누가복음 16장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 누가복음 (Luke) · 31절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ary hoy koa Jesosy tamin’ ny mpianatra: Nisy olona manan-karena anankiray nanana mpitandrina ny fananany; ary ilehiny dia nampangain’ olona taminy fa mandany ny fananany. | And he said also unto his disciples, There was a certain rich man, which had a steward; and the same was accused unto him that he had wasted his goods. |
| 2 | Ary nampaka azy izy ka nanao taminy hoe: Ahoana izao fandrenesako anao izao? Mamoaha ny amin’ ny fitandremanao ny fananako; fa tsy mahazo mitandrina ny fananako intsony ianao. | And he called him, and said unto him, How is it that I hear this of thee? give an account of thy stewardship; for thou mayest be no longer steward. |
| 3 | Ary ilay mpitandrina ny fananana nanao anakampo hoe: Inona ange no hataoko, fa esorin’ ny tompoko amin’ ny fitandremana ny fananany aho? Ny miasa tany tsy tratry ny aiko; ny mangataka mahamenatra ahy. | Then the steward said within himself, What shall I do? for my lord taketh away from me the stewardship: I cannot dig; to beg I am ashamed. |
| 4 | Fantatro izay hataoko, mba hisy handray ahy ho ao an-tranony, rehefa voaisotra amin’ ny fitandremana ny fananana aho. | I am resolved what to do, that, when I am put out of the stewardship, they may receive me into their houses. |
| 5 | Dia niantso izay rehetra nitrosa tamin’ ny tompony izy hankao aminy ka nanao tamin’ ny voalohany hoe: Hoatrinona no trosan’ ny tompoko aminao? | So he called every one of his lord’s debtors unto him, and said unto the first, How much owest thou unto my lord? |
| 6 | Ary hoy io: Diloilo injaton’ ny famarana. Dia hoy izy taminy koa: Inty, raiso ny taratasinao, ary mipetraha faingana, ka dimam-polo no soraty. | And he said, An hundred measures of oil. And he said unto him, Take thy bill, and sit down quickly, and write fifty. |
| 7 | Dia hoy izy tamin’ ny anankiray koa: Hoatrinona kosa no trosa aminao? Ary hoy izy: Vary injaton’ ny famarana. Dia hoy izy taminy koa: Inty, raiso ny taratasinao ka valo-polo no soraty. | Then said he to another, And how much owest thou? And he said, An hundred measures of wheat. And he said unto him, Take thy bill, and write fourscore. |
| 8 | Ary ny tompony nidera ilay mpitandrina tsy marina, satria nanan-tsaina izy; fa ny zanak’ izao tontolo izao dia manan-tsaina kokoa ny amin’ ny karazany noho ny zanaky ny mazava. | And the lord commended the unjust steward, because he had done wisely: for the children of this world are in their generation wiser than the children of light. |
| 9 | Ary hoy Izaho aminareo: Aoka ny mamôna tsy marina ho entinareo mahazo sakaiza, mba horaisin’ ireo ho any amin’ ny fonenana mandrakizay ianareo, rehefa lany izany. | And I say unto you, Make to yourselves friends of the mammon of unrighteousness; that, when ye fail, they may receive you into everlasting habitations. |
| 10 | Ary izay mahatoky amin’ ny kely indrindra dia mahatoky koa amin’ ny be; ary izay tsy marina amin’ ny kely indrindra dia tsy marina koa amin’ ny be. | He that is faithful in that which is least is faithful also in much: and he that is unjust in the least is unjust also in much. |
| 11 | Koa raha tsy mahatoky amin’ ny mamôna tsy marina ianareo, iza no hatoky anareo ny amin’ ny tena harena? | If therefore ye have not been faithful in the unrighteous mammon, who will commit to your trust the true riches? |
| 12 | Ary raha tsy mahatoky amin’ izay an’ olona ianareo, iza no hanome anareo izay anareo? | And if ye have not been faithful in that which is another man’s, who shall give you that which is your own? |
| 13 | Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an’ Andriamanitra sy mamôna ianareo. | No servant can serve two masters: for either he will hate the one, and love the other; or else he will hold to the one, and despise the other. Ye cannot serve God and mammon. |
| 14 | Ary ny Fariseo, izay fatra-pitia vola, raha nandre izany rehetra izay, dia naneso an’ i Jesosy. | And the Pharisees also, who were covetous, heard all these things: and they derided him. |
| 15 | Ary hoy Jesosy taminy: Hianareo dia mpanamarin-tena eo anatrehan’ ny olona, nefa Andriamanitra mahalala ny fonareo; fa izay zavatra heverin’ ny olona ho ambony dia fahavetavetana eo anatrehan’ Andriamanitra. | And he said unto them, Ye are they which justify yourselves before men; but God knoweth your hearts: for that which is highly esteemed among men is abomination in the sight of God. |
| 16 | Ny lalàna sy ny mpaminany dia hatramin’ i Jaona; ary hatramin’ izany no efa nitoriana ny filazantsaran’ ny fanjakan’ Andriamanitra, ary misesika izay rehetra miditra eo. | The law and the prophets were until John: since that time the kingdom of God is preached, and every man presseth into it. |
| 17 | Fa ho moramora kokoa ny hahafoanan’ ny lanitra sy ny tany noho ny hahafoanan’ ny tendron-tsoratra iray monja aza amin’ ny lalàna. | And it is easier for heaven and earth to pass, than one tittle of the law to fail. |
| 18 | Izay rehetra misao-bady ka mampakatra ny hafa dia mijangajanga; ary izay mampakatra vehivavy voasaotra dia mijangajanga koa. | Whosoever putteth away his wife, and marrieth another, committeth adultery: and whosoever marrieth her that is put away from her husband committeth adultery. |
| 19 | Nisy lehilahy manan-karena anankiray niakanjo volomparasy sy rongony fotsy madinika sady nanaram-po fatratra isan’ andro tamin’ ny fahafinaretana. | There was a certain rich man, which was clothed in purple and fine linen, and fared sumptuously every day: |
| 20 | Ary nisy olo-malahelo ferena anankiray atao hoe Lazarosy napetraka teo anilan’ ny vavahadiny; | And there was a certain beggar named Lazarus, which was laid at his gate, full of sores, |
| 21 | ary naniry mba hihinana izay latsaka avy tamin’ ny latabatr’ ilay manan-karena izy, fa ny alika kosa no avy ka nilelaka ny feriny. | And desiring to be fed with the crumbs which fell from the rich man’s table: moreover the dogs came and licked his sores. |
| 22 | Ary maty ilay malahelo, dia nentin’ ny anjely ho any an-tratran’ i Abrahama; ary maty koa ilay manan-karena, dia nalevina; | And it came to pass, that the beggar died, and was carried by the angels into Abraham’s bosom: the rich man also died, and was buried; |
| 23 | ary raha nijaly tao amin’ ny fiainan-tsi-hita izy ka niandrandra, dia nahita an’ i Abrahama teny lavitra eny sy Lazarosy teo an-tratrany. | And in hell he lift up his eyes, being in torments, and seeth Abraham afar off, and Lazarus in his bosom. |
| 24 | Ary izy niantso ka nanao hoe: Ry Abrahama raiko ô, mamindrà fo amiko, ka iraho Lazarosy mba hanoboka ny tendron’ ny rantsan-tanany amin’ ny rano mba hampangatsiaka ny lelako; fa fadiranovana aho eto anatin’ ity lelafo ity. | And he cried and said, Father Abraham, have mercy on me, and send Lazarus, that he may dip the tip of his finger in water, and cool my tongue; for I am tormented in this flame. |
| 25 | Fa hoy Abrahama: Anaka, tsarovy fa ianao efa nahazo ny zava-tsoanao tamin’ ny andro niainanao, ary Lazarosy kosa ny zava-dratsy; fa ankehitriny izy no ampifalinay atỳ, ary ianao kosa no fadiranovana. | But Abraham said, Son, remember that thou in thy lifetime receivedst thy good things, and likewise Lazarus evil things: but now he is comforted, and thou art tormented. |
| 26 | Ary mihoatra noho izany rehetra izany, misy tevana makadiry ajadona ao anelanelantsika, mba tsy ho afa-mita hankeny aminareo izay te-hiala etỳ, ary ny ho afa-mita hanketỳ aminay izay eny. | And beside all this, between us and you there is a great gulf fixed: so that they which would pass from hence to you cannot; neither can they pass to us, that would come from thence. |
| 27 | Dia hoy izy: Mangataka aminao ary aho, ry raiko: mba iraho Lazarosy hankany amin’ ny tranon’ ny raiko | Then he said, I pray thee therefore, father, that thou wouldest send him to my father’s house: |
| 28 | (fa manana rahalahy dimy aho), mba hilaza tsara aminy, fandrao mba ho tongay amin’ ity fijaliana ity koa izy. | For I have five brethren; that he may testify unto them, lest they also come into this place of torment. |
| 29 | Fa hoy Abrahama taminy: Manana an’ i Mosesy sy ny mpaminany izy; aoka hihaino ireo izy. | Abraham saith unto him, They have Moses and the prophets; let them hear them. |
| 30 | Fa hoy kosa izy: Tsia, ry Abrahama, raiko; fa raha misy miala amin’ ny maty hankany aminy, dia hibebaka izy. | And he said, Nay, father Abraham: but if one went unto them from the dead, they will repent. |
| 31 | Fa hoy Abrahama taminy: Raha tsy mihaino an’ i Mosesy sy ny mpaminany izy, dia tsy hety hino izy, na dia misy mitsangana amin’ ny maty aza. | And he said unto him, If they hear not Moses and the prophets, neither will they be persuaded, though one rose from the dead. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL