마태복음 28장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 마태복음 (Matthew) · 20절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ary tamin’ ny alin’ ny Sabata, raha vao nazava ratsy ny andro voalohany amin’ ny herinandro, dia avy hizaha ny fasana Maria Magdalena sy ilay Maria anankiray. | In the end of the sabbath, as it began to dawn toward the first day of the week, came Mary Magdalene and the other Mary to see the sepulchre. |
| 2 | Ary, indro, nisy horohorontany mafy; fa nisy anjelin’ ny Tompo nidina avy tany an-danitra, dia nankeo ka nanakodia ny vato, dia nipetraka teo amboniny. | And, behold, there was a great earthquake: for the angel of the Lord descended from heaven, and came and rolled back the stone from the door, and sat upon it. |
| 3 | Ary ny fijery azy dia tahaka ny helatra, ary ny fitafiany fotsy tahaka ny oram-panala; | His countenance was like lightning, and his raiment white as snow: |
| 4 | ary ny mpiambina nivadi-po noho ny fahatahorana azy ka tonga tahaka ny maty. | And for fear of him the keepers did shake, and became as dead men. |
| 5 | Ary ny anjely namaly ka nilaza tamin’ ny vehivavy hoe: Aza matahotra ianareo; fa fantatro fa Jesosy, Izay efa nohomboana tamin’ ny hazo fijaliana, no tadiavinareo. | And the angel answered and said unto the women, Fear not ye: for I know that ye seek Jesus, which was crucified. |
| 6 | Tsy ato Izy, fa efa nitsangana araka izay nolazainy. Avia, ka jereo, fa tao no nandrian’ ny Tompo. | He is not here: for he is risen, as he said. Come, see the place where the Lord lay. |
| 7 | Ary mandehana faingana, ka lazao amin’ ny mpianany fa efa nitsangana tamin’ ny maty Izy; ary, indro, mialoha anareo ho any Galilia Izy; any no hahitanareo Azy; indro, efa nilaza taminareo aho. | And go quickly, and tell his disciples that he is risen from the dead; and, behold, he goeth before you into Galilee; there shall ye see him: lo, I have told you. |
| 8 | Dia niala faingana tamin’ ny fasana izy ireo sady natahotra no faly indrindra, dia nihazakazaka hilaza tamin’ ny mpianatra. | And they departed quickly from the sepulchre with fear and great joy; and did run to bring his disciples word. |
| 9 | Ary, indro, Jesosy nifanena taminy ka nanao hoe: Finaritra. Ary izy ireo nanatona, dia nihazona ny tongony ka niankohoka teo anatrehany. | And as they went to tell his disciples, behold, Jesus met them, saying, All hail. And they came and held him by the feet, and worshipped him. |
| 10 | Dia hoy Jesosy taminy: Aza matahotra; fa mandehana, ka asaovy mankany Galilia ny rahalahiko; fa any no hahitany Ahy. | Then said Jesus unto them, Be not afraid: go tell my brethren that they go into Galilee, and there shall they see me. |
| 11 | Ary nony nandeha izy ireo, indreny, ny mpiambina sasany nankany an-tanana ka nilaza tamin’ ny lohan’ ny mpisorona ny zavatra rehetra izay vao niseho. | Now when they were going, behold, some of the watch came into the city, and shewed unto the chief priests all the things that were done. |
| 12 | Ary rehefa niangona izy mbamin’ ny loholona, dia niara-nihevitra ka nanome vola be ny miaramila | And when they were assembled with the elders, and had taken counsel, they gave large money unto the soldiers, |
| 13 | ary nanao hoe: Lazao hoe: Ny mpianany no tonga alina ka nangalatra Azy raha sendra natory izahay; | Saying, Say ye, His disciples came by night, and stole him away while we slept. |
| 14 | ary raha misy milaza izany amin’ ny governora, izahay dia hampanaiky azy ka hanao izay tsy hampaninona anareo. | And if this come to the governor’s ears, we will persuade him, and secure you. |
| 15 | Dia nandray ny vola izy ka nanao araka ny teny nomeny azy; ary izany teny izany dia naelin’ ny Jiosy mandraka androany. | So they took the money, and did as they were taught: and this saying is commonly reported among the Jews until this day. |
| 16 | Ary ny mpianatra iraika ambin’ ny folo lahy dia nankany Galilia, ho any amin’ ilay tendrombohitra nasain’ i Jesosy halehany. | Then the eleven disciples went away into Galilee, into a mountain where Jesus had appointed them. |
| 17 | Ary nony nahita Azy izy, dia niankohoka, fa ny sasany niahanahana. | And when they saw him, they worshipped him: but some doubted. |
| 18 | Ary Jesosy nanatona dia niteny taminy ka nanao hoe: Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; | And Jesus came and spake unto them, saying, All power is given unto me in heaven and in earth. |
| 19 | koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ ny anaran’ ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masìna | Go ye therefore, and teach all nations, baptizing them in the name of the Father, and of the Son, and of the Holy Ghost: |
| 20 | sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ ny fahataperan’ izao tontolo izao. | Teaching them to observe all things whatsoever I have commanded you: and, lo, I am with you alway, even unto the end of the world. Amen. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL