마태복음 3장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 마태복음 (Matthew) · 17절
- 1 Ary tamin’ izany andro izany dia niseho Jaona Mpanao batisa, nitory tany an-efitr’ i Jodia nanao hoe:
- 2 Mibebaha ianareo; fa efa akaiky ny fanjakan’ ny lanitra.
- 3 Fa izy no ilay nampilazaina an’ Isaia mpaminany hoe: Injany! misy feon’ ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny lalan’ i Jehovah, Ataovy mahitsy ny lalan-kalehany.
- 4 Ary ny fitafian’ izany Jaona izany dia lamba volon-drameva, ary fehin-kibo hoditra no tamin’ ny valahany; ary ny fihinany dia valala sy tantely remby.
- 5 Ary Jerosalema sy Jodia rehetra mbamin’ ny tany rehetra amoron’ i i Jordana dia nivoaka nankany amin’ i Jaona,
- 6 ka nataony batisa tao amin’ ny ony Jordana ireny, rehefa niaiky ny fahotany.
- 7 Fa nony nahita ny Fariseo sy ny Sadoseo maro nanatona ny batisany izy, dia hoy izy taminy: Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy?
- 8 Koa mamoaza voa miendrika ny fibebahana ianareo;
- 9 ary aza manao anakampo hoe: Manana an’ i Abrahama ho rainay izahay; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an’ i Abrahama avy amin’ ireto vato ireto.
- 10 Ary, indro, efa mipetraka eo amin’ ny fototry ny hazo sahady ny famaky; koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo.
- 11 Izaho dia manao batisa anareo amin’ ny rano ho amin’ ny fibebahana; fa Ilay avy ao aoriako no mahery noho izaho, ka tsy miendrika hitondra ny kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin’ ny Fanahy Masìna sy ny afo;
- 12 eny an-tànany ny fikororohany, ary Izy hanadio tsara ny eo am-pamoloany ka hanangona ny variny ho any an-tsompitra; fa ny akofa sy ny mololo hodorany amin’ ny afo tsy mety maty.
- 13 Ary tamin’ izay Jesosy dia avy tany Galilia ka tonga teo amoron’ i Jordana, dia nanatona an’ i Jaona Izy mba hataony batisa.
- 14 Fa Jaona nandà Azy ka nanao hoe: Izaho no tokony hataonao batisa, ka Hianao indray va no mankaty amiko?
- 15 Fa namaly Jesosy ka niteny taminy hoe: Ekeo ihany ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra. Ka dia nekeny Izy.
- 16 Ary raha vao natao batisa Jesosy, dia niakatra avy teo amin’ ny rano niaraka tamin’ izay Izy; ary, indro, nisokatra taminy ny lanitra, ary hitany ny Fanahin’ Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny.
- 17 Ary, injao! nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗