고린도후서 6장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 고린도후서 (2 Corinthians) · 18절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ary izahay mpiara-miasa aminy dia mangataka aminareo koa mba tsy handraisanareo foana ny fahasoavan’ Andriamanitra | We then, as workers together with him, beseech you also that ye receive not the grace of God in vain. |
| 2 | fa hoy Izy: Tamin’ ny taona fankasitrahana no nihainoako anao, Ary tamin’ ny andro famonjena no namonjeko anao; indro, ankehitriny no andro fankasitrahana; indro, ankehitriny no andro famonjena; | (For he saith, I have heard thee in a time accepted, and in the day of salvation have I succoured thee: behold, now is the accepted time; behold, now is the day of salvation.) |
| 3 | fa tsy manao izay mahatafintohina izahay na amin’ inona na amin’ inona, mba tsy homen-tsiny ny fanompoana; | Giving no offence in any thing, that the ministry be not blamed: |
| 4 | fa amin’ ny zavatra rehetra dia mampiseho ny tenanay ho mpanompon’ Andriamanitra izahay, dia amin’ ny faharetana be, amin’ ny fahoriana, amin’ ny fahaterena, amin’ ny fahantrana, | But in all things approving ourselves as the ministers of God, in much patience, in afflictions, in necessities, in distresses, |
| 5 | amin’ ny kapoka, amin’ ny fatorana, amin’ ny tabataba, amin’ ny fisasarana, amin’ ny tsy fahitan-tory, amin’ ny fifadian-kanina, | In stripes, in imprisonments, in tumults, in labours, in watchings, in fastings; |
| 6 | amin’ ny fahadiovana, amin’ ny fahalalana, amin’ ny fahari-po, amin’ ny fahamoram-panahy, amin’ ny Fanahy Masìna, amin’ ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy, | By pureness, by knowledge, by longsuffering, by kindness, by the Holy Ghost, by love unfeigned, |
| 7 | amin’ ny teny fahamarinana, amin’ ny herin’ Andriamanitra, amin’ ny fiadian’ ny fahamarinana, na amin’ ny ankavanana na amin’ ny ankavia, | By the word of truth, by the power of God, by the armour of righteousness on the right hand and on the left, |
| 8 | amin’ ny voninahitra sy ny fahafaham-boninahitra, amin’ ny laza ratsy sy ny laza soa; tahaka ny mpamitaka, nefa marina ihany; | By honour and dishonour, by evil report and good report: as deceivers, and yet true; |
| 9 | tahaka ny tsy fantatra, nefa fantatra tsara ihany; tahaka ny efa ho faty, nefa, indro, velona ihany; tahaka ny faizana, nefa tsy atao maty; | As unknown, and yet well known; as dying, and, behold, we live; as chastened, and not killed; |
| 10 | tahaka ny ampalahelovina, nefa faly mandrakariva; tahaka ny malahelo, nefa mampanan-karena ny maro; tahaka ny tsy manana na dia kely akory aza, nefa manana ny zavatra rehetra. | As sorrowful, yet alway rejoicing; as poor, yet making many rich; as having nothing, and yet possessing all things. |
| 11 | Ry Korintiana, ny vavanay misokatra aminareo, ny fonay malalaka. | O ye Corinthians, our mouth is open unto you, our heart is enlarged. |
| 12 | Tsy terỳ aminay ianareo, fa terỳ ao am-ponareo ihany. | Ye are not straitened in us, but ye are straitened in your own bowels. |
| 13 | Ary mba ho valiny toraka izany (izaho miteny toy ny amin’ ny zanako), dia mba mihalalaha kosa ianareo. | Now for a recompence in the same, (I speak as unto my children,) be ye also enlarged. |
| 14 | Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin’ ny tsy mino. Fa inona no iraisan’ ny fahamarinana sy ny fahotana? Ary inona no iombonana’ ny mazava sy ny maizina? | Be ye not unequally yoked together with unbelievers: for what fellowship hath righteousness with unrighteousness? and what communion hath light with darkness? |
| 15 | Ary inona no ifanarahan’ i Kristy sy Beliala? Ary inona no iraisan’ ny anjaran’ ny mino sy ny tsy mino? | And what concord hath Christ with Belial? or what part hath he that believeth with an infidel? |
| 16 | Ary inona no ikambanan’ ny tempolin’ Andriamanitra amin’ ny sampy? Fa isika no tempolin’ Andriamanitra velona, araka ny nataon’ Andriamanitra hoe: Honina eo aminy sy handeha eo aminy Aho, ary izy ho oloko. | And what agreement hath the temple of God with idols? for ye are the temple of the living God; as God hath said, I will dwell in them, and walk in them; and I will be their God, and they shall be my people. |
| 17 | Koa mivoaha eo aminy ianareo, ka misaraha aminy, hoy Jehovah, Ary aza manendry izay zavatra tsy madio; Ary Izaho handray anareo. | Wherefore come out from among them, and be ye separate, saith the Lord, and touch not the unclean thing; and I will receive you, |
| 18 | Ary ho Rainareo Aho, ary ianareo ho zanako-lahy sy ho zanako-vavy, hoy Jehovah Tsitoha. | And will be a Father unto you, and ye shall be my sons and daughters, saith the Lord Almighty. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL