레위기 20장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 레위기 (Leviticus) · 27절
- 1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
- 2 Lazao amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Na iza na iza amin’ ny Zanak’ Isiraely, na amin’ ny vahiny eo aminy, no manolotra ny zanany ho an’ i Moloka, dia hatao maty tokoa: ny vahoaka no hitora-bato azy.
- 3 Ary ny Tavako hanandrina izany olona izany, ka hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny izy, satria nisy natolony ho an’ i Moloka ny zanany, handotoany ny fitoerako masìna sy hanamavoany ny anarako masìna.
- 4 Ary raha mody tsy mahita izany olona izany ny vahoaka mba tsy hahafaty azy, raha anolorany ho an’ i Moloka ny zanany,
- 5 dia hanandrina izany olona izany sy ny ankohonany ny Tavako, ka haringako tsy ho amin’ ny fireneny izy mbamin’ izay rehetra mijangajanga manaraka azy hijangajanga amin’ i Moloka.
- 6 Ary ny olona izay mivily hanaraka izay manao azy ho tsindrian-javatra na izay mpanao hatsarana, hijangajanga hanaraka azy, dia hanandrina izany olona izany ny Tavako, ka hofongorako tsy ho amin’ ny fireneny izy.
- 7 Dia manamasìna ny tenanareo ianareo, ka aoka ho masìna ianareo; fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
- 8 Ary tandremo ny didiko, ka araho izany: Izaho no Jehovah, Izay manamasìna anareo.
- 9 Fa na iza na iza no manozona ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa: efa nanozona ny rainy na ny reniny izy; ny ràny dia ho aminy ihany.
- 10 Ary ny lehilahy mijangajanga amin’ ny vadin’ olona, dia izay mijangajanga amin’ ny vadin’ ny namany, hatao maty tokoa, na ny mila, na ny ilainy.
- 11 Ary ny olona izay mandry amin’ ny vadin-drainy dia efa nandry tamin’ izay nandrian-drainy; hatao maty tokoa izy roroa; ny ràny dia ho aminy ihany.
- 12 Ary raha misy lehilahy mandry amin’ ny vinantovaviny, dia hatao maty tokoa izy roroa; efa nanao zavatra izay fady indrindra izy; ny ràny dia ho aminy ihany.
- 13 Ary raha misy lehilahy mandry amin’ ny lehilahy, tahaka ny fandry amin’ ny vehivavy, dia efa nanao fahavetavetana izy roa lahy; hatao maty tokoa izy; ny ràny dia ho aminy ihany.
- 14 Ary raha misy lehilahy nampirafy vehivavy mianaka, dia fahavetavetana izany; hodorana amin’ ny afo izy telo, mba tsy hisy fahavetavetana eo aminareo.
- 15 Ary raha misy lehilahy mandry amin’ ny biby, dia hatao maty tokoa izy; ary ilay biby dia hovonoinareo koa.
- 16 Ary raha misy vehivavy manatona handry amin’ ny biby, dia, hovonoina izy sy ny biby; hatao maty tokoa izy roroa; ny ràny dia ho aminy ihany.
- 17 Ary raha misy lehilahy manambady ny anabaviny, na zanakavavin’ ny rainy, na zanakavavin’ ny reniny, ka mahita ny fitanjahany, ary ravehivavy mahita ny fitanjahany kosa, dia zava-dratsy izany, ka hofongorana eo imason’ ny fireneny izy roroa; fa nandry tamin’ ny anabaviny ralehilahy ka meloka.
- 18 Ary raha misy lehilahy mandry amin’ ny vehivavy izay mararin’ ny fadim-bolany, dia nampisokatra ny fandehanan’ ny ràny izy, ary ravehivavy koa nanokatra ny fandehanan’ ny ràny, dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny izy roroa.
- 19 Ary aza mandry amin’ ny rahavavin-dreninao, na amin’ ny anabavin-drainao; fa mandry amin’ ny havany akaiky izay manao izany ka ho meloka.
- 20 Ary raha misy lehilahy mandry amin’ ny vadin’ ny rahalahin-drainy, dia efa nandry tamin’ izay nandrian’ ny rahalahin-drainy izy ho meloka izy roroa ka ho faty momba.
- 21 Ary raha misy lehilahy maka ny vadin-drahalahiny, dia fahalotoana izany; nandry tamin’ izay nandrian’ ny rahalahiny izy, ka ho momba izy roroa.
- 22 Ary tandremo ny didiko rehetra sy ny fitsipiko rehetra, ka araho izy, mba tsy handoa anareo ny tany izay itondrako anareo honenana.
- 23 Ary aza manaraka ny fanaon’ ny firenena izay efa horoahiko eo anoloanareo; fa nanao izany rehetra izany izy, ka dia halako.
- 24 Fa efa nolazaiko taminareo hoe: Hianareo handova ny taniny, fa Izaho no hanome azy ho lovanareo, dia tany tondra-dronono sy tantely: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nanavaka anareo tamin’ ny firenena samy hafa.
- 25 Ary avaho ny biby madio sy ny maloto, ary ny vorona maloto sy ny madio; ary aza mametaveta ny fanahinareo amin’ ny biby, na amin’ ny vorona, na amin’ izay rehetra mandady na mikisaka amin’ ny tany, izay navahako ka nolazaiko taminareo fa maloto.
- 26 Ary aoka ho masìna ho Ahy ianareo, satria masìna Aho Jehovah; ary efa navahako tamin’ ny firenena samy hafa ianareo mba ho Ahy.
- 27 Ary na lehilahy na vehivavy izay manao azy ho tsindrian-javatra na izay mpanao hatsarana dia hatao maty tokoa: hitora-bato azy ny olona; ny ràny dia ho aminy ihany.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗