레위기 3장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 레위기 (Leviticus) · 17절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ary raha fanati-pihavanana no fanatiny, ka ombilahy na ombivavy no ateriny, dia izay tsy misy kilema no hateriny eo anatrehan’ i Jehovah. | And if his oblation be a sacrifice of peace offering, if he offer it of the herd; whether it be a male or female, he shall offer it without blemish before the Lord. |
| 2 | Ary hametraka ny tànany amin’ ny lohan’ ny fanatiny izy, dia hamono azy eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana; ary ireo mpisorona, zanak’ i Arona, hanopy ny rà manodidina amin’ ny lafin’ ny alitara. | And he shall lay his hand upon the head of his offering, and kill it at the door of the tabernacle of the congregation: and Aaron’s sons the priests shall sprinkle the blood upon the altar round about. |
| 3 | Dia hangalan’ ny mpisorona ny fanati-pihavanana, ka hateriny ho fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy | And he shall offer of the sacrifice of the peace offering an offering made by fire unto the Lord; the fat that covereth the inwards, and all the fat that is upon the inwards, |
| 4 | sy ny voany roa mbamin’ ny fonom-boany, izay eo amin’ ny takibany, ary ny ila-atiny lehibe; hataony indray manala amin’ ny voany no fanaisony izany. | And the two kidneys, and the fat that is on them, which is by the flanks, and the caul above the liver, with the kidneys, it shall he take away. |
| 5 | Ary ireo zanak’ i Arona dia handoro izany ho fofona eo ambonin’ ny alitara miaraka amin’ ny fanatitra dorana izay eo ambonin’ ny kitay eo amin’ ny afo; dia fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah izany. | And Aaron’s sons shall burn it on the altar upon the burnt sacrifice, which is upon the wood that is on the fire: it is an offering made by fire, of a sweet savour unto the Lord. |
| 6 | Ary raha ondry na osy no ateriny ho fanati-pihavanana ho an’ i Jehovah, dia izay tsy misy kilema, na lahy na vavy, no hateriny. | And if his offering for a sacrifice of peace offering unto the Lord be of the flock; male or female, he shall offer it without blemish. |
| 7 | Raha zanak’ ondry no hateriny ho fanatiny, dia hanatitra azy eo anatrehan’ i Jehovah izy. | If he offer a lamb for his offering, then shall he offer it before the Lord. |
| 8 | Ary hametraka ny tànany amin’ ny lohan’ ny fanatiny izy, dia hamono azy eo anoloan’ ny trano-lay fihaonana; ary ireo zanak’ i Arona hanopy ny rà manodidina amin’ ny lafin’ ny alitara. | And he shall lay his hand upon the head of his offering, and kill it before the tabernacle of the congregation: and Aaron’s sons shall sprinkle the blood thereof round about upon the altar. |
| 9 | Ary hangalan’ ireo ny fanati-pihavanana ka hateriny ho fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah, dia ny hofany manontolo (faranana hatreo amin’ ny faran’ ny taolan-damosina no fanaisony izany) sy ny saborany, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy | And he shall offer of the sacrifice of the peace offering an offering made by fire unto the Lord; the fat thereof, and the whole rump, it shall he take off hard by the backbone; and the fat that covereth the inwards, and all the fat that is upon the inwards, |
| 10 | ary ny voany roa mbamin’ ny fonom-boany, izay eo amin’ ny takibany, sy ny ila-atiny lehibe; hataony indray manala amin’ ny voany no fanaisony izany. | And the two kidneys, and the fat that is upon them, which is by the flanks, and the caul above the liver, with the kidneys, it shall he take away. |
| 11 | Ary ny mpisorona dia handoro izany ho fofona eo ambonin’ ny alitara; hanina avy amin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah izany. | And the priest shall burn it upon the altar: it is the food of the offering made by fire unto the Lord. |
| 12 | Ary raha osy no fanatiny, dia hanatitra azy eo anatrehan’ i Jehovah izy. | And if his offering be a goat, then he shall offer it before the Lord. |
| 13 | Ary hametraka ny tànany amin’ ny lohany izy, dia hamono azy eo anoloan’ ny trano-lay fihaonana; ary ireo zanak’ i Arona dia hanopy ny rà manodidina amin’ ny lafin’ ny alitara. | And he shall lay his hand upon the head of it, and kill it before the tabernacle of the congregation: and the sons of Aaron shall sprinkle the blood thereof upon the altar round about. |
| 14 | Ary avy aminy no hanaterany ny fanatiny atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy | And he shall offer thereof his offering, even an offering made by fire unto the Lord; the fat that covereth the inwards, and all the fat that is upon the inwards, |
| 15 | ary ny voany roa mbamin’ ny fonom-boany, izay eo amin’ ny takibany, sy ny ila-atiny lehibe; hataony indray manala amin’ ny voany no fanaisony izany. | And the two kidneys, and the fat that is upon them, which is by the flanks, and the caul above the liver, with the kidneys, it shall he take away. |
| 16 | Ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin’ ny alitara; hanina avy amin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana izany; an’ i Jehovah ny sabora rehetra. | And the priest shall burn them upon the altar: it is the food of the offering made by fire for a sweet savour: all the fat is the Lord’s. |
| 17 | Izao no ho lalàna mandrakizay amin’ ny taranakareo hatramin’ ny fara mandimby eny amin’ izay rehetra itoeranareo: tsy hihinana sabora na rà akory ianareo. | It shall be a perpetual statute for your generations throughout all your dwellings, that ye eat neither fat nor blood. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL