느헤미야 10장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 느헤미야 (Nehemiah) · 40절
- 1 Ary noho izany rehetra izany dia manao fanekena mafy izahay, ka soratanay izany ary manisy tombo-kase eo aminy ny mpanapaka anay sy ny Levitanay ary ny mpisoronay.
- 2 Ary ny nanisy tombo-kase dia Nehemia governora, zanak’ i Hakalia, sy Zedekia,
- 3 ary Seraia, Azaria, Jeremia,
- 4 Pasora, Amaria, Malkia,
- 5 Hatosy, Sebania, Maloka,
- 6 Harima, Meremota, Obadia,
- 7 Daniela, Ginetona, Baroka,
- 8 Mesolama, Abia, Miamina,
- 9 Mazia, Bilgay, Semaia; samy mpisorona ireo.
- 10 Ary ny Levita kosa dia Jesoa, zanak’ i Azania, Binoy isan’ ny zanak’ i Henadada, ary Kadmiela;
- 11 ary ny rahalahin’ ireo dia Sebania, Hodia, Kelita, Pelaia, Hanana,
- 12 Mika, Rehoba, Hasabia,
- 13 Zakora, Serebia, Sebania,
- 14 Hodia, Bany Benino.
- 15 Ary ny loholona kosa dia Parosy, Pahata-moaba, Elama, Zato, Bany,
- 16 Bony, Azgada, Bebay,
- 17 Adonia, Bigvay, Adina,
- 18 Atera, Hezekia, Azora,
- 19 Hodia, Hasoma, Bezay,
- 20 Harifa, Anatota, Nebay,
- 21 Magpiasy, Mesolama, Hezira,
- 22 Mesezabela, Zadoka, Jadoa,
- 23 Pelatia, Hanana, Anaia,
- 24 Hosea, Hanania, Hasoba,
- 25 Halohesy, Pila, Sobeka,
- 26 Rehoma, Hasabna, Mahaseia,
- 27 Ahia, Hanana, Anana,
- 28 Maloka, Harima, Bana.
- 29 Ary ny olona sisa, dia ny mpisorona sy ny Levita sy ny mpiandry varavarana sy ny mpihira sy ny Netinima, ary izay rehetra efa niavaka tamin’ ny tompon-tany hanaraka ny lalàn’ Andriamanitra mbamin’ ny vadin’ ireo sy ny zananilahy ary ny zananivavy, izay rehetra efa nahahaino,
- 30 dia samy nikambana tsara tamin’ ny andriandahy rahalahiny ka niozona sy nianiana hanaraka ny lalan’ Andriamanitra, izay nampilazaina an’ i Mosesy, mpanompon’ Andriamanitra, ary hitandrina sy hankatò ny didy rehetra izay nataon’ i Jehovah Tompontsika mbamin’ ny fitsipika sy ny lalàny;
- 31 ary tsy hanome ny zananivavy ho vadin’ ny tompon-tany, na haka ny zananivavy ho vadin’ ny zanakai-lahy;
- 32 tsy hividy zavatra amin’ ny andro Sabata, na amin’ izay andro masìna, raha misy entana na vary entin’ ny tompon-tany hamidy amin’ ny andro Sabata, ary tsy hamboly zavatra amin’ ny taona fahafito sady hamoy izay trosa rehetra.
- 33 Ary nanao lalàna ho anay koa izahay handoa ny ampahatelon-tsekely isan-taona hanaovana ny fanompoana momba ny tranon’ Andriamanitsika:
- 34 dia ho amin’ ny mofo aseho sy ny fanatitra hohanina mandrakariva sy ny fanatitra dorana mandrakariva, ary ho amin’ ny Sabata sy ny voaloham-bolana sy ny fotoam-pivavahana, ary ho amin’ ny zava-masìna sy ny fanatitra noho ny ota hanaovana fanavotana ho an’ ny Isiraely, dia hanaovana ny raharaha rehetra momba ny tranon’ Andriamanitsika.
- 35 Ary nanao filokana izahay ny amin’ ny hanateran’ ny mpisorona sy ny Levita sy ny olona ny kitay hazo, hitondranay azy ho ao an-tranon’ Andriamanitra araka ny fianakavianay avy amin’ ny fotoan’ andro isan-taona, handoroana eo ambonin’ ny alitaran’ i Jehovah Andriamanitsika araka izay voasoratra ao amin’ ny lalàna,
- 36 ary mba hitondranay ny voaloham-bokatry ny taninay sy ny voaloham-bokatry ny hazo mamoa rehetra ho ao an-tranon’ i Jehovah isan-taona isan-taona;
- 37 ary ny lahimatoanay sy ny voalohan-teraky ny biby fiompinay, araka izay voasoratra ao amin’ ny lalàna, ary ny voalohan-teraky ny ombinay sy ny ondry aman’ osinay dia nekenay hohentina ho an-tranon’ i Jehovah Andriamanitsika, ho an’ ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana ao an-tranon’ Andriamanitsika;
- 38 ary mba hitondranay ho an’ ny mpisorona koa ny voalohan’ ny kobanay voafetafeta sy ny fanatitra asandratray sy ny voaloham-bokatry ny hazo rehetra sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo ho amin’ ny efi-trano ao an-tranon’ Andriamanitsika, ary ny ampahafolon’ ny vokatry ny taninay ho an’ ny Levita; fa ny Levita no mpandray ny fahafolon-karena eny an-tanàna rehetra akaikin’ ny fambolenay.
- 39 Ary hisy mpisorona anankiray, taranak’ i Arona, hiaraka amin’ ny Levita, raha mandray ny fahafolon-karena izy; ary ny ampahafolon’ ny fahafolon-karena dia ho entin’ ny Levita miakatra ho ao an-tranon’ Andriamanitsika, ho ao amin’ ny efi-trano ao an-trano fitehirizan-drakitra.
- 40 Fa ho ao amin’ ireo efi-trano ireo no hitondran’ ny Zanak’ Isiraely sy ny Levita ny fanatitra asandratra, dia vary sy ranom-boaloboka ary diloilo, dia ho ao amin’ ilay itoeran’ ny fanaky ny fitoerana masìna sy ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana sy ny mpiandry varavarana ary ny mpihira; ary tsy hahafoy ny tranon’ Andriamanitsika izahay.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗