누가복음 10장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 누가복음 (Luke) · 42절
- 1 Ary nony afaka izany, ny Tompo nanendry olona hafa koa, dia fito-polo lahy, ka naniraka azy tsiroaroa hialoha Azy any amin’ ny tanàna sy ny tany rehetra izay efa halehany.
- 2 Ary hoy Izy taminy: Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin’ izany mangataha amin’ ny Tompon’ ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra.
- 3 Mandehana; indro, Izaho maniraka anareo tahaka ny zanak’ ondry eo ampovoan’ ny amboadia.
- 4 Aza mitondra kitapom-bola, na kitapom-batsy, na kapa; ary aza miarahaba olona akory eny an-dalana.
- 5 Ary izay trano idiranareo, dia lazao aloha hoe: Fiadanana ho amin’ ity trano ity.
- 6 Ary raha misy zanaky ny fiadanana ao, dia hitoetra ao aminy ny fiadanana tononinareo; fa raha tsy izany, dia hiverina ho aminareo ihany izany.
- 7 Ary mitoera ao amin’ izany trano izany, ka mihinàna sy misotroa izay zavatra omeny; fa ny mpiasa miendrika hahazo ny karamany. Aza mifindrafindra trano.
- 8 Ary izay tanàna iakaranareo, ka mandray anareo ny olona, dia hano izay zavatra aroso eo anoloanareo.
- 9 Ary sitrano izay marary ao, ka lazao amin’ ny olona hoe: Efa mby akaiky anareo ny fanjakan’ Andriamanitra.
- 10 Fa izay tanàna iakaranareo, ka tsy mandray anareo kosa ny olona, dia mankanesa eo amin’ ny lalambe, ka lazao hoe:
- 11 Ny vovoky ny tanànanareo aza, izay miraikitra amin’ ny tongotray, dia fafànay hiampanga anareo; nefa aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky anareo ny fanjakan’ Andriamanitra.
- 12 Lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin’ i Sodoma amin’ izany andro izany noho ny ho amin’ izany tanàna izany.
- 13 Lozanao, ry Korazina! lozanao, ry Betsaida! fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho nibebaka ela izy ka nitafy lamba fisaonana sy nipetraka amin’ ny lavenona.
- 14 Fa ho moramora kokoa ny ho amin’ i Tyro sy Sidona amin’ ny andro fitsarana noho ny ho aminareo.
- 15 Ary ianao, ry Kapernaomy, hasandratra hatrany an-danitra va ianao? Haetry hatrany amin’ ny fiainan-tsi-hita ianao.
- 16 Izay mihaino anareo dia mihaino Ahy; ary izay mandà anareo dia mandà Ahy; ary izay mandà Ahy dia mandà Izay naniraka Ahy.
- 17 Ary ny fito-polo lahy niverina tamin’ ny fifaliana ka nanao hoe: Tompo ô, na dia ny demonia aza dia manaiky anay noho ny anaranao.
- 18 Fa hoy Jesosy taminy: Izaho nahita an’ i Satana latsaka avy tany an-danitra tahaka ny varatra.
- 19 Indro, efa nomeko fahefana hanitsaka menarana sy maingoka sy handresy ny hery rehetra ananan’ ny fahavalo ianareo, ka tsy hisy hampaninona anareo akory.
- 20 Kanefa aza mifaly ianareo, satria manaiky anareo ny fanahy; fa mifalia, satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo.
- 21 Ary tamin’ izany ora izany dia ravoravo tamin’ ny Fanahy Masìna Jesosy ka nanao hoe: Midera Anao Aho, Raiko ô, Tompon’ ny lanitra sy ny tany, fa efa nafeninao tamin’ ny hendry sy ny manan-tsaina izany ka nasehonao tamin’ ny zaza madinika; eny, Raiko, fa izany no sitrakao.
- 22 Ny zavatra rehetra dia efa natolotry ny Raiko Ahy; ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray, ary ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ ny Zanaka hanehoana Azy.
- 23 Ary nitodika tamin’ ny mpianany Izy, dia nilaza taminy manokana hoe: Sambatra ny maso mahita izay hitanareo.
- 24 Fa lazaiko aminareo fa mpaminany sy mpanjaka maro no naniry hahita izay hitanareo, fa tsy nahita, ary naniry nahare izay renareo, fa tsy nahare.
- 25 Ary, indro, nisy mpahay lalàna anankiray nitsangana ka naka fanahy an’ i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?
- 26 Ary hoy Izy taminy: Inona no voasoratra ao amin’ ny lalàna? Manao ahoana no famakinao azy?
- 27 Ary izy namaly ka nanao hoe: Tiava an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny herinao rehetra ary ny sainao rehetra; ary, Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
- 28 Ary hoy Jesosy taminy: Marina ny navalinao; ataovy izany, dia ho velona ianao.
- 29 Fa izy ta-hanamarina ny tenany ka nanao tamin’ i Jesosy hoe: Iza ary no namako?
- 30 Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Nisy lehilahy anankiray nidina avy tany Jerosalema hankany Jeriko ka azon’ ny jiolahy, dia nendahany ny lambany, sady nokapohiny izy, dia nilaozany, rehefa saiky maty.
- 31 Ary sendra nisy mpisorona anankiray nidina tamin’ izany lalana izany; ary raha nahita an-dralehilahy izy, dia nandalo azy.
- 32 Ary toy izany koa ny Levita anankiray, izay tonga teo, dia nahita azy, nefa nandalo koa.
- 33 Fa nisy kosa Samaritana anankiray nandeha tamin’ ny nalehany ka tonga teo aminy, ary nony nahita azy, dia onena.
- 34 Dia nanatona izy, ka nofeheziny ny feriny, sady nasiany diloilo sy divay; dia nampitaingeniny tamin’ ny bibiny izy, ka nentiny ho any amin’ ny tranom-bahiny, dia notsaboiny.
- 35 Ary nony ampitson’ iny, dia naka denaria roa izy, ka nomeny ny tompon’ ny tranom-bahiny, sady nanao taminy hoe: Tsaboy izy; ary na hoatrinona na hoatrinona no laninao mihoatra noho ireto dia honerako, rehefa miverina aho.
- 36 Iza moa amin’ izy telo lahy no ataonao ho naman’ ilay azon’ ny jiolahy?
- 37 Ary hoy izy: Ilay niantra azy. Dia hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ka mba manaova toy izany koa.
- 38 Ary raha nandeha izy ireo, dia niditra teo amin’ ny vohitra anankiray Jesosy; ary nisy vehivavy anankiray atao hoe Marta nampiantrano Azy ho ao an-tranony.
- 39 Ary izy nanana rahavavy atao hoe Maria, izay nipetraka teo anilan’ ny tongotry ny Tompo ka nihaino ny teniny.
- 40 Fa Marta sahirana tamin’ ny fanompoana be; dia avy izy ka nanao hoe: Tompoko, moa tsy mampaninona Anao va ny amelan’ ny rahavaviko ahy hanompo irery? koa mba asaovy manampy ahy izy.
- 41 Fa ny Tompo namaly ka nanao taminy hoe: Marta, Marta, maro ahina sy maro herehina ianao;
- 42 nefa zavatra iray loha no ilaina; fa Maria no efa nifidy ny anjara tsara, izay tsy halaina aminy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗