로마서 3장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 로마서 (Romans) · 31절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Koa inona ary no tombony ananan’ ny Jiosy, ary inona koa no soa avy amin’ ny famorana? | What advantage then hath the Jew? or what profit is there of circumcision? |
| 2 | Be ihany amin’ ny zavatra rehetra: voalohany, izy no notolorana ny tenin’ Andriamanitra ho adidiny. | Much every way: chiefly, because that unto them were committed the oracles of God. |
| 3 | Fa ahoana kosa ary? Raha tsy nino ny sasany, moa ny tsi-finoanay va hahafoana ny fahamarinan’ Andriamanitra? | For what if some did not believe? shall their unbelief make the faith of God without effect? |
| 4 | Sanatria izany! Aoka Andriamanitra no ho marina, fa ny olona rehetra kosa ho mpandainga; araka ny voasoratra hoe: Mba hohamarinina amin’ ny teninao Hianao, Ary hahery, rehefa manana ady. | God forbid: yea, let God be true, but every man a liar; as it is written, That thou mightest be justified in thy sayings, and mightest overcome when thou art judged. |
| 5 | Fa raha ny tsi-fahamarinantsika no mampiseho ny fahamarinan’ Andriamanitra, ahoana ary no holazaintsika? Tsy marina angaha Andriamanitra Izay mandatsaka ny fahatezerany! ― miteny araka ny fanaon’ ny olona aho ― | But if our unrighteousness commend the righteousness of God, what shall we say? Is God unrighteous who taketh vengeance? (I speak as a man) |
| 6 | Sanatria izany! Fa raha izany, hataon’ Andriamanitra ahoana no fitsara izao tontolo izao? | God forbid: for then how shall God judge the world? |
| 7 | Fa raha ny fahamarinan’ Andriamanitra kosa no nitombo tamin’ ny laingako ho voninahiny, nahoana aho no mbola tsaraina ho mpanota indray? | For if the truth of God hath more abounded through my lie unto his glory; why yet am I also judged as a sinner? |
| 8 | Ary nahoana no tsy hanao ratsy hihavian’ ny soa isika,― araka ny anendrikendrehana anay sy ny filazan’ ny sasany anay. Marina ny fanamelohana ireny. | And not rather, (as we be slanderously reported, and as some affirm that we say,) Let us do evil, that good may come? whose damnation is just. |
| 9 | Ahoana ary? Manan-kavaly va isika? Tsia tsy akory; fa efa voalazantsika rahateo ho mpanota avokoa na ny Jiosy na ny jentilisa; | What then? are we better than they? No, in no wise: for we have before proved both Jews and Gentiles, that they are all under sin; |
| 10 | araka ny voasoratra hoe: Tsy misy marina na dia iray akory aza; | As it is written, There is none righteous, no, not one: |
| 11 | Tsy misy izay mahafantatra, Tsy misy izay mitady an’ Andriamanitra. | There is none that understandeth, there is none that seeketh after God. |
| 12 | Samy nania avokoa izy rehetra, Samy tsy mahasoa avokoa izy rehetra; Tsy misy izay manao ny tsara na dia iray akory aza. | They are all gone out of the way, they are together become unprofitable; there is none that doeth good, no, not one. |
| 13 | Fasana misokatra ny tendany; Ny lelany no anaovany fitaka; Ny poizin’ ny menarana no ao ambanin’ ny molony; | Their throat is an open sepulchre; with their tongues they have used deceit; the poison of asps is under their lips: |
| 14 | Feno ozona sy fangidiana ny vavany; | Whose mouth is full of cursing and bitterness: |
| 15 | Ny tongony mimaona handatsa-drà; | Their feet are swift to shed blood: |
| 16 | Fandravana sy fandringanana no eo amin’ ny alehany; | Destruction and misery are in their ways: |
| 17 | Ary ny lalan’ ny fiadanana dia tsy fantany; | And the way of peace have they not known: |
| 18 | Tsy misy fahatahorana an’ Andriamanitra eo anoloan’ ny masony. | There is no fear of God before their eyes. |
| 19 | Ary fantatsika fa izay zavatra lazain’ ny lalàna dia lazainy amin’ izay manana ny lalàna, mba ho voatampina avokoa ny vava rehetra, ka hiharan’ ny fitsaran’ Andriamanitra izao tontolo izao, | Now we know that what things soever the law saith, it saith to them who are under the law: that every mouth may be stopped, and all the world may become guilty before God. |
| 20 | satria tsy misy nofo hohamarinina amin’ ny asan’ ny lalàna eo anatrehany; fa ny lalàna no ahazoana ny fahalalana marina ny amin’ ny ota. | Therefore by the deeds of the law there shall no flesh be justified in his sight: for by the law is the knowledge of sin. |
| 21 | Fa ankehitriny dia efa naharihary ny fahamarinana avy amin’ Andriamanitra, tsy amin’ ny lalàna anefa, fa ambaran’ ny lalàna sy ny mpaminany, | But now the righteousness of God without the law is manifested, being witnessed by the law and the prophets; |
| 22 | dia ny fahamarinana avy amin’ Andriamanitra amin’ ny finoana an’ i Jesosy Kristy ho an’ izay rehetra mino; fa tsy misy hafa, | Even the righteousness of God which is by faith of Jesus Christ unto all and upon all them that believe: for there is no difference: |
| 23 | fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’ Andriamanitra, | For all have sinned, and come short of the glory of God; |
| 24 | nefa hamarinina maimaimpoana amin’ ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin’ i Kristy Jesosy, | Being justified freely by his grace through the redemption that is in Christ Jesus: |
| 25 | Izay nasehon’ Andriamanitra tamin’ ny ràny ho fanavotana amin’ ny finoana, hanehoana ny fahamarinany amin’ ny tsy namalian’ Andriamanitra ny fahotana lasa tamin’ ny nandeferany, | Whom God hath set forth to be a propitiation through faith in his blood, to declare his righteousness for the remission of sins that are past, through the forbearance of God; |
| 26 | mba hanehoana ny fahamarinany ankehitriny, mba ho marina Izy sady hanamarina izay manana finoana an’ i Jesosy. | To declare, I say, at this time his righteousness: that he might be just, and the justifier of him which believeth in Jesus. |
| 27 | Aiza ary ny fireharehana? Efa foana izany. Amin’ ny lalàna manao ahoana? amin’ ny lalàn’ ny asa va? Tsia; fa amin’ ny lalàn’ ny finoana. | Where is boasting then? It is excluded. By what law? of works? Nay: but by the law of faith. |
| 28 | Koa amin’ izany dia ataontsika fa finoana no anamarinana ny olona, fa tsy ny asan’ ny lalàna. | Therefore we conclude that a man is justified by faith without the deeds of the law. |
| 29 | Andriamanitry ny Jiosy ihany va Izy? fa tsy mba an’ ny jentilisa koa? Eny, an’ ny jentilisa koa; | Is he the God of the Jews only? is he not also of the Gentiles? Yes, of the Gentiles also: |
| 30 | fa iray ihany Andriamanitra, Izay hanamarina ny voafora noho ny finoana, ary ny tsy voafora amin’ ny finoana. | Seeing it is one God, which shall justify the circumcision by faith, and uncircumcision through faith. |
| 31 | Koa mahafoana ny lalàna amin’ ny finoana va isika? Sanatria izany! fa mampiorina tsara ny lalàna isika. | Do we then make void the law through faith? God forbid: yea, we establish the law. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL