누가복음 20장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 누가복음 (Luke) · 47절
- 1 Ary tamin’ ny andro anankiray, raha nampianatra ny olona teo an-kianjan’ ny tempoly Jesosy ka nitory ny filazantsara, dia nanatona ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona
- 2 ka niteny taminy hoe: Lazao aminay: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao zavatra izao? ary iza no nanome Anao izany fahefana izany?
- 3 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izaho kosa mba hanontany anareo zavatra iray loha, ka lazao amiko:
- 4 Ny batisan’ i Jaona avy tany an-danitra va, sa avy tamin’ ny olona?
- 5 Dia niara-nisaina izy ka nanao hoe: Raha holazaintsika hoe mantsy: Avy tany an-danitra, dia hataony hoe: Nahoana no tsy nino azy ianareo?
- 6 Fa raha holazaintsika hoe kosa: Avy tamin’ ny olona, dia hitora-bato antsika ny vahoaka rehetra, satria inoany ho mpaminany Jaona.
- 7 Dia namaly ireo fa tsy fantany izay nihaviany.
- 8 Ary Jesosy nanao taminy hoe: Izaho kosa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao zavatra izao.
- 9 Dia nilaza izao fanoharana izao tamin’ ny olona Izy ka nanao hoe: Nisy lehilahy anankiray nanao tanim-boaloboka, ka nahofany tamin’ olona mpiasa tany izany, dia nandeha nitoetra ela tany an-tany hafa izy.
- 10 Ary tamin’ ny fotoana dia naniraka mpanompo hankany amin’ ny mpiasa tany izy mba handray amin’ ny vokatry ny tanim-boaloboka; fa ny mpiasa tany nikapoka azy ka nampandeha azy maina.
- 11 Dia naniraka mpanompo anankiray koa izy; ary nokapohiny mafy koa iny sady nalany baraka ka nampandehaniny maina.
- 12 Dia naniraka anankiray koa izy; ary iny koa dia nataony naratra ka noroahiny.
- 13 Dia hoy ny tompon’ ny tanim-boaloboka: Inona re no hataoko? Haniraka ny zanako malalako aho; angamba hanaja azy izy.
- 14 Fa raha nahita iny ny mpiasa tany, dia niara-nisaina izy ka nanao hoe: Ity no mpandova; andeha hovonointsika io, mba ho antsika ny lova.
- 15 Dia namoaka azy tany ivelan’ ny tanim-boaloboka izy ka namono azy. Hataon’ ny tompon’ ny tanim-boaloboka ahoana moa izy amin’ izany?
- 16 Hankany izy, dia hamono ireo mpiasa tany ireo, ka homeny olon-kafa ny tanim-boaloboka. Ary raha nahare izany ireo, dia hoy izy: Sanatria izany!
- 17 Ary Jesosy nijery azy ka nanao hoe: Ahoana moa izao voasoratra izao: Ny vato izay nolavin’ ny mpanao trano, Dia izy no efa natao fehizoro?.
- 18 Izay rehetra potraka amin’ izany vato izany dia ho torotoro; fa na iza na iza no ianjerany dia ho mongomongo.
- 19 Ary tamin’ izany ora izany dia nitady hisambotra Azy ny mpanora-dalàna sy ny lohan’ ny mpisorona; nefa natahotra ny olona izy, satria fantany fa izy no nolazainy tamin’ izany fanoharana izany.
- 20 Ary nizaha taratra an’ i Jesosy izy ka naniraka mpitsikilo, izay nody ho marina, mba hamandrika Azy amin’ ny teniny, hanolorany Azy ho amin’ ny hery sy ny fahefan’ ny governora.
- 21 Ary ireo nanontany Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, fantatray fa miteny sy mampianatra marina Hianao ka tsy mizaha tavan’ olona, fa mampianatra marina ny lalan’ Andriamanitra:
- 22 Mety va raha mandoa vola hetra ho an’ i Kaisara izahay, sa tsia?
- 23 Fa Jesosy nahafantatra ny fihendreny ka nanao taminy hoe:
- 24 Mampisehoa denaria amiko. An’ iza moa io sary sy soratra eo aminy io? Hoy ireo: An’ i Kaisara.
- 25 Dia hoy Jesosy taminy: Aloavy ho an’ i Kaisara ary izay an’ i Kaisara, ary ho an’ Andriamanitra izay an’ Andriamanitra.
- 26 Ary tsy sahiny nitanana Azy teo anatrehan’ ny olona izany teny izany sady gaga izy noho ny famaliny ka nangina.
- 27 Ary ny sasany tamin’ ny Sadoseo, izay milaza fa tsy misy fitsanganan’ ny maty, dia nanatona ka nanontany Azy hoe:
- 28 Mpampianatra ô, Mosesy nanoratra ho antsika hoe: Raha misy manan-drahalahy maty momba, ka mbola velona ny vadin’ ny maty, dia aoka ny rahalahiny hampakatra an-dravehivavy ka hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny.
- 29 Koa nisy fito mirahalahy; ary ny zokiny nampaka-bady, dia maty momba.
- 30 Ary ny faharoa
- 31 sy ny fahatelo koa nampakatra azy; ary tahaka izany avokoa no nataon’ izy fito mirahalahy; nefa maty momba avokoa izy.
- 32 Ary farany dia maty koa ravehivavy.
- 33 Koa amin’ ny fitsanganan’ ny maty ho vadin’ iza moa ravehivavy? fa samy efa nanambady azy avokoa izy fito mirahalahy.
- 34 Ary Jesosy nanao taminy hoe: Ny zanak’ izao fiainana izao dia mampaka-bady sady avoaka hampakarina;
- 35 fa izay atao miendrika hahazo izany fiainana izany sy ny fitsanganana amin’ ny maty kosa dia tsy raha mampaka-bady, na avoaka hampakarina;
- 36 ary tsy mety maty intsony izy, fa mitovy amin’ ny anjely sady zanak’ Andriamanitra, satria zanaky ny fitsanganana amin’ ny maty.
- 37 Ary Mosesy aza nanambara teo amin’ ilay teny milaza ny Voaroy fa hatsangana ny maty, raha nilaza an’ i Jehovah hoe Andriamanitr’ i Abrahama sy Andriamanitr’ isaka ary Andriamanitr’ i Jakoba.
- 38 Fa Izy tsy mba Andriamanitry ny maty, fa an’ ny velona; fa velona ho an’ Andriamanitra avokoa izy rehetra.
- 39 Ary ny mpanora-dalàna sasany namaly ka nanao hoe: Mpampianatra ô, marina izay nolazainao.
- 40 Fa tsy nisy sahy nanontany Azy intsony ireo.
- 41 Ary hoy Jesosy taminy: Ahoana no lazaina fa Kristy no Zanak’ i Davida?
- 42 Fa Davida ihany no milaza eo amin’ ny bokin’ ny Salamo hoe: Jehovah nilaza tamin’ ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana
- 43 Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran’ ny tongotrao.
- 44 Davida amin’ izany manao Azy hoe Tompo; koa ahoana no maha-zanany Azy?
- 45 Ary hoy Jesosy tamin’ ny mpianany teo anatrehan’ ny olona rehetra:
- 46 Mitandrema ny amin’ ny mpanora-dalàna, izay mazoto mandehandeha miakanjo akanjo lava, ary te-hoharabain’ ny olona eny an-tsena, sady tia ny fipetrehana aloha eo amin’ ny synagoga sy ny fitoerana aloha eo amin’ ny fanasana,
- 47 ary mandany ny tranon’ ny mpitondratena sy manao vavaka lavareny mba ho fiolahana; ireo dia hahazo fahamelohana mafimafy kokoa.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗