba hanambara amin’ i Jakoba ny helony Sy amin’ Isiraely ny fahotany.
- 9 Masìna ianareo, mihainoa izao, Ry loholon’ ny taranak’ i Jakoba, Sy ry mpanapaka ny taranak’ Isiraely, Dia ianareo izay manao ny rariny ho fahavetavetana Sy mamadika ny hitsiny rehetra,
- 10 Dia izay manangana an’ i Ziona amin’ ny fandatsahan-drà Sy Jerosalema amin’ ny faharatsiana.
- 11 Ny mpifehiny mitsara hahazoany kolikoly, Ary ny mpisorony mampianatra hahazoany karama, Ary ny mpaminany manao fankatovana hahazoany vola; Nefa Jehovah mbola iankinany ihany hoe: Tsy ato amintsika va Jehovah? Tsy hisy loza hanjo antsika.
- 12 Koa dia hasaina toy ny tanimboly Ziona noho ny nataonareo, Ary Jerosalema ho tonga korontam-bato, Ary ny tendrombohitra misy ny trano dia ho tonga toy ny havoana mifono ala.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗