마태복음 1장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 마태복음 (Matthew) · 25절
- 1 Ny filazana ny razan’ i Jesosy Kristy, zanak’ i Davida zanak’ i Abrahama.
- 2 Abrahama niteraka an’ i Isaka; ary Isaka niteraka an’ i Jakoba; ary Jakoba niteraka an’ i Joda mirahalahy avy;
- 3 ary Joda niteraka an’ i Fareza sy Zara tamin’ i Tamara; ary Fareza niteraka an’ i Hezrona; ary Hezrona niteraka an-dRama;
- 4 ary Rama niteraka an’ i Aminadaba; ary Aminadaba niteraka an’ i Nasona; ary Nasona niteraka an’ i Salmona;
- 5 ary Salmona niteraka an’ i Boaza tamin-dRahaba; ary Boaza niteraka an’ i Obeda tamin-dRota; ary Obeda niteraka an’ i Jese;
- 6 ary Jese niteraka an’ i Davida mpanjaka. Ary Davida niteraka an’ i Solomona tamin’ ny vadin’ i Oria;
- 7 ary Solomona niteraka an-dRehoboama; ary Rehoboama niteraka an’ i Abia; ary Abia niteraka an’ i Asa;
- 8 ary Asa niteraka an’ i Josafata; ary Josafata niteraka an’ i Jorama; ary Jorama niteraka an’ i Ozia;
- 9 ary Ozia niteraka an’ i Jotama; ary Jotama niteraka an’ i Ahaza; ary Ahaza niteraka an’ i Hezekia;
- 10 ary Hezekia niteraka an’ i Manase; ary Manase niteraka an’ i Amona; ary Amona niteraka an’ i Josia;
- 11 ary Josia niteraka an’ i Jekonia mirahalahy avy, tamin’ ny nifindrana tany Babylona.
- 12 Ary taorian’ ny nifindrana tany Babylona Jekonia dia niteraka an’ i Sealtiela; ary Sealtiela niteraka an’ i Zerobabela;
- 13 ary Zerobabela niteraka an’ i Abihoda; ary Abihoda niteraka an’ i Eliakima; ary Eliakima niteraka an’ i Azora;
- 14 ary Azora niteraka an’ i Zadoka; ary Zadoka niteraka an’ i Akima; ary Akima niteraka an’ i Elihoda;
- 15 ary Elihoda niteraka an’ i Eleazara; ary Eleazara niteraka an’ i Matana; ary Matana niteraka an i Jakoba;
- 16 ary Jakoba niteraka an’ i Josefa, vadin’ i Maria; ary Maria niteraka an’ i Jesosy, Izay atao hoe Kristy.
- 17 Ary ny taranaka rehetra hatramin’ i Abrahama ka hatramin’ i Davida dia taranaka efatra ambin’ ny folo; ary hatramin’ i Davida ka hatramin’ ny nifindrana tany Babylona dia taranaka efatra ambin’ ny folo; ary hatramin’ ny nifindrana tany Babylona ka hatramin’ i Kristy dia taranaka efatra ambin’ ny folo.
- 18 Ary ny nahaterahan’ i Jesosy Kristy dia toy izao: Rehefa nanaiky Maria, renin’ i Jesosy, ho fofombadin’ i Josefa, raha tsy mbola nivady izy, dia hita fa nitoe-jaza avy tamin’ ny Fanahy Masìna izy.
- 19 Ary Josefa vadiny, izay lehilahy marina sady tsy ta-hanala baraka azy, dia nikasa hametraka azy mangingina.
- 20 Fa raha mbola nisaina izany izy, indro, nisy anjelin’ ny Tompo niseho taminy tamin’ ny nofy ka nanao hoe: Ry Josefa, zanak’ i Davida, aza matahotra hampakatra an’ i Maria vadinao; fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin’ ny Fanahy Masìna,
- 21 ka hiteraka Zazalahy izy, ary ny anarany hataonao hoe Jesosy; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ ny fahotany.
- 22 Ary izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazain’ ny Tompo ny mpaminany hoe:
- 23 Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy; Ary ny anarany hataon’ ny olona hoe Imanoela, izany hoe, raha adika: Amintsika Andriamanitra.
- 24 Ary Josefa, rehefa nahatsiaro tamin’ ny torimasony, dia nanao araka izay nandidian’ ny anjelin’ ny Tompo ary ka nampakatra ny vadiny.
- 25 Ary tsy nahalala azy izy mandra-piterany Zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Jesosy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗