마태복음 7장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 마태복음 (Matthew) · 29절
- 1 Aza mitsara, mba tsy hotsaraina ianareo.
- 2 Fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo; ary araka ny ohatra ataonareo no hanoharana ho anareo.
- 3 Ary nahoana ianao no mijery ny sombin-kazo eo amin’ ny mason’ ny rahalahinao, fa ny andry eo amin’ ny masonao dia tsy mba tsaroanao?
- 4 Ary ahoana no hilazanao amin’ ny rahalahinao hoe: Aoka aho hanaisotra ny sombin-kazo eo amin’ ny masonao; nefa, indro, ny andry eo amin’ ny masonao?
- 5 Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin’ ny masonao, ary amin’ izay vao ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin’ ny mason’ ny rahalahinao.
- 6 Aza omena ny alika izay masìna; ary aza atsipy eo anoloan’ ny kisoa ny vato soanareo, fandrao hanitsaka azy izy, dia hifotitra ka hamiravira anareo.
- 7 Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo.
- 8 Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana.
- 9 Ary iza moa aminareo, raha angatahan’ ny zanany mofo, no hanome azy vato?
- 10 ary raha angatahany hazandrano, no hanome azy menarana?
- 11 Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo Izay any an-danitra no hanome zava-tsoa ho an’ izay mangataka aminy?
- 12 Koa amin’ izany na inona na inona tianareo hataon’ ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany; fa izany no lalàna sy mpaminany.
- 13 Midìra amin’ ny vavahady èty ianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny lalana izay mankany amin’ ny fahaverezana, ka maro ny miditra any.
- 14 Fa èty ny vavahady, ary terỳ ny lalana izay mankany amin’ ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy.
- 15 Mitandrema ianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka, izay mankao aminareo amin’ ny fitafian’ ny ondry, fa ao anatiny dia amboadia mitoha izy.
- 16 Ny voany no hahafantaranareo azy. Manoty voaloboka amin’ ny tsilo va ny olona, na aviavy amin’ ny songosongo?
- 17 Dia toy izany, ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara; fa ny hazo ratsy rehetra dia mamoa voa ratsy.
- 18 Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara.
- 19 Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo.
- 20 Ka dia ny voany no hahafantaranareo azy.
- 21 Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ ny fanjakan’ ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ ny Raiko Izay any an-danitra.
- 22 Maro no hanao amiko amin’ izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin’ ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia tamin’ ny anaranao va izahay? Ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin’ ny anaranao va izahay?
- 23 Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, ianareo mpanao meloka.
- 24 Koa amin’ izany na zovy na zovy no mandre izany teniko izany ka mankatò azy, dia hoharina amin’ ny lehilahy manan-tsaina izy, izay nanorina ny tranony teo ambonin’ ny vatolampy.
- 25 Ary latsaka ny ranonorana, ka nisy riaka be, sady nifofofofo ny rivotra ka namely izany trano izany; nefa tsy nianjera izy, satria efa naorina teo ambonin’ ny vatolampy.
- 26 Fa izay rehetra mandre izany teniko izany, nefa tsy mankatò azy, dia hoharina amin’ ny lehilahy adala, izay nanorina ny tranony teo ambonin’ ny fasika.
- 27 Ary latsaka ny ranonorana, ka nisy riaka be, sady nifofofofo ny rivotra ka namely izany trano izany; dia nianjera izy, ka loza ny fianjerany.
- 28 Ary nony efa vitan’ i Jesosy izany teny izany, dia talanjona ny vahoaka noho ny fampianarany,
- 29 satria nampianatra azy toy izay manana fahefana Izy, fa tsy tahaka ny mpanora-dalàna teo aminy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗