마태복음 27장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 마태복음 (Matthew) · 66절
- 1 Ary nony maraina ny andro, ny lohan’ ny mpisorona rehetra sy ny loholona dia niara-nihevitra hiampanga an’ i Jesosy mba hamonoany Azy.
- 2 Ary rehefa nafatony Izy, dia nentiny ka natolony an’ i Pilato governora.
- 3 Ary Jodasy, ilay namadika Azy, raha nahita fa nohelohina Jesosy, dia nanenina ka namerina ny sekely volafotsy telo-polo tamin’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny loholona
- 4 ka nanao hoe: Nanota aho, satria namadika rà marina. Fa hoy ireo: Ahoanay izany? fa asa anao.
- 5 Ary nony natsipiny teo amin’ ny tempoly ny vola, dia niala izy ka lasa nandeha, dia nanao tadimody ary nananton-tena, ka dia maty.
- 6 Ary ny lohan’ ny mpisorona nandray ny vola ka nanao hoe: Tsy mety raha alatsaka ao amin’ ny rakitry ny tempoly io, fa vidin-drà.
- 7 Ary nony niara-nihevitra izy, dia namidiny ny sahan’ ny mpanefy vilany ny vola ho fandevenam-bahiny.
- 8 Koa izany no anaovana ny anaran’ izany saha izany mandraka androany hoe Sahan-drà.
- 9 Ary tamin’ izany dia tanteraka izay nampilazaina an’ i Jeremia mpaminany hoe: Dia nalainy ny sekely volafotsy telo-polo, vidin’ ilay notombanana, dia ilay notombanan’ ny Zanak’ Isiraely,
- 10 ka nomeny hamidy ny sahan’ ny mpanefy vilany izany, araka izay efa nandidian’ i Jehovah ahy.
- 11 Ary Jesosy nitsangana teo anatrehan’ ny governora; ary ny governora nanontany Azy ka nanao hoe: Hianao va no Mpanjakan’ ny Jiosy? Dia hoy Jesosy taminy: Voalazanao.
- 12 Ary raha nampangain’ ny lohan’ ny mpisorona mbamin’ ny loholona Izy, dia tsy namaly akory.
- 13 dia hoy Pilato taminy: Tsy renao va izany zavatra maro iampangany Anao izany?
- 14 Fa tsy namaly azy Izy na dia indraim-bava akory aza, ka dia gaga indrindra ny governora.
- 15 Ary isaky ny tonga ny andro firavoravoana dia fanaon’ ny governora ny mandefa mpifatotra anankiray ho an’ ny vahoaka, araka izay tiany.
- 16 Ary tamin’ izany dia nisy mpifatotra malaza atao hoe Barabasy.
- 17 Koa nony tafangona teo ny olona, dia hoy Pilato taminy: Iza moa no tianareo halefako ho anareo? Barabasy, sa Jesosy, Izay atao hoe Kristy?
- 18 Fa fantany fa fialonana no nanoloran’ ireo Azy.
- 19 Ary raha nipetraka teo amin’ ny fitsarana izy, ny vadiny dia naniraka hankeo aminy ka nanao hoe: Aza manao na inona na inona amin’ izany Lehilahy marina izany, fa nampahory ahy be ihany ny nanofisako Azy any naraina.
- 20 Ary ny lohan’ ny mpisorona mbamin’ ny loholona nitaona ny vahoaka mba hangataka an’ i Barabasy ary hamono an’ i Jesosy.
- 21 Fa ny governora namaly ka nanao taminy hoe: Iza moa amin’ izy roa lahy no tianareo halefako ho anareo? Dia hoy izy: Barabasy.
- 22 Hoy Pilato taminy: Ka ahoana kosa ary no hataoko amin’ i Jesosy, Izay atao hoe Kristy? Dia hoy izy rehetra: Aoka hohomboana amin’ ny hazo fijaliana Izy.
- 23 Fa hoy ny governora: Inona ary no ratsy nataony? Fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Aoka hohomboana amin’ ny hazo fijaliana Izy!
- 24 Ary raha hitan’ i Pilato, fa tsy nahaleo ditra aza izy, fa vao mainka nandroso ihany aza ny tabataba, dia naka rano izy ka nanasa tanana teo anatrehan’ ny vahoaka ary nanao hoe: Afaka amin’ ny ran’ ity Lehilahy marina ity aho, fa asa anareo.
- 25 Ary ny olona rehetra dia namaly ka nanao hoe: Aoka ny ràny ho aminay mbamin’ ny zanakay.
- 26 Ary dia nandefa an’ i Barabasy ho an’ ny olona izy; fa Jesosy nasainy nokapohina, dia natolony mba hohomboana tamin’ ny hazo fijaliana.
- 27 Ary ny miaramilan’ ny governora dia nitondra an’ i Jesosy ho ao anati-rova sady nanangona ny miaramila namany rehetra ho eo aminy.
- 28 Ary rehefa nanala ny fitafiany, dia nanafy Azy lamba jaky izy.
- 29 Ary nandrandrana satroka tsilo izy, ka nasatrony ny lohany, ary nampitaniny volotara ny tànany ankavanana, dia nandohalika teo anatrehany izy ka naneso Azy hoe: Arahaba, ry Mpanjakan’ ny Jiosy!
- 30 Dia nororany Izy, ary nalainy ny volotara ka nokapohiny ny lohany.
- 31 Ary rehefa naneso Azy izy, dia nanala ilay lamba taminy, ka nampitafiny Azy indray ny fitafiany, ary dia nentiny Izy mba hohomboana amin’ ny hazo fijaliana.
- 32 Ary raha nandeha izy, dia nahita lehilahy Kyreniana anankiray, atao hoe Simona, ka izy notereny hitondra ny hazo fijalian’ i Jesosy.
- 33 Ary rehefa tonga teo amin’ ny tany atao hoe Golgota izy, izany hoe Ikarandoha,
- 34 dia nomeny divay miharo afero Izy hosotroiny; ary nony nanandrana izany Izy, dia tsy nety nisotro.
- 35 Ary rehefa voahombony tamin’ ny hazo fijaliana Izy, dia nanaovany loka no fizàrany ny fitafiany.
- 36 Ary nipetraka izy, dia niambina Azy teo.
- 37 Ary napetany teo ambonin’ ny lohany ny soratra milaza ny nanamelohana Azy, dia izao: Ity no Jesosy, Mpanjakan’ ny Jiosy.
- 38 Ary nisy jiolahy roa nohomboana tamin’ ny hazo fijaliana teo an-daniny roa, ny anankiray teo amin’ ny ankavanany, ary ny anankiray teo amin’ ny ankaviany.
- 39 Ary izay nandalo dia niteny ratsy Azy, sady nihifikifi-doha
- 40 ka nanao hoe: Ry Ilay mandrava ny tempoly sy manangana azy amin’ ny hateloana, vonjeo ny tenanao. Raha Zanak’ Andriamanitra Hianao, midìna hiala amin’ ny hazo fijaliana.
- 41 Ary dia naneso toy izany koa ny lohan’ ny mpisorona mbamin’ ny mpanora-dalàna sy ny loholona ka nanao hoe:
- 42 Ny sasany novonjeny; fa ny tenany tsy hainy vonjena. Mpanjakan’ ny Isiraely Izy, aoka hidina hiala amin’ ny hazo fijaliana Izy ankehitriny, dia hino Azy izahay;
- 43 natoky an’ Andriamanitra Izy, aoka Izy hamonjy Azy ankehitriny, raha ankasitrahany Izy, satria hoy Izy: Zanak’ Andriamanitra Aho.
- 44 Ary nandatsa Azy toy izany koa ireo jiolahy niaraka nohomboana taminy tamin’ ny hazo fijaliana.
- 45 Ary hatramin’ ny ora fahenina ka hatramin’ ny ora fahasivy dia maizina ny tany rehetra.
- 46 Ary nony tokony ho tamin’ ny ora fahasivy, dia niantso tamin’ ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe: Ely, Ely, lamà sabaktany? izany hoe: Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao?.
- 47 Ary ny sasany tamin’ izay nijanona teo, raha nandre izany, dia nanao hoe: Miantso an’ i Elia Ilehio.
- 48 Ary niaraka tamin’ izay ny anankiray teo aminy dia nihazakazaha ka nandray sipaonjy, ary rehefa natsobony tamin’ ny vinaingitra izany ka notohiziny tamin’ ny volotara, dia natohony hotsentsefin’ i Jesosy.
- 49 Fa ny sasany kosa nanao hoe: Aoka hoe hizahantsika na ho avy hamonjy Azy Elia, na tsia.
- 50 Ary rehefa niantso tamin’ ny feo mahery indray Jesosy, dia nanolotra ny fanahiny.
- 51 Ary, indro, ny efitra lamba tao amin’ ny tempoly dia triatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany; dia nihorohoro ny tany, ka nitresaka ny vatolampy;
- 52 ary nisokatra ny fasana, ka maro ny fatin’ ny olona masìna izay efa nodi-mandry no natsangana,
- 53 ka nivoaka avy tao amin’ ny fasana ireo taorian’ ny nitsanganan’ i Jesosy, dia nankao amin’ ny Tanàna Masìna ka niseho tamin’ ny maro.
- 54 Ary ny kapiteny sy ny fehiny, izay niambina an’ i Jesosy, raha nahita ny horohorontany mbamin’ izay zavatra tonga teo, dia raiki-tahotra indrindra ka nanao hoe: Marina tokoa fa Zanak’ Andriamanitra io Lehilahy io.
- 55 Ary nisy vehivavy maro nitsinjo teny lavitra eny, izay nanaraka an’ i Jesosy hatrany Galilia ka nanompo Azy.
- 56 Isan’ ireny Maria Magdalena sy Maria, renin’ i Jakoba sy Josesy, ary ny renin’ ny zanak’ i Zebedio.
- 57 Ary nony hariva ny andro, dia avy ny lehilahy manan-karena anankiray, avy any Arimatia, ny anarany atao hoe Josefa, ary izy koa dia mpianatr’ i Jesosy.
- 58 Izany lehilahy izany dia nankao amin’ i Pilato ka nangataka ny fatin’ i Jesosy. Dia nasain’ i Pilato homena azy izany.
- 59 Ary rehefa nalain’ i Josefa ny faty ka nofonosiny hariry madinika madio,
- 60 dia naleviny tao amin’ ny fasany vaovao izay efa nolavahany tamin’ ny vatolampy; ary rehefa nanakodia vato lehibe ho eo amin’ ny varavaran’ ny fasana izy, dia lasa nandeha.
- 61 Ary tao Maria Magdalena sy ilay Maria anankiray ka nipetraka tandrifin’ ny fasana.
- 62 Ary nony ampitson’ ny andro fiomanana, dia nivory nankeo amin’ i Pilato ny lohan’ ny mpisorona sy ny Fariseo
- 63 ka nanao hoe: Tompoko, tsaroanay fa iny mpamitaka iny, fony Izy mbola velona, dia nanao hoe: Raha afaka hateloana, dia hitsangana Aho.
- 64 Koa asaovy hambenana mafy ny fasana mandra-pahatongan’ ny andro fahatelo, fandrao avy ny mpianany ka mangalatra Azy, dia hilaza amin’ ny olona hoe: Efa natsangana tamin’ ny maty Izy; ka dia ho ratsy ny fitaka farany noho ny voalohany.
- 65 Hoy Pilato taminy: Makà mpiambina ka mandehana, ary ataovy mafy araka izay hainareo ny fiambenana.
- 66 Ary nony lasa izy, dia nalatsany ny mpiambina hiambina mafy ny fasana, rehefa nasiany tombo-kase ny vato.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗