레위기 19장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 레위기 (Leviticus) · 37절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe: | And the Lord spake unto Moses, saying, |
| 2 | Mitenena amin’ ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, hoe: Aoka ho masìna ianareo, satria masìna Aho, Jehovah Andriamanitrareo. | Speak unto all the congregation of the children of Israel, and say unto them, Ye shall be holy: for I the Lord your God am holy. |
| 3 | Samia matahotra ny reninareo sy ny rainareo, ary tandremo ny Sabatako: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. | Ye shall fear every man his mother, and his father, and keep my sabbaths: I am the Lord your God. |
| 4 | Aza mivily hanaraka ny andriamani-tsi-izy, ary aza manao andriamanitra an-idina ho anareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. | Turn ye not unto idols, nor make to yourselves molten gods: I am the Lord your God. |
| 5 | Ary raha mamono zavatra hatao fanati-pihavanana ho an’ i Jehovah ianareo, dia ataovy amin’ izay hankasitrahana anareo izany. | And if ye offer a sacrifice of peace offerings unto the Lord, ye shall offer it at your own will. |
| 6 | Amin’ izay andro amonoanareo zavatra hatao fanatitra sy amin’ ny ampitson’ ny no hihinananareo azy; fa raha mbola misy sisa tratry ny andro fahatelo, dia hodorana amin’ ny afo izany. | It shall be eaten the same day ye offer it, and on the morrow: and if ought remain until the third day, it shall be burnt in the fire. |
| 7 | Ary raha hanina amin’ ny andro fahatelo izany, dia ho fahavetavetana ka tsy hankasitrahana; | And if it be eaten at all on the third day, it is abominable; it shall not be accepted. |
| 8 | fa izay mihinana izany dia ho meloka, satria nanamavo ny zava-masin’ i Jehovah izy, ka dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny izany olona izany. | Therefore every one that eateth it shall bear his iniquity, because he hath profaned the hallowed thing of the Lord: and that soul shall be cut off from among his people. |
| 9 | Ary raha mijinja ny vokatry ny tanimbarinareo ianareo, dia aza jinjana avokoa ny eny an-tsisiny; ary aza tsimponina izay latsaka avy amin’ ny vokatrao. | And when ye reap the harvest of your land, thou shalt not wholly reap the corners of thy field, neither shalt thou gather the gleanings of thy harvest. |
| 10 | Ary aza otazana avokoa ny eo amin’ ny sahanao, ary aza tsimponina izay latsaka eo amin’ ny sahanao; fa avelao ho an’ ny malahelo sy ny vahiny izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. | And thou shalt not glean thy vineyard, neither shalt thou gather every grape of thy vineyard; thou shalt leave them for the poor and stranger: I am the Lord your God. |
| 11 | Aza mangalatra, aza mamitaka, aza mifandainga. | Ye shall not steal, neither deal falsely, neither lie one to another. |
| 12 | Aza mianian-tsy tò amin’ ny anarako, na manamavo ny anaran’ Andriamanitrao: Izaho no Jehovah. | And ye shall not swear by my name falsely, neither shalt thou profane the name of thy God: I am the Lord. |
| 13 | Aza manao an-keriny amin’ ny zavatry ny namanao na mampahory azy; ny karaman’ izay nokaramainao aoka tsy hitoetra ao aminao miloaka alina. | Thou shalt not defraud thy neighbour, neither rob him: the wages of him that is hired shall not abide with thee all night until the morning. |
| 14 | Aza miteny ratsy ny marenina na manisy zavatra mahatafintohina eo anoloan’ ny jamba; fa matahora an’ Andriamanitrao: Izaho no Jehovah. | Thou shalt not curse the deaf, nor put a stumblingblock before the blind, but shalt fear thy God: I am the Lord. |
| 15 | Aza manao izay tsy marina amin’ ny fitsarana; aza miandany foana amin’ ny malahelo, na mena-maso ny lehibe; fahamarinana no hitsaranao ny namanao. | Ye shall do no unrighteousness in judgment: thou shalt not respect the person of the poor, nor honour the person of the mighty: but in righteousness shalt thou judge thy neighbour. |
| 16 | Aza mandehandeha manaratsy eo amin’ ny firenenao; aza mitsangana handatsaka ny ran’ ny namanao: Izaho no Jehovah. | Thou shalt not go up and down as a talebearer among thy people: neither shalt thou stand against the blood of thy neighbour: I am the Lord. |
| 17 | Aza mankahala ny rahalahinao amin’ ny fonao; mananara dia mananara ny namanao, mba tsy hahazoanao heloka noho ny aminy. | Thou shalt not hate thy brother in thine heart: thou shalt in any wise rebuke thy neighbour, and not suffer sin upon him. |
| 18 | Aza mamaly ratsy na manao lolompo amin’ izay iray firenena aminao: fa tiava ny namanao tahaka ny tenanao: Izaho no Jehovah. | Thou shalt not avenge, nor bear any grudge against the children of thy people, but thou shalt love thy neighbour as thyself: I am the Lord. |
| 19 | Tandremo ny didiko: Aza avela hilomy amin’ ny hafa karazana noho izy ny biby fiompinao; aza fafazanao voan-javatra roa karazana mifangaroharo ny taninao; ary aza mitafy lamba natao amin’ ny zavatra roa samy hafa karazana mifamahofaho. | Ye shall keep my statutes. Thou shalt not let thy cattle gender with a diverse kind: thou shalt not sow thy field with mingled seed: neither shall a garment mingled of linen and woollen come upon thee. |
| 20 | Ary raha misy mandry amin’ ny andevovavy izay voafofon’ olona ho vadiny, ka tsy voavotra na voavotsotra ho olom-potsy ravehivavy, dia hofaizana izy roroa, fa tsy hatao maty, satria tsy olompotsy ravehivavy. | And whosoever lieth carnally with a woman, that is a bondmaid, betrothed to an husband, and not at all redeemed, nor freedom given her; she shall be scourged; they shall not be put to death, because she was not free. |
| 21 | Ary ho entin-dralehilahy ny fanati-panonerany ho an’ i Jehovah ho eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana, dia ondrilahy iray hatao fanati-panonerana; | And he shall bring his trespass offering unto the Lord, unto the door of the tabernacle of the congregation, even a ram for a trespass offering. |
| 22 | ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy amin’ ilay ondrilahy hatao fanati-panonerana, eo anatrehan’ i Jehovah, noho ny fahotana izay nataony; dia havela izany fahotany izany. | And the priest shall make an atonement for him with the ram of the trespass offering before the Lord for his sin which he hath done: and the sin which he hath done shall be forgiven him. |
| 23 | Ary raha tonga any amin’ ny tany ianareo ka mamboly hazo fihinam-boa, dia hataonareo ho toy ny tsy voafora ny voany; telo taona no hataonareo ho toy ny tsy voafora izy ka tsy hohanina; | And when ye shall come into the land, and shall have planted all manner of trees for food, then ye shall count the fruit thereof as uncircumcised: three years shall it be as uncircumcised unto you: it shall not be eaten of. |
| 24 | ary amin’ ny taona fahefatra dia ho masìna ny voany rehetra ka hatao fanatitra hiderana an’ i Jehovah; | But in the fourth year all the fruit thereof shall be holy to praise the Lord withal. |
| 25 | fa amin’ ny taona fahadimy vao hihinana ny voany ianareo, mba hitomboan’ ny fahavokarany ho anareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. | And in the fifth year shall ye eat of the fruit thereof, that it may yield unto you the increase thereof: I am the Lord your God. |
| 26 | Aza homana zavatra misy rà; aza manao sikidy na manandro. | Ye shall not eat any thing with the blood: neither shall ye use enchantment, nor observe times. |
| 27 | Aza manety ny sisim-bolon-dohanareo, ary aza manaratra ny vaokanao. | Ye shall not round the corners of your heads, neither shalt thou mar the corners of thy beard. |
| 28 | Ary aza mitetika ny tenanareo noho ny maty, na manao tombo-kavatsa amin’ ny tenanareo: Izaho no Jehovah. | Ye shall not make any cuttings in your flesh for the dead, nor print any marks upon you: I am the Lord. |
| 29 | Aza mampijangajanga ny zanakao-vavy hampahaloto azy, fandrao hijangajanga ny tany ka ho feno fahavetavetana. | Do not prostitute thy daughter, to cause her to be a whore; lest the land fall to whoredom, and the land become full of wickedness. |
| 30 | Tandremo ny Sabatako, ary hajao ny fitoerako masìna: Izaho no Jehovah. | Ye shall keep my sabbaths, and reverence my sanctuary: I am the Lord. |
| 31 | Aza mivily hanaraka izay manao azy ho tsindrian-javatra, na mitady saina amin’ ny mpanao hatsarana, hahaloto anareo aminy: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. | Regard not them that have familiar spirits, neither seek after wizards, to be defiled by them: I am the Lord your God. |
| 32 | Mitsangàna raha eo anatrehan’ ny fotsy volo ianao, ka manajà ny tavan’ ny anti-panahy, ary matahora an’ Andriamanitrao: Izaho no Jehovah. | Thou shalt rise up before the hoary head, and honour the face of the old man, and fear thy God: I am the Lord. |
| 33 | Ary raha misy mivahiny aminao eo amin’ ny taninareo, aza manao sarotra aminy. | And if a stranger sojourn with thee in your land, ye shall not vex him. |
| 34 | Ny vahiny eo aminareo dia hataonareo tahaka ny tompon-tany aminareo ihany ka ho tianao tahaka ny tenanano; fa efa mba vahiny tany amin’ ny tany Egypta ianareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. | But the stranger that dwelleth with you shall be unto you as one born among you, and thou shalt love him as thyself; for ye were strangers in the land of Egypt: I am the Lord your God. |
| 35 | Aza manao izay tsy marina amin’ ny fitsarana, na amin’ ny fandrefesana, na amin’ ny fandanjana, na amin’ ny famarana. | Ye shall do no unrighteousness in judgment, in meteyard, in weight, or in measure. |
| 36 | Mizana marina, vato marina, efaha marina, hina marina, no hotananareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta. | Just balances, just weights, a just ephah, and a just hin, shall ye have: I am the Lord your God, which brought you out of the land of Egypt. |
| 37 | Ary tandremo ny didiko rehetra sy ny fitsipiko rehetra, ka araho izany: Izaho no Jehovah. | Therefore shall ye observe all my statutes, and all my judgments, and do them: I am the Lord. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL