레위기 22장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 레위기 (Leviticus) · 33절
- 1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy, ka nanao hoe:
- 2 Mitenena amin’ i Arona sy ny zanany mba hitandremany ny amin’ ny tsy hanakekeny ny zava-masìna izay hamasinin’ ny Zanak’ Isiraely ho Ahy tsy hanamavoany ny anarako masìna: Izaho no Jehovah.
- 3 Lazao aminy hoe: Izay rehetra maloto amin’ ny zanakareo, hatramin’ ny taranakareo fara mandimby, nefa manakaiky ny zava-masìna izay hamasinin’ ny Zanak’ Isiraely ho an’ i Jehovah, dia hofongorana tsy ho eo anatrehako: Izaho no Jehovah.
- 4 Na iza na iza amin’ ny taranak’ i Arona no boka na marary mitsika dia tsy hihinana ny zava-masìna mandra-pahadiony. Ary izay rehetra mikasika izay maloto amim-paty, na izay lehilahy nialan’ ny azy,
- 5 na izay mikasika biby mandady na mikisaka izay mahaloto, na lehilahy izay mahaloto, na inona na inona no fahalotoany,
- 6 ny olona izay mikasika izany dia haloto mandra-paharivan’ ny andro ka tsy hihinana amin’ ny zava-masìna, raha tsy mandro amin’ ny rano.
- 7 Ary rehefa milentika ny masoandro, dia hadio izy, ka vao izay no mahazo mihinana amin’ ny zava-masìna, satria fihinany izany.
- 8 Izay maty ho azy, na izay noviravirain-biby, dia tsy hohaniny, mba tsy hahaloto azy: Izaho no Jehovah.
- 9 Ary aoka hitandrina izay nasaiko tandremana izy, fandrao ho meloka noho izany izy ka ho fatin’ ny nanamavoany azy: Izaho Jehovah no manamasìna azy.
- 10 Ary aza avela hisy olon-kafa hihinana zava-masìna; na izay mivahiny ao amin’ ny mpisorona, na izay mpikarama, dia samy tsy mahazo mihinana zava-masìna.
- 11 Fa raha misy olona novidin’ ny mpisorona, dia hahazo mihinana amin’ izany ihany izy; ary ny ompikeliny hahazo mihinana amin’ ny fihinan’ ny mpisorona koa.
- 12 Ary raha misy zanakavavin’ ny mpisorona manambady olon-kafa, dia tsy hihinana amin’ ny fanatitra avy amin’ ny zava-masìna izy.
- 13 Fa raha misy zanakavavin’ ny mpisorona maty vady, na efa nisaorana, ka tsy manan-janaka, ary mody any an-tranon-drainy izy toy ny fony izy mbola kely, dia mahazo mihinana ny fihinan-drainy ihany izy; fa aoka tsy hisy olon-kafa hihinana izany.
- 14 Ary raha misy olona mihinana tsy nahy amin’ ny zava-masìna, dia honerany ny zava-masìna ka homeny ny mpisorona sady hampiany ho tonga avy fahenina:
- 15 Ary aoka tsy hisy hametaveta ny zava-masin’ ny Zanak’ Isiraely, izay ateriny ho an’ i Jehovah,
- 16 na hahatonga ota aman-keloka noho ny nihinanany ny zava-masiny; fa Izaho Jehovah no manamasìna azy.
- 17 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
- 18 Mitenena amin’ i Arona sy ny zanany ary ny zanak’ Isiraely rehetra hoe: Na iza na iza amin’ ny taranak’ Isiraely, na amin’ ny vahiny eo amin’ ny Isiraely, no manatitra ny fanatiny ho fanatitra hanalany voady na ho fanati-tsitrapony, izay hateriny ho an’ i Jehovah ho fanatitra dorana,
- 19 dia lahy tsy misy kilema no hateriny, na omby izany, na zanak’ ondry, na osy, mba hankasitrahana anareo.
- 20 Izay rehetra misy kilema dia tsy haterinareo; fa tsy hankasitrahana anareo izany.
- 21 Ary raha misy manatitra fanati-pihavanana ho an’ i Jehovah, na ho fanatitra hanalany voady, na ho fanati-tsitrapo, na omby izany, na ondry, na osy, dia ny tsara izay tsy misy kilema na kely akory aza no hateriny mba hankasitrahana azy.
- 22 Fa ny jamba na ny misy tapaka, na ny kilemaina, na ny ferena, na ny boka, na ny kongonina, dia izany no tsy haterinareo ho an’ i Jehovah, na hataonareo fanatitra amin’ ny afo eo ambonin’ ny alitara ho an’ i Jehovah.
- 23 Na omby, na ondry, na osy, izay misy sampona, dia azonao haterina ho fanati-tsitrapo; fa raha atao fanatitra hanalam-boady, dia tsy hankasitrahana izy.
- 24 Izay voaporitra, na voatoro, na voaombotra, na voadidy ho afaka ny vihiny, dia tsy azonareo aterina ho an’ i Jehovah; ary aza manao izany eo amin’ ny taninareo.
- 25 Ary raha misy entin’ olona hafa firenena aza izany zavatra izany, dia tsy azonareo haterina ho hanin’ Andriamanitrareo, satria efa simba izy ka misy kilema; tsy mba hankasitrahana anareo izany.
- 26 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
- 27 Raha misy omby, na ondry, na osy, vao teraka, dia hitoetra amin-dreniny hafitoana izy; fa rehefa hatramin’ ny andro fahavalo no ho miakatra, dia hankasitrahana izy, raha atao fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah.
- 28 Ary ny ombivavy, na ny ondrivavy, na ny osivavy, dia tsy hovonoinareo indray andro izy sy ny zanany.
- 29 Ary raha mamono zavatra hatao fanati-pisaorana ho an’ i Jehovah ianareo, dia amin’ izay hankasitrahana anareo no hamonoanareo azy.
- 30 Amin’ izany andro izany ihany no hihinanana azy, fa aza amelana ho tra-maraina: Izaho no Jehovah
- 31 Ary tandremo ny didiko, ka araho izany: Izaho no Jehovah.
- 32 Ary aza manamavo ny anarako masìna; fa hohamasinina eo amin’ ny Zanak’ Isiraely Aho: Izaho Jehovah,
- 33 Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta mba ho Andriamanitrareo, no manamasìna anareo; Izaho no Jehovah.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗