레위기 12장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 레위기 (Leviticus) · 8절
- 1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
- 2 Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha misy vehivavy manan’ anaka ka tera-dahy, dia haloto hafitoana izy; tahaka ny andro fahalotoany raha mararin’ ny fadim-bolany no hahalotoany.
- 3 Ary amin’ ny andro fahavalo dia hoforana ny zaza.
- 4 Ary telo amby telo-polo andro no hitoeran-dravehivavy amin’ ny ràny izay mahadio azy; tsy hanendry zava-masìna izy, na hiditra ao amin’ ny fitoerana masìna, mandra-pahatapitry ny andro fidiovany.
- 5 Fa raha tera-bavy kosa izy, dia haloto tapa-bolana, tahaka ny tamin’ ny fahalotoany ihany koa; ary enina amby enim-polo andro no hitoerany hidiovany amin’ ny ràny izay mahadio azy.
- 6 Ary raha tapitra ny andro fidiovany ny amin’ ny zanany, na lahy na vavy, dia zanak’ ondry izay iray taona no halainy ho fanatitra dorana sy zana-boromailala, na domohina, ho fanatitra noho ny ota, ka ho entiny eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana ho eo amin’ ny mpisorona ireo.
- 7 Ary izy hanatitra izany eo anatrehan’ i Jehovah ka hanao fanavotana ho an-dravehivavy, dia hadio tamin’ ny fandehanan’ ny ràny izy. Izany no lalàna ny amin’ ny vehivavy tera-dahy na tera-bavy.
- 8 Ary raha tsy tratry ny ananany ny zanak’ ondry, dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa izy, ny anankiray hatao fanatitra dorana, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra noho ny ota; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho an-dravehivavy, dia hadio izy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗