미가 1장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 미가 (Micah) · 16절
- 1 Ny tenin’ i Jehovah izay tonga tamin’ i Morastita tamin’ ny andro nanjakan’ i Jotama sy Ahaza ary Hezetia, mpanjakan’ ny Joda, dia ilay hitany ny amin’ i Samaria sy Jerosalema.
- 2 Samia mihaino ianareo, ry firenena rehetra; Atongilano ny sofinareo, ry tany sy izay zavatra rehetra eo aminy; Ary aoka Jehovah Tompo no ho vavolombelona hanameloka anareo, Dia Jehovah avy ao amin’ ny tempoliny masìna.
- 3 Fa, indro, Jehovah mivoaka avy ao amin’ ny fitoerany Ary midìna ka mandia ny havoana amin’ ny tany.
- 4 Miempo ao ambaniny ny tendrombohitra, Ary mivava ny lohasaha, Tahaka ny savoka taninin’ ny afo, Sy tahaka ny rano akorotsaka eny amin’ ny hantsana.
- 5 Noho ny fahadisoan’ i Jakoba sy ny fahotan’ ny taranak’ Isiraely no isian’ izany rehetra izany. Iza no nahadiso an’ i Jakoba? Tsy Samaria va? Ary iza no fitoerana avon’ i Joda? Tsy Jerosalema va?
- 6 Koa Samaria dia hataoko korontam-bato any an-tsaha Sy tany fambolem-boaloboka; Ary hakorotsako ho any an-dohasaha ny vatony, Ka haharihariko ny fanorenany.
- 7 Hotorotoroina ny sampiny voasokitra rehetra, Ary hodorana amin’ ny afo ny tanginy rehetra, Sady hofoanako ny sampiny rehetra; Tangin’ ny vehivavy janga no nanangonany ireny, Ary hody ho tangin’ ny vehivavy janga indray izy.
- 8 Koa izany no hitomaniako sy hidradradradrako, Ka handeha sady horobaina no mitanjaka aho; Hikaonkaona toy ny amboadia aho Ary hikiakiaka toy ny ostritsa.
- 9 Fa tsy azo sitranina ny ferin’ i Samaria; Fa mihatra amin’ i Joda izany, Ary mahatratra ny vavahadin’ ny oloko aza, dia any Jerosalema.
- 10 Aza ambaranareo any Gata izany, Aza mitomany akory! Mihosinkosina vovoka ao Beti-le-afra aho.
- 11 Mandehana mitanjaka mitondra henatra, ry mponina ao Safira; Tsy mivoaka ny mponina ao Zanana; Ny fisaonan’ i Beti-haezela no misakana anareo tsy hijanona ao.
- 12 Fa malahelo ny soa ny mponina ao Marota, Satria loza no efa nidina avy tamin’ i Jehovah ho ao am-bavahadin’ i Jerosalema.
- 13 Fehezo amin’ ny soavaly haingam-pandeha ny kalesy, ry mponina ao Lakisy; Niandohan’ ny fahotan’ i Ziona zanakavavy iny, Fa tao aminao no nahitana ny fahadisoan’ Isiraely.
- 14 Koa izany no hanomezanao taratasy fisaorana ho an’ i Moresetagata; Ranotrambo ho an’ ny mpanjakan’ ny Isiraely ireo tranon’ i Akziba.
- 15 Mbola hitondrako olon-kandova ianao. Ry mponina ao Maresa; Ho tonga hatrany Adolama aza ny voninahitr’ Isiraely.
- 16 Miheteza sy mikakasa Noho ny zanakao nahafinaritra; Halehibiazo ny solanao ho toy ny an’ ny voltora, Fa lasan-ko babo niala taminao izy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗