마가복음 13장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 마가복음 (Mark) · 37절
- 1 Ary nony niala teo an-kianjan’ ny tempoly Jesosy, dia hoy ny mpianany anankiray taminy: Mpampianatra ô, akory re ireto vato sy rafitra ireto!
- 2 Ary Jesosy nanao taminy hoe: Hitanao va ireto rafitra lehibe ireto? Tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana.
- 3 Ary raha nipetraka teo amin’ ny tendrombohitra Oliva tandrifin’ ny tempoly Izy, dia nanontany Azy mangingina Petera sy Jakoba sy Jaona ary Andrea hoe:
- 4 Lazao aminay: Rahoviana no hisy izany? ary inona no ho famantarana, rehefa ho tonga izany rehetra izany?
- 5 Ary Jesosy nilaza taminy hoe: Mitandrema, fandrao hisy hamitaka anareo.
- 6 Fa maro no ho avy amin’ ny anarako hanao hoe: Izaho no Izy, ka maro no ho voafitany.
- 7 Ary raha mandre ady sy filazana ady ianareo, dia aza matahotra; tsy maintsy hisy izany, nefa tsy mbola tonga ny farany.
- 8 Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy horohorontany any amin’ ny tany samy hafa, sady hisy mosary; izany no fiandohan’ ny fahoriana.
- 9 Fa mitandrema ianareo, fa hatolotra amin’ ny Synedriona sy hokapohina ao amin’ ny synagoga ary hitsangana eo anatrehan’ ny mpanapaka sy ny mpanjaka noho ny amiko ianareo ho vavolombelona aminy.
- 10 Ary ny firenena rehetra tsy maintsy hitoriana ny filazantsara aloha.
- 11 Koa raha mitondra anareo hatolotra izy, dia aza manahy rahateo izay holazainareo; fa izay teny homena anareo’ amin’ izany ora izany no holazainareo; fa tsy ianareo no hiteny, fa ny Fanahy Masìna.
- 12 Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny ho amin’ ny fahafatesana, ary ny ray hanolotra ny zanany; ary ny zanaka hitsangana hanohitra ny rainy aman-dreniny ka hahafaty azy.
- 13 Ary ho halan’ ny olona rehetra ianareo noho ny anarako: fa izay maharitra hatramin’ ny farany no hovonjena.
- 14 Fa raha hitanareo mitsangana amin’ izay tsy mety hitsanganany ny fahavetavetan’ ny fandravana (aoka hisaina izay mamaky izany), dia aoka handositra ho any an-tendrombohitra izay olona any Jodia.
- 15 Ary izay ao an-tampon-trano aoka tsy hidina na hiditra haka zavatra ao an-tranony.
- 16 Ary izay any an-tsaha aoka tsy hiverina haka ny lambany.
- 17 Ary lozan’ ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin’ izany andro izany!
- 18 Fa mivavaha ianareo mba tsy ho amin’ ny ririnina izany.
- 19 Fa amin’ izany andro izany dia hisy fahoriana izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nanaovan’ Andriamanitra izao tontolo izao ka mandraka izao ankehitriny izao, sady tsy hisy intsony.
- 20 Ary raha tsy nohafohezin’ ny Tompo izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy, izay nofidiny, dia nohafoheziny izany andro izany.
- 21 Ary amin’ izay raha tàhiny misy olona manao aminareo hoe: Indro, etỳ Kristy, na: Indro, erỳ; aza mino ianareo.
- 22 Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana, ka haneho famantarana sy fahagagana hamitahany na dia ny olom-boafidy aza, raha azo atao izany.
- 23 Fa mitandrema kosa ianareo; indro, efa voalazako taminareo raha-teo ny zavatra rehetra.
- 24 Fa amin’ izany andro izany, raha afaka izany fahoriana izany, ny masoandro hohamaizinina, ary ny volana tsy haneho fahazavana,
- 25 ary ny kintana hiraraka avy eny amin’ ny lanitra, ary hohozongozonina ny hery izay ao amin’ ny lanitra.
- 26 Ary amin’ izay ny Zanak’ olona dia ho hita avy eo amin’ ny rahona amin’ ny hery lehibe sy ny voninahitra.
- 27 Ary amin’ izay dia haniraka ny anjely Izy, ary hanangona ny olom-boafidiny avy amin’ ny vazan-tany efatra hatramin’ ny faran’ ny tany ka hatramin’ ny faran’ ny lanitra.
- 28 Ary mianara ny fanoharana ny amin’ ny aviavy: Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona.
- 29 Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky eo am-baravarana Izy.
- 30 Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mba ho lany ity taranaka ity mandra-pahatongan’ izany rehetra izany.
- 31 Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.
- 32 Fa ny amin’ izany andro na ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjely any an-danitra, ary na dia ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany.
- 33 Mitandrema, miambena, ka mivavaha; fa tsy fantatrareo izay hihavian’ ny fotoana.
- 34 Izany dia tahaka ny olona nandeha hivahiny, izay nandao ny tranony ka nanome fahefana ny mpanompony, ka samy notolorany ny raharahany avy, ary ny mpiandry varavarana dia nasainy niambina tsara;
- 35 Koa miambena ianareo, fa tsy fantatrareo izay andro hihavian’ ny tompon-trano, na ho hariva, na ho mamatonalina, na ho maneno akoho, na ho maraina,
- 36 fandrao avy tampoka izy ka mahita anareo matory.
- 37 Ary izay lazaiko aminareo dia lazaiko amin’ ny olona rehetra
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗