레위기 15장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 레위기 (Leviticus) · 33절
- 1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
- 2 Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Ny lehilahy rehetra izay marary mitsika dia haloto noho ny fitsihany.
- 3 Ary izao no ho fahalotoany, raha marary mitsika izy: na mandeha ny fitsihany, na tsy mandeha, dia samy fahalotoana ihany izany.
- 4 Maloto ny fandriana rehetra izay andrian’ ny marary mitsika; ary maloto ny zavatra rehetra izay ipetrahany.
- 5 Ary izay rehetra mikasika ny fandriany, dia hanasa fitafiana sy handro amin’ ny rano ary haloto mandra-paharivan’ ny andro.
- 6 Ary izay mipetraka amin’ ny zavatra izay efa nipetrahan’ ny marary mitsika dia hanasa fitafiana sy handro amin’ ny rano ary haloto mandra-paharivan’ ny andro.
- 7 Ary izay mikasika ny tenan’ ny marary mitsika dia hanasa fitafiana sy handro amin’ ny rano ary haloto mandra-paharivan’ ny andro.
- 8 Ary raha misy olona madio voaroran’ ny marary mitsika, dia hanasa fitafiana izy sy handro amin’ ny rano ary haloto mandra-paharivan’ ny andro
- 9 Ary haloto ny lasely rehetra izay itaingenan’ ny marary mitsika.
- 10 Ary izay rehetra mikasika izay zavatra teo ambaniny dia haloto mandra-paharivan’ ny andro; ary izay mitondra izany zavatra izany dia hanasa fitafiana sy handro amin’ ny rano ary haloto mandra-paharivan’ ny andro.
- 11 Ary izay rehetra voakasiky ny marary mitsika, kanefa ilay marary tsy mbola nanasa ny tànany tamin’ ny rano, dia hanasa fitafiana sy handro amin’ ny rano ary haloto mandra-paharivan’ ny andro.
- 12 Ary hovakivakina ny vilany tany izay voakasiky ny marary mitsika; ary hosasana amin’ ny rano kosa ny fanaka hazo rehetra.
- 13 Ary raha sitrana amin’ ny fitsihany ny marary mitsika, dia hiandry hafitoana ny amin’ ny fanadiovana azy izy; ary hanasa fitafiana sy handro amin’ ny rano mandeha izy, dia hadio.
- 14 Ary amin’ ny andro fahavalo dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa izy ka hankeo anatrehan’ i Jehovah, eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana, dia hanolotra ireo ho amin’ ny mpisorona izy.
- 15 Dia haterin’ ny mpisorona ireo, ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra odorana; dia hanao fanavotana ho azy eo anatrehan’ i Jehovah ny mpisorona noho ny fitsihany.
- 16 Ary raha miala amin’ ny lehilahy ny azy, dia hanasa ny tenany rehetra amin’ ny rano izy ary haloto mandra-paharivan’ ny andro;
- 17 ary hosasana amin’ ny rano ny fitafiany rehetra sy ny hoditra rehetra, izay nilatsahan’ ny azy; dia haloto mandra-paharivan’ ny andro izany.
- 18 Ny vehivavy izay andrian-dehilahy koa, dia samy handro amin’ ny rano izy roroa ary haloto mandra-paharivan’ ny andro.
- 19 Ary raha misy vehivavy mararin’ ny fadim-bolany, dia haloto hafitoana izy; ary izay rehetra mikasika azy dia haloto mandra-paharivan’ ny andro.
- 20 Ary ny zavatra rehetra izay andriany amin’ ny andro fahalotoany dia haloto koa; ary ny zavatra rehetra izay ipetrahany dia haloto koa.
- 21 Ary izay rehetra mikasika ny fandriany dia hanasa fitafiana sy handro amin’ ny rano ary haloto mandra-paharivan’ ny andro.
- 22 Ary izay rehetra mikasika ny zavatra izay efa nipetrahany dia hanasa fitafiana sy handro amin’ ny rano ary haloto mandra-paharivan’ ny andro.
- 23 Ary raha ao amin’ ny fandriana izany, na ao amin’ ny zavatra izay efa nipetrahany, raha nikasika izany izy, dia haloto mandra-paharivan’ ny andro.
- 24 Ary raha misy lehilahy mandry amin-dravehivavy, ary mankeo aminy ny fadim-bolany, dia haloto hafitoana izy, ary izay rehetra andriany dia haloto koa.
- 25 Ary raha misy vehivavy marary mitsi-drà ela, na dia tsy amin’ ny andro fahalotoany amin’ ny fadim-bolany aza, na raha misy mararin’ ny fadim-bolana ka mandeha mihoatra noho ny fihaviny, dia haloto izy amin’ ny andron’ ny faharariany rehetra, tahaka ny amin’ ny andro fahalotoany ihany.
- 26 Ny fandriana rehetra andriany amin’ ny andron’ ny fahalotoany rehetra dia hataony tahaka ny fandriana nandriany tamin’ ny andro fahalotoany; ary izay rehetra ipetrahany dia haloto koa tahaka ny fahalotoany amin’ ny fadim-bolany.
- 27 Ary izay rehetra mikasika izany zavatra izany dia haloto; ary hanasa fitafiana sy handro amin’ ny rano izy ary haloto mandra-paharivan’ ny andro.
- 28 Fa raha sitrana amin’ ny faharariany ravehivavy, dia hiandry hafitoana izy, ary rehefa afaka izany, dia hadio izy.
- 29 Ary amin’ ny andro fahavalo dia haka domohina roa na zana-boromailala roa ho azy izy ka hitondra ireo ho eo amin’ ny mpisorona, eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana.
- 30 Dia haterin’ ny mpisorona ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota ary ny anankiray hatao fanatitra odorana; dia hanao fanavotana ho an-dravehivavy eo anatrehan’ i Jehovah ny mpisorona noho ny faharariany izay nahaloto azy.
- 31 Dia hampisarahinareo amin’ ny fahalotoany ny Zanak’ Isiraely, tsy handotoany ny tabernakeliko izay eo aminy, ka tsy hahafaty azy ny fahalotoany.
- 32 Izany no lalàna ny amin’ ny marary mitsika, sy ny amin’ izay ialan’ ny azy, ka mahaloto azy izany,
- 33 ary ny amin’ ny mararin’ ny fadim-bolany, ary ny amin’ ny marary mitsika, na lehilahy na vehivavy, ary ny amin’ izay mandry amin’ ny vehivavy maloto.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗