누가복음 22장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 누가복음 (Luke) · 71절
- 1 Ary efa mby akaiky ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia ilay andro atao hoe Paska.
- 2 Ary ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna nitady izay hamonoany an’ i Jesosy; nefa natahotra ny olona izy.
- 3 Fa Satana niditra tao anatin’ i Jodasy, ilay atao hoe Iskariota, anankiray tamin’ ny roa ambin’ ny folo lahy;
- 4 dia nankao amin’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny lehiben’ ny mpiambina izy ka niresaka taminy ny amin’ izay hamadihany an’ i Jesosy amin’ ireo.
- 5 Dia faly ireo ka nanaiky hanome vola azy.
- 6 Ary nanaiky izy ka nitady izay andro hahazoany hamadika Azy amin’ ireo amin’ ny tsy misy olona.
- 7 Ary tonga ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia ilay tsy maintsy hamonoana ny Paska.
- 8 Ary Jesosy naniraka an’ i Petera sy Jaona ka nanao hoe: Mandehana, ka amboary ny Paska hohanintsika.
- 9 Ary hoy ireo taminy: Aiza no tianao hanamboaranay azy?
- 10 Dia hoy Izy taminy: Indro, raha miditra ao an-tanàna ianareo, dia hisy lehilahy mitondra siny feno rano hifanena aminareo; manaraha azy ao amin’ ny trano izay hidirany.
- 11 Dia lazao amin’ ny tompon-trano hoe: Izao no lazain’ ny Mpampianatra aminao: Aiza ny efi-trano hiarahako mihinana ny Paska amin’ ny mpianatro?
- 12 Ary izy hanoro anareo efi-trano malalaka ambony rihana, izay efa nasiana fipetrahana; any no amboary.
- 13 Dia nandeha izy ka nahita araka izay efa nolazainy taminy; dia namboatra ny Paska izy.
- 14 Ary nony tonga ny fotoana, dia nipetraka hihinana Izy mbamin’ ny Apostoly.
- 15 Ary hoy Izy taminy: Naniry koa raha naniry Aho hiara-mihinana ity Paska ity aminareo, dieny mbola tsy mijaly Aho.
- 16 Fa lazaiko aminareo fa tsy mba hihinana izany intsony Aho ambara-pahatanterak’ izany ao amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.
- 17 Ary nandray kapoaka Izy, dia nisaotra ka nanao hoe: Raiso ity, ka zarao aminareo;
- 18 fa lazaiko aminareo fa hatramin’ izao dia tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandra-pahatongan’ ny fanjakan’ Andriamanitra.
- 19 Ary nandray mofo Izy, ary rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy sady nataony hoe: Ity no tenako izay omena ho anareo; izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy.
- 20 Ary araka izany koa ny kapoaka, rehefa vita ny sakafo, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin’ ny rako, izay aidina ho anareo.
- 21 Fa, indro, ny tànan’ izay mamadika Ahy dia eto amiko eto ambonin’ ny latabatra.
- 22 Fa ny Zanak’ olona mandeha tokoa, araka izay nanendrena; nefa lozan’ izay lehilahy hahazoana manolotra Azy!
- 23 Ary ireo nifanontany izay anankiray eo aminy hahefa izany.
- 24 Ary nisy koa fifandirana tao aminy ny amin’ izay anankiray aminy hatao lehibe.
- 25 Ary hoy Jesosy taminy: Ny mpanjakan’ ny jentilisa mampanompo azy ary izay manapaka azy no atao hoe mpanao soa.
- 26 Fa tsy mba toy izany ianareo; fa izay lehibe aminareo dia aoka ho toy ny zandry; ary izay manapaka dia aoka ho toy ny mpanompo.
- 27 Fa iza moa no lehibe, izay mipetraka mihinana va, sa izay manompo? Tsy izay mipetraka mihinana va? Fa Izaho dia eo aminareo toy izay manompo.
- 28 Ary ianareo no naharitra nanaraka Ahy tamin’ ny fakam-panahy nihatra tamiko;
- 29 koa Izaho dia manendry fanjakana ho anareo tahaka ny nanendren’ ny Raiko ho Ahy,
- 30 mba hihinana sy hisotro eo amin’ ny latabatro amin’ ny fanjakako ianareo sady hipetraka ambony seza fiandrianana hitsara ny firenen’ isiraely roa ambin’ ny folo,
- 31 Ary hoy ny Tompo: Ry Simona, ry Simona, indro, Satana efa nilofo nitady anareo hokororohiny toy ny vary.
- 32 Nefa Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho levona ny finoanao; ary rehefa mibebaka ianao, dia ampaherezo ireo rahalahinao.
- 33 Ary hoy izy taminy: Tompoko, vonona hanaraka Anao aho, na ho ao an-tranomaizina, na dia ho amin’ ny fahafatesana aza.
- 34 Fa hoy Jesosy: Lazaiko aminao, ry Petera: Raha tsy mbola misy akoho maneno anio, dia handà intelo ho tsy mahalala Ahy ianao.
- 35 Ary hoy koa Izy taminy: Raha nirahiko tsy nitondra kitapom-bola na kitapom-batsy na kapa ianareo, moa nisy zavatra nahory anareo va? Dia hoy ireo: Tsy nisy.
- 36 Fa hoy Izy taminy: Fa amin’ izao kosa, izay manana kitapom-bola dia aoka hitondra azy; ary toy izany koa ny kitapom-batsy; ary izay tsy manan-tsabatra kosa, dia aoka hivarotra ny lambany izy ka hividy.
- 37 Fa lazaiko aminareo: Tsy maintsy ho tanteraka amiko izao voasoratra izao hoe: Ary Izy natao ho isan’ ny mpanota; fa efa ho tanteraka ny amiko.
- 38 Ary hoy ireo: Tompoko, indreto sabatra roa. Dia hoy Jesosy taminy: Aoka izay.
- 39 Ary nivoaka Jesosy, koa araka ny fanaony dia nankao an-tendrombohitra Oliva Izy, ary ny mpianatra koa nanaraka Azy.
- 40 Ary raha vao tonga tao amin’ izany tany izany, dia hoy Izy taminy: Mivavaha mba tsy hidiranareo amin’ ny fakam-panahy.
- 41 Ary Izy nihataka taminy tokony ho indray mitora-bato, dia nandohalika ka nivavaka hoe:
- 42 Raiko ô, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.
- 43 Ary nisy anjely avy tany an-danitra niseho teo aminy ka nampahery Azy.
- 44 Ary fadiranovana Izy, ka dia nivavaka mafimafy kokoa; ary ny dininy dia tahaka ny rà nipotrapotraka tamin’ ny tany.
- 45 Ary nony nitsangana avy nivavaka Izy, dia nankeo amin’ ny mpianatra ka nahita azy matorin’ alahelo.
- 46 Dia hoy Izy taminy: Nahoana no dia matory ianareo? Mitsangàna, ka mivavaha, mba tsy hidiranareo amin’ ny fakam-panahy.
- 47 Ary raha mbola niteny Jesosy, indreo, tamy ny vahoaka, ary ilay atao hoe Jodasy, isan’ ny roa ambin’ ny folo lahy, dia nandeha teo alohany ka nanatona an’ i Jesosy hanoroka Azy.
- 48 Fa hoy Jesosy taminy: Ry Jodasy, fanorohana va no amadihanao ny Zanak’ olona?
- 49 Ary izay teo aminy, raha nahita izay efa hanjo, dia nanao hoe: Tompoko, hamely amin’ ny sabatra va izahay?
- 50 Ary ny anankiray teo aminy dia nikapa ny mpanompon’ ny mpisoronabe ka nahafaka ny sofiny ankavanana.
- 51 Fa Jesosy namaly ka nanao hoe: Aoka ihany na dia izao aza. Dia nanendry ny sofiny Izy ka nahasitrana azy.
- 52 Ary hoy Jesosy tamin’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny lehiben’ ny mpiambina ny tempoly ary ny loholona izay tonga hisambotra Azy: Mivoaka mitondra sabatra sy langilangy toy ny hisambotra jiolahy va ianareo?
- 53 Raha teo aminareo isan’ andro teo an-kianjan’ ny tempoly Aho, dia tsy naninji-tanana tamiko ianareo; fa izao no fotoanareo sy herin’ ny maizina.
- 54 Ary izy ireo nisambotra an’ i Jesosy, dia nitondra Azy ho ao an-tranon’ ny mpisoronabe. Ary Petera nanaraka teny lavidavitra eny.
- 55 Ary raha namelona afo teo an-kianja ireo ka nipetraka, dia mba nipetraka teo aminy koa Petera.
- 56 Ary ny ankizivavy anankiray, nony nahita azy nipetraka teo anilan’ ny afo, dia nandinika azy ka nanao hoe: Ity koa nomba Azy.
- 57 Fa izy nandà ka nanao hoe: Ravehivavy, tsy fantatro Izy.
- 58 Ary vetivety foana rehefa afaka izany, dia nisy olona hafa koa nahita azy ka nanao hoe: Hianao koa mba naman’ ireny. Fa Petera nanao hoe: Ralehilahy, tsy mba namany aho.
- 59 Ary rehefa afaka tokony ho ora iray, dia nisy anankiray koa nitompo teny ka nanao hoe: Ilehio nomba Azy marina tokoa, fa Galiliana izy.
- 60 Fa hoy Petera: Ralehilahy, tsy fantatro izay lazainao. Ary niaraka tamin’ izay, raha mbola niteny izy, dia nisy akoho naneno.
- 61 Ary ny Tompo nitodika, dia nijery an’ i Petera. Ary Petera nahatsiaro ilay tenin’ ny Tompo nolazainy taminy hoe: Raha tsy mbola misy akoho maneno anio, dia handà Ahy intelo ianao.
- 62 Ary nivoaka Petera, dia nitomany mafy indrindra.
- 63 Ary ny lehilahy izay nitana an’ i Jesosy dia nanao Azy ho fihomehezana sady nikapoka Azy.
- 64 Ary rehefa nanampi-maso Azy izy, dia nanontany Azy hoe: Maminania; iza moa no namely Anao?
- 65 Ary niteny ratsy izy nilaza zavatra maro hafa koa nanaratsiany Azy.
- 66 Ary raha vao nazava ny andro, niangona ny loholona, dia ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ka nitondra an’ i Jesosy ho eo amin’ ny Synedriona, dia nanao hoe:
- 67 Raha Hianao no Kristy, dia lazao aminay. Fa hoy Izy taminy: Na dia hilaza aminareo aza Aho, dia tsy hino ianareo.
- 68 Ary na dia hanontany aza Aho, dia tsy hamaly akory ianareo.
- 69 Fa hatramin’ izao ny Zanak’ olona dia hipetraka eo an-tanana ankavanan’ ny herin’ Andriamanitra.
- 70 Dia hoy izy rehetra: Zanak’ Andriamanitra va ary Hianao? Ary hoy Izy taminy: Voalazanareo fa Izaho no Izy.
- 71 Ary hoy ireo: Ka inona indray no ilantsika vavolombelona? fa ny tenantsika no efa nandre tamin’ ny vavany.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗