로그인

레위기 2장 Baiboly Malagasy (1865)

Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 레위기 (Leviticus) · 16절

  1. 1 Ary raha misy manatitra fanatitra hohanina ho an’ i Jehovah, dia koba tsara toto no hataony fanatiny; ary hanidina diloilo aminy izy sy hanisy ditin-kazo mani-pofona eo amboniny.
  2. 2 Ary hitondra azy ho amin’ ireo mpisorona, zanak’ i Arona, izy, dia handraofan’ ireo eran-tànan-ila ny kobany sy ny diloilony mbamin’ ny ditin-kazo manipofona rehetra; ary hodoran’ ny mpisorona ho fofona eo ambonin’ ny alitara izany fanati-pahatsiarovana avy aminy izany; dia fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah izany.
  3. 3 Ary ny sisa amin’ ny fanatitra hohanina dia ho an’ i Arona sy ny zanany; ho masìna dia masìna avy amin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah izany.
  4. 4 Ary raha manatitra fanatitra hohanina voaendy amin’ ny fanendasa-mofo ianao, dia aoka ho mofo tsy misy masirasira atao amin’ ny koba tsara toto sady voaharo diloilo sy mofo manify tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo.
  5. 5 Ary raha fanatitra hohanina voaendy amin’ ny lapoely no fanatitrao, dia aoka ho koba tsara toto voaharo diloilo sady tsy misy masirasira.
  6. 6 Hovakivakinao izy ary hanidinanao diloilo; dia fanatitra hohanina izany.
  7. 7 Ary raha fanatitra hohanina voahandro amin’ ny vilany no fanatitrao, dia koba tsara toto asian-diloilo no hatao.
  8. 8 Ary ho entinao ho an’ i Jehovah ny fanatitra hohanina izay atao amin’ ireo zavatra ireo; ary rehefa voatitra eo amin’ ny mpisorona izany, dia ho entiny eo amin’ ny alitara.
  9. 9 Ary ny mpisorona haka ny fanati-pahatsiarovana avy amin’ ny fanatitra hohanina ka handoro azy ho fofona eo ambonin’ ny alitara; dia fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah izany.
  10. 10 Ary ny sisa amin’ ny fanatitra hohanina dia ho an’ i Arona sy ny zanany; ho masìna dia masìna avy amin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah izany.
  11. 11 Ny fanatitra hohanina rehetra, izay aterinareo ho an’ i Jehovah, dia aza asiana zava-maharikivy; fa ny masirasira sy ny tantely dia samy tsy hangalanareo hodorana ho fofona ho fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah;
  12. 12 fa ho fanatitra voaloham-bokatra ihany no hahazoanareo manatitra ireo ho an’ i Jehovah; kanefa tsy hakarina eo ambonin’ ny alitara ho hanitra ankasitrahana izany.
  13. 13 Ary samy asio sira ny fanatitra hohaninao rehetra; ary ny siran’ ny faneken’ Andriamanitrao dia aza atsahatra amin’ ny fanatitra hohaninao; fa manatera sira miaraka amin’ ny fanatitrao rehetra.
  14. 14 Ary raha manatitra fanatitra hohanina ho an’ i Jehovah avy amin’ ny voaloham-bokatra ianao, dia salohim-bary voaendy amin’ ny afo, dia lango avy amin’ ny salohy maitso, no haterinao ho fanatitra hohanina avy amin’ ny voaloham-bokatrao.
  15. 15 Ary hasianao diloilo izy, sady hasianao ditin-kazo mani-pofona eo amboniny; dia fanatitra hohanina izany.
  16. 16 Ary hodoran’ ny mpisorona ho fofona ny fanati-pahatsiarovana avy amin’ ny langony sy avy amin’ ny diloilony ary ny ditin-kazo mani-pofona rehetra; dia fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah izany.

Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗