누가복음 7장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 누가복음 (Luke) · 50절
- 1 Ary rehefa vitan’ i Jesosy teo anatrehan’ ny olona izany toriteniny rehetra izany, dia nankany Kapernaomy Izy.
- 2 Ary ny mpanompon’ ny kapiteny anankiray, izay malalany, dia narary efa ho faty.
- 3 Koa raha nahare ny amin’ i Jesosy ilay kapiteny, dia naniraka loholon’ ny Jiosy hankeo aminy hangataka Azy mba ho avy ka hahasitrana ny mpanompony.
- 4 Ary rehefa tonga teo amin’ i Jesosy ireo, dia nangataka mafy taminy ka nanao hoe: Miendrika ny hanaovanao izany izy,
- 5 satria tia ny firenentsika izy, sady izy no efa nanao ny synagoga ho antsika.
- 6 Ary Jesosy nandeha niaraka taminy. Ary rehefa efa mby teo akaikin’ ny trano Izy, ilay kapiteny dia naniraka sakaiza hitsena Azy ka nanao taminy hoe: Tompoko, aza manahirana ny tenanao Hianao; fa tsy miendrika hidiranao ao ambanin’ ny tafon-tranoko aho.
- 7 Koa na dia ny tenako aza dia nataoko fa tsy miendrika hankeo aminao; fa mitenena ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko.
- 8 Fa izaho koa mba lehilahy manan-dehibe ihany, ka manana miaramila izay feheziko; koa hoy izaho amin’ ny anankiray: Mandehana, dia mandeha izy, ary amin’ ny anankiray koa Avia, dia avy izy, ary amin’ ny mpanompoko: Ataovy izao, dia manao izy.
- 9 Ary nony nahare izany Jesosy, dia gaga taminy; ary dia nitodika Izy ka nanao tamin’ ny vahoaka izay nanaraka Azy hoe: Lazaiko aminareo fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho, na dia tamin’ ny Isiraely aza.
- 10 Ary nony tafaverina tao an-trano ireo iraka ireo, dia hitany fa sitrana ilay mpanompo.
- 11 Ary taoriana kelin’ izany Jesosy dia nankany an-tanana atao hoe Naina; ary naniraka Azy ny mpianany sy ny vahoaka betsaka.
- 12 Ary rehefa mby teo akaikin’ ny vavahadin’ ny tanàna Izy, dia, indro, nisy fatin’ ny lehilahy anankiray nentina nivoaka, izay zanakalahy tokan’ ny reniny, sady mpitondratena ravehivavy; ary nisy vahoaka betsaka avy tao an-tanàna nanaraka azy.
- 13 Ary nony nahita an-dravehivavy ny Tompo, dia onena azy ka nanao taminy hoe: Aza mitomany.
- 14 Ary nanatona Izy ka nanendry ny tranovorona, dia nijanona izay nilanja. Ary hoy Jesosy: zatovo, hoy Izaho aminao: Miarena.
- 15 Dia niarina ny maty sady niteny, ary dia natolony tamin-dreniny.
- 16 Ary raiki-tahotra ny olona rehetra ka nankalaza an’ Andriamanitra hoe: Mpaminany lehibe no efa mitsangana eto amintsika; ary Andriamanitra efa nitsinjo ny olony.
- 17 Dia niely teny Jodia rehetra sy teny amin’ ny tany manodidina rehetra ny lazan’ i Jesosy ny amin’ izany zavatra izany.
- 18 Ary ny mpianatr’ i Jaona nanambara izany rehetra izany taminy.
- 19 Ary Jaona niantso ny mpianany roa lahy hankao aminy, dia naniraka azy hankany amin’ ny Tompo hanao hoe: Hianao va Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?
- 20 Ary nony tonga tany aminy ireo lehilahy ireo, dia nanao hoe: Jaona Mpanao-batisa naniraka anay hankatỳ aminao hanao hoe: Hianao va Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?
- 21 Ary tamin’ izany ora izany Jesosy dia nahasitrana olona maro tamin’ ny rofy sy ny aretina sy ny fanahy ratsy sady nampahiratra ny jamba maro.
- 22 Dia namaly Izy ka nanao taminy hoe: Mandehana ianareo, ambarao amin’ i Jaona izao hitanareo sy renareo izao; mahiratra ny jamba, afaka ny mandringa, diovina ny boka, malady ny marenina, atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana ny filazantsara.
- 23 Ary sambatra izay tsy ho tafintohina noho ny amiko.
- 24 Ary rehefa lasa ny irak’ i Jaona, dia nilaza an’ i Jaona tamin’ ny vahoaka Jesosy ka nanao hoe: Hizaha inona no nalehanareo tany an-efitra? Volotara nohozongozonin’ ny rivotra va?
- 25 Sa hizaha inona no nalehanareo? Olona mitafy lamba soa va? Indro, ny mitafy lamba soa sy mihinana zava-py dia ao an-tranon’ ny mpanjaka.
- 26 Sa hizaha inona no nalehanareo tany? Mpaminany va? Eny, hoy Izaho aminareo, sady mihoatra lavitra noho ny mpaminany izy.
- 27 Fa izy ilay voasoratra hoe: Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny lalanao eo alohanao.
- 28 Lazaiko aminareo: Amin’ izay nateraky ny vehivavy tsy misy lehibe noho Jaona; nefa ny kely indrindra amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra dia lehibe noho izy.
- 29 Ary ny vahoaka rehetra sy ny mpamory hetra raha nandre, dia nanamarina an’ Andriamanitra, satria natao batisa tamin’ ny batisan’ i Jaona izy.
- 30 Fa ny Fariseo sy ny mpahay lalàna kosa nandà ny fikasan’ Andriamanitra, satria tsy mba nanatona hataon’ i Jaona batisa izy.
- 31 Tahaka ny inona ary no hanoharako ny olona amin’ ity taranaka ity? tahaka ny inona moa izy?
- 32 Tahaka ny ankizy madinika mipetraka eny an-tsena izy, izay mifampiantso hoe: Efa nitsoka sodina taminareo izahay, nefa tsy nandihy ianareo; efa nanao feo fisaonana izahay, nefa tsy nitomany ianareo.
- 33 Fa tonga Jaona Mpanao-batisa tsy nihinan-kanina na nisotro divay, ka hoy ianareo: Manana demonia izy.
- 34 Tonga ny Zanak’ olona mihinana sy misotro kosa, ka hoy ianareo: Indro, olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan’ ny mpamory hetra sy ny mpanota.
- 35 Fa ny fahendrena dia hamarinin’ ny zanany rehetra.
- 36 Ary ny Fariseo anankiray nanasa an’ i Jesosy hiara-mihinana aminy; ary dia niditra tao an-tranon’ ilay Fariseo Izy ka nipetraka nihinana.
- 37 Ary, indro, nisy vehivavy mpanota tao an-tanàna, ka rehefa fantany fa Jesosy nipetraka nihinana tao an-tranon’ ilay Fariseo, dia nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra izy;
- 38 ary nijanona teo ivohony tanilan’ ny tongony izy ka nitomany, dia nahakotsa ny tongony tamin’ ny ranomasony sy namaoka azy tamin’ ny volon-dohany, dia nanoroka fatratra ny tongony ka nanosotra azy tamin’ ny menaka manitra,
- 39 Ary nony nahita izany ilay Fariseo nanasa Azy, dia nanao anakampo hoe: Raha mpaminany Ity, dia ho nahalala io vehivavy manendry Azy io sy ny toeny; fa mpanota io.
- 40 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Ry Simona, manan-kolazaina aminao Aho. Dia hoy izy: Lazao ary, Mpampianatra ô.
- 41 Nisy roa lahy nananan’ ny mpampanàna vola anankiray trosa: ny iray nananany denaria diman-jato, ary ny iray kosa dimam-polo.
- 42 Ary raha tsy nanan-kaloa izy roa lahy, dia samy navelany. Koa iza moa amin’ ireo no ho tia azy indrindra?
- 43 Simona namaly ka nanao hoe: Ataoko fa ilay namoizany be. Dia hoy Izy taminy: Marina ny hevitrao.
- 44 Ary Jesosy nitodika nijery an-dravehivavy ka nanao tamin’ i Simona hoe: Hitanao va io vehivavy io? Niditra teto an-tranonao Aho; nefa tsy mba nanome Ahy rano hanasana ny tongotro ianao; fa izy kosa nahakotsa ny tongotro tamin’ ny ranomasony, dia namaoka azy tamin’ ny volon-dohany.
- 45 Tsy mba nanoroka Ahy akory ianao; fa izy, hatr’ izay nidirako, dia tsy mbola nitsahatra nanoroka fatratra ny tongotro.
- 46 Ny lohako tsy mba nohosoranao diloilo akory; fa izy kosa nanoso-menaka manitra ny tongotro.
- 47 Ary amin’ izany dia lazaiko aminao: Voavela ny helony be, fa be fitiavana izy; fa izay voavela tamin’ ny kely dia kely fitiavana.
- 48 Dia hoy Izy tamin-dravehivavy: Voavela ny helokao.
- 49 Ary izay niara-nipetraka nihinana teo aminy dia niresaka hoe: Iza moa Ity no mba mamela heloka?
- 50 Ary hoy Izy tamin-dravehivavy: Ny finoanao efa namonjy anao; mandehana soa aman-tsara.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗