마태복음 15장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 마태복음 (Matthew) · 39절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Dia nankeo amin’ i Jesosy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna sasany avy tany Jerosalema ka nanao hoe: | Then came to Jesus scribes and Pharisees, which were of Jerusalem, saying, |
| 2 | Nahoana ny mpianatrao no mandika ny fampianarana voatolotry ny razana? Fa tsy mba manasa tanana izy, raha hihinan-kanina. | Why do thy disciples transgress the tradition of the elders? for they wash not their hands when they eat bread. |
| 3 | Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Nahoana kosa ianareo no mandika ny didin’ Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo? | But he answered and said unto them, Why do ye also transgress the commandment of God by your tradition? |
| 4 | Fa Andriamanitra efa nanao hoe: Manajà ny rainao sy ny reninao, ary koa: Izay miteny ratsy ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa. | For God commanded, saying, Honour thy father and mother: and, He that curseth father or mother, let him die the death. |
| 5 | Fa hoy kosa ianareo: Na zovy na zovy no hilaza amin’ ny rainy na ny reniny hoe: Efa fanatitra ho an’ Andriamanitra izay rehetra tokony hahazoanao soa avy amiko, dia tsy mba hanaja ny rainy akory izy. | But ye say, Whosoever shall say to his father or his mother, It is a gift, by whatsoever thou mightest be profited by me; |
| 6 | Koa dia foananareo ny tenin’ Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo. | And honour not his father or his mother, he shall be free. Thus have ye made the commandment of God of none effect by your tradition. |
| 7 | Ry mpihatsaravelatsihy, marina ny naminanian’ Isaia anareo hoe: | Ye hypocrites, well did Esaias prophesy of you, saying, |
| 8 | Ity firenena ity manaja Ahy amin’ ny molony; Fa ny fony kosa lavitra Ahy. | This people draweth nigh unto me with their mouth, and honoureth me with their lips; but their heart is far from me. |
| 9 | Koa foana ny ivavahan’ ireo amiko, raha mampianatra ny didin’ olombelona ho fampianarana izy. | But in vain they do worship me, teaching for doctrines the commandments of men. |
| 10 | Ary niantso ny vahoaka hankeo aminy Izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa ka mahafantara: | And he called the multitude, and said unto them, Hear, and understand: |
| 11 | tsy izay miditra amin’ ny vava no mahaloto ny olona; fa izay mivoaka avy amin’ ny vava, izany no mahaloto ny olona. | Not that which goeth into the mouth defileth a man; but that which cometh out of the mouth, this defileth a man. |
| 12 | Dia nankeo aminy ny mpianatra ka nanao taminy hoe: Fantatrao va fa tafintohina ny Fariseo, raha nandre izany teny izany? | Then came his disciples, and said unto him, Knowest thou that the Pharisees were offended, after they heard this saying? |
| 13 | Ary Izy namaly ka nanao hoe: Ny zavatra rehetra izay tsy nambolen’ ny Raiko Izay any an-danitra dia hongotana. | But he answered and said, Every plant, which my heavenly Father hath not planted, shall be rooted up. |
| 14 | Avelao izy; mpitarika jamba izy; ary raha ny jamba no mitarika ny jamba, dia samy ho latsaka any an-kady izy roa. | Let them alone: they be blind leaders of the blind. And if the blind lead the blind, both shall fall into the ditch. |
| 15 | Ary Petera namaly ka nanao taminy hoe: Lazao aminay ny hevitr’ izany fanoharana izany. | Then answered Peter and said unto him, Declare unto us this parable. |
| 16 | Ary hoy Jesosy: Hianareo koa va mbola tsy mahafantatra ihany? | And Jesus said, Are ye also yet without understanding? |
| 17 | Tsy fantatrareo va fa izay rehetra miditra amin’ ny vava dia mankao an-kibo ka avoaka ao amin’ ny fivoahana? | Do not ye yet understand, that whatsoever entereth in at the mouth goeth into the belly, and is cast out into the draught? |
| 18 | Fa izay mivoaka avy amin’ ny vava kosa dia avy amin’ ny fo, ka izany no mahaloto ny olona. | But those things which proceed out of the mouth come forth from the heart; and they defile the man. |
| 19 | Fa avy amin’ ny fo no ivoahan’ ny sain-dratsy, dia ny vonoan’ olona, ny fakam-badin’ olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny ampanga lainga, ny fitenenan-dratsy; | For out of the heart proceed evil thoughts, murders, adulteries, fornications, thefts, false witness, blasphemies: |
| 20 | izany no mahaloto ny olona; fa ny mihinana amin’ ny tanana tsy misasa tsy mba mahaloto ny olona. | These are the things which defile a man: but to eat with unwashen hands defileth not a man. |
| 21 | Dia niala teo Jesosy ka nankany amin’ ny fari-tanin’ i Tyro sy Sidona. | Then Jesus went thence, and departed into the coasts of Tyre and Sidon. |
| 22 | Ary, indro, nisy vehivavy Kananita anankiray nivoaka avy tamin’ izany tany izany ka niantso nanao hoe: Mamindrà fo amiko, Tompoko, Zanak’ i Davida ô! ny zanako-vavy ampahorin’ ny demonia loatra. | And, behold, a woman of Canaan came out of the same coasts, and cried unto him, saying, Have mercy on me, O Lord, thou Son of David; my daughter is grievously vexed with a devil. |
| 23 | Fa Izy tsy namaly teny azy. Dia nanatona ny mpianany ka nangataka taminy nanao hoe: Roahy izy, fa miantso mafy ato aoriantsika. | But he answered her not a word. And his disciples came and besought him, saying, Send her away; for she crieth after us. |
| 24 | Ary Izy namaly ka nanao hoe: Tsy nirahina Aho afa-tsy ho amin’ ny ondry very amin’ ny taranak’ isiraely. | But he answered and said, I am not sent but unto the lost sheep of the house of Israel. |
| 25 | Fa nanatona ihany ravehivavy, dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Tompoko ô, vonjeo aho. | Then came she and worshipped him, saying, Lord, help me. |
| 26 | Fa Izy namaly ka nanao hoe: Tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an’ ny amboakely. | But he answered and said, It is not meet to take the children’s bread, and to cast it to dogs. |
| 27 | Fa hoy ravehivavy: Marina izany, Tompoko; fa na dia ny amboakely aza mba mihinana izay sombintsombiny latsaka avy amin’ ny latabatry ny tompony ihany. | And she said, Truth, Lord: yet the dogs eat of the crumbs which fall from their masters’ table. |
| 28 | Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Ravehivavy, lehibe ny finoanao; tongava aminao araka izay irinao. Dia sitrana ny zananivavy tamin’ izay ora izay. | Then Jesus answered and said unto her, O woman, great is thy faith: be it unto thee even as thou wilt. And her daughter was made whole from that very hour. |
| 29 | Ary raha niala teo Jesosy, dia nankany amoron’ ny Ranomasin’ i Galilia Izy; ary niakatra nankeo an-tendrombohitra Izy ka nipetraka teo; | And Jesus departed from thence, and came nigh unto the sea of Galilee; and went up into a mountain, and sat down there. |
| 30 | ary nisy vahoaka betsaka nankeo aminy nitondra ny mandringa, ny jamba, ny moana, ny kilemaina, ary ny maro hafa koa, ka nametraka azy teo akaikin’ ny tongotr’ i Jesosy; dia nahasitrana azy Izy; | And great multitudes came unto him, having with them those that were lame, blind, dumb, maimed, and many others, and cast them down at Jesus’ feet; and he healed them: |
| 31 | ka dia talanjona ny vahoaka, raha nahita ny moana miteny, ny kilemaina sitrana, ny mandringa afaka, ary ny jamba mahiratra; dia nankalaza an’ Andriamanitry ny Isiraely izy. | Insomuch that the multitude wondered, when they saw the dumb to speak, the maimed to be whole, the lame to walk, and the blind to see: and they glorified the God of Israel. |
| 32 | Ary Jesosy niantso ny mpianany hankeo aminy ka nanao hoe: Mahonena Ahy ny vahoaka, fa efa nitoetra hateloana tatỳ amiko izy izao ka tsy manan-kohanina; ary tsy tiako ny hampody azy tsy mihinana, fandrao reraka eny an-dalana izy. | Then Jesus called his disciples unto him, and said, I have compassion on the multitude, because they continue with me now three days, and have nothing to eat: and I will not send them away fasting, lest they faint in the way. |
| 33 | Fa hoy ny mpianatra taminy: Aiza no hahitanay mofo atỳ an-efitra ampy hahavoky izao vahoaka betsaka izao! | And his disciples say unto him, Whence should we have so much bread in the wilderness, as to fill so great a multitude? |
| 34 | Ary hoy Jesosy taminy: Misy mofo firy any aminareo? Ary hoy izy: Fito sy hazandrano madinika vitsy foana. | And Jesus saith unto them, How many loaves have ye? And they said, Seven, and a few little fishes. |
| 35 | Ary Izy nandidy ny vahoaka betsaka hipetraka amin’ ny tany. | And he commanded the multitude to sit down on the ground. |
| 36 | Dia nandray ny mofo fito mbamin’ ny hazandrano Izy, ary rehefa nisaotra, dia namaky ka nanolotra azy ho an’ ny mpianatra, ary ny mpianatra kosa nanolotra ho an’ ny vahoaka. | And he took the seven loaves and the fishes, and gave thanks, and brake them, and gave to his disciples, and the disciples to the multitude. |
| 37 | Ary nihinana avokoa izy rehetra, ka dia voky; ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany, ka dia nahafeno sobiky fito. | And they did all eat, and were filled: and they took up of the broken meat that was left seven baskets full. |
| 38 | Ary izay nihinana dia efatra arivo lahy, afa-tsy ny zaza amim-behivavy. | And they that did eat were four thousand men, beside women and children. |
| 39 | Ary nony efa nampody ny vahoaka Izy, dia niondrana an-tsambokely ka nankany amin’ ny sisin-tanin’ i Magadana. | And he sent away the multitude, and took ship, and came into the coasts of Magdala. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL