누가복음 18장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 누가복음 (Luke) · 43절
- 1 Ary Jesosy nilaza fanoharana taminy, fa tsy mety raha tsy mivavaka mandrakariva izy ka tsy reraka,
- 2 dia nanao hoe: Nisy mpitsara tao an-tanàna anankiray, izay tsy natahotra an’ Andriamanitra, na mena-maso olona.
- 3 Ary nisy mpitondratena tao amin’ izany tanàna izany, izay nankao aminy matetika ka nanao hoe: Omeo rariny aho amin’ ilay manana ady amiko.
- 4 Ary tsy nanaiky izy aloha; fa rehefa afaka izany, dia nanao anakampo hoe izy: Na dia tsy matahotra an’ Andriamanitra aza aho sady tsy mena-maso olona,
- 5 mba homeko rariny ihany io mpitondratena io, fa manahirana ahy izy, fandrao ho avy mandrakariva izy ka hampahasosotra ahy.
- 6 Ary hoy ny Tompo: Henoy izay lazain’ ilay mpitsara tsy marina.
- 7 Fa Andriamanitra tsy hanome rariny ny olom-boafidiny va, izay mitaraina aminy andro aman’ alina, ary moa hitaredretra va Izy?
- 8 Lazaiko aminareo fa homeny rariny faingana izy. Kanefa, raha avy ny Zanak’ olona, moa hahita finoana etỳ ambonin’ ny tany va Izy?
- 9 Ary Jesosy nanao ity fanoharana ity tamin’ ny sasany izay natoky tena ho marina ka namingavinga ny hafa;
- 10 Nisy roa lahy niakatra teo an-kianjan’ ny tempoly hivavaka, ny anankiray Fariseo, ary ny anankiray mpamory hetra.
- 11 Ilay Fariseo nitsangana ka nivavaka nitokana hoe: Andriamanitra ô, misaotra Anao aho fa tsy mba tahaka ny olona sasany, izay mpanao an-keriny, tsy marina, mpijangajanga, na tahaka io mpamory hetra io aza.
- 12 Mifady indroa isan-kerinandro aho; mandoa ny fahafolon-karena amin’ izay azoko rehetra aho.
- 13 Fa ilay mpamory hetra kosa nijanona teny lavitra eny, sady tsy nety niandrandra ny lanitra akory, fa niteha-tratra ka nanao hoe: Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota.
- 14 Lazaiko aminareo: Izany lehilahy izany nidina tany an-tranony efa nohamarinina noho ny anankiray; fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay rehetra manetry tena no hasandratra.
- 15 Ary nisy nitondra zazakely koa ho eo amin’ i Jesosy mba hotendreny; fa raha vao nahita izany ny mpianatra, dia nandrara azy.
- 16 Fa Jesosy niantso ireo hankeo aminy ka nanao hoe: Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza raràna; fa an’ ny toa azy ny fanjakan’ Andriamanitra.
- 17 Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no ny handray ny fanjakan’ Andriamanitra tahaka ny zaza, dia tsy ho tafiditra aminy akory.
- 18 Ary nisy mpanapaka anankiray nanontany Azy hoe: Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?
- 19 Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no ataonao tsara? Tsy misy tsara afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra.
- 20 Fantatrao ny didy hoe: Aza mijangajanga, Aza mamono olona, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, Manajà ny rainao sy ny reninao.
- 21 Ary hoy kosa izy: Izany rehetra izany dia efa notandremako hatry ny fony aho mbola kely.
- 22 Ary rehefa nandre izany Jesosy, dia hoy Izy taminy: Mbola diso zavatra iray loha ianao: amidio ny fanananao rehetra, ka zarao ho an’ ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia, manaraha Ahy.
- 23 Ary rehefa nandre izany ralehilahy, dia nalahelo loatra; fa nanan-karena dia nanan-karena izy.
- 24 Ary Jesosy, raha nijery azy, dia nanao hoe: Manao ahoana ny hasarotry ny hidiran’ ny manan-karena amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra!
- 25 Fa ho moramora kokoa ny hidiran’ ny rameva amin’ ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran’ ny manan-karena amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra!
- 26 Ary izay nandre dia nanao hoe: Iza indray moa no azo hovonjena?
- 27 Fa hoy Jesosy: Izay zavatra tsy hain’ ny olona dia hain’ Andriamanitra.
- 28 Dia hoy Petera: Indro, izahay efa nahafoy izay nety ho anay ka nanaraka Anao.
- 29 Ary hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona izay efa nahafoy trano, na vady, na rahalahy, na ray, na reny, na zanaka, noho ny fanjakan’ Andriamanitra,
- 30 izay tsy handray be lavitra amin’ izao andro ankehitriny izao, ary amin’ ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay.
- 31 Ary Jesosy naka ny roa ambin’ ny folo lahy ka nanao taminy hoe: Indro, miakatra ho any Jerosalema isika, dia ho tanteraka ny zavatra rehetra izay voasoratry ny mpaminany ny amin’ ny Zanak’ olona.
- 32 Fa hatolotra ho amin’ ny jentilisa Izy, dia hataony fihomehezana sy hisetrasetrany sy hororany
- 33 ary hokapohiny sy hovonoiny, ary amin’ ny andro fahatelo dia hitsangana Izy.
- 34 Nefa tsy nisy azony akory izany teny izany, fa nafenina taminy izy ka dia tsy fantany izay nolazainy.
- 35 Ary raha Jesosy nanakaiky an’ i Jeriko, dia indro jamba anankiray nipetraka nangataka teo amoron-dalana.
- 36 Ary raha nandre ny vahoaka mandalo izy, dia nanontany hoe: Inona izany?
- 37 Ary hoy ny olona taminy: Jesosy avy any Nazareta no mandalo.
- 38 Dia niantso mafy ralehilahy ka nanao hoe: Ry Jesosy, Zanak’ i Davida ô, mamindrà fo amiko.
- 39 Ary izay nandeha teny aloha dia niteny mafy azy mba hangina, fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Ry Zanak’ i Davida ô, mamindrà fo amiko.
- 40 Ary Jesosy nijanona, dia nasainy ho entina eo aminy ralehilahy; ary rehefa mby akaiky izy, dia nanontany azy Jesosy
- 41 ka nanao hoe: Inona moa no tianao hataoko aminao? Ary hoy izy: Tompoko, ny mba hampahiratina ny masoko.
- 42 Dia hoy Jesosy taminy: Mahirata ny masonao; ny finoanao no efa nahavonjy anao.
- 43 Ary niaraka tamin’ izay dia nahiratra ny masony, ka nanaraka an’ i Jesosy izy sady nankalaza an’ Andriamanitra; ary ny vahoaka rehetra, raha nahita, dia nidera an’ Andriamanitra.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗