고린도후서 11장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 고린도후서 (2 Corinthians) · 33절
- 1 Enga anie ka mba handefitra amiko amin’ ny hadalana kely ianareo, kanefa mandefitra amiko ihany ianareo.
- 2 Fa fahasaro-piaro araka an’ Andriamanitra no mahasaro-piaro ahy aminareo; fa nataoko fofombadin’ ny lehilahy iray ianareo, mba hatolotra tahaka ny virijina madio ho an’ i Kristy.
- 3 Fa matahotra aho, fandrao ny sainareo ho simba hiala amin’ ny fahitsiam-po sy ny fahadiovana amin’ i Kristy, tahaka ny namitahan’ ny menarana an’ i Eva tamin’ ny fihendreny.
- 4 Fa raha misy tonga ka mitory Jesosy hafa izay tsy notorinay, na ianareo mandray fanahy hafa izay tsy noraisinareo, hay! tsara ny andeferanareo amin’ izany!
- 5 Fa ataoko fa tsy misy mahalatsaka ahy noho ireo Apostoly ambony indrindra ireo.
- 6 Fa na dia olona tsy nampianarina laha-teny aza aho, dia tsy mba tahaka izany amin’ ny fahalalana; fa tamin’ ny zavatra rehetra dia efa nasehonay marimarina tamin’ ny olona rehetra izany hahasoa anareo.
- 7 Diso va aho, raha nanetry tena mba hisandratanareo ka nitory maimaimpoana ny filazantsaran’ Andriamanitra taminareo?
- 8 Namabo ny fiangonana sasany aho ka nandray karama hanompoako anareo.
- 9 Fa raha nitoetra teo aminareo aho ka tsy nanana, dia tsy mba nahavaky tratra olona aho; fa raha vao tonga avy tany Makedonia ny rahalahy, dia nomeny ahy izay nilaiko; ary tamin’ ny zavatra rehetra dia nitandrina tsara izay tsy hahavaky tratra anareo aho sady mbola hitandrina izany ihany.
- 10 Raha ato anatiko koa ny fahamarinan’ i Kristy, dia tsy hisy hahafoana izany reharehako izany any amin’ ny tany Akaia.
- 11 Nahoana? Satria tsy tiako va ianareo? Andriamanitra no mahalala.
- 12 Fa izay ataoko no mbola hataoko ihany, mba hampitsaharako ny famelezan’ izay mitady hamely, mba ho hita fa tahaka anay ihany izay amin’ ny izay ireharehany.
- 13 Fa Apostoly sandoka izy ireny, mpiasa mamitaka, ka dia mampiova ny endriny ho tahaka ny Apostolin’ i Kristy.
- 14 Ary tsy mahagaga izany, fa Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin’ ny mazava.
- 15 Koa tsy zavatra lehibe tsy akory, raha ny mpanompony koa no mba mampiova ny endriny ho tahaka ny mpanompon’ ny fahamarinana; nefa ny farany ho araka ny asany ihany.
- 16 Hoy izaho indray: Aza misy manao ahy ho adala; nefa, na dia misy manao izany aza, raiso toy ny adala aho mba hireharehako kelikely koa.
- 17 Izao lazaiko izao dia tsy lazaiko araka ny Tompo, fa toa amin’ ny fahadalana amin’ izao rehareha matoky izao ihany.
- 18 Satria maro no mirehareha araka ny nofo, dia mba hirehareha koa aho.
- 19 Fa sitrakareo ny handefitra amin’ ny adala, satria hendry angaha ianareo.
- 20 Fa hay! mandefitra ihany ianareo, raha misy manandevo anareo, raha misy mandany anareo, raha misy misambotra anareo, raha misy mirehareha aminareo, raha misy mamely ny tavanareo.
- 21 Manala-barà-tena aho ka toa manaiky fa nalemy izahay! Fa amin’ izay mahasahy ny olona (miteny toy ny adala aho), dia mba sahy koa aho.
- 22 Hebreo va izy? Izaho koa. Isiraelita va izy? Izaho koa. Taranak’ i Abrahama va izy? Izaho koa.
- 23 Mpanompon’ i Kristy va izy? (miteny toy ny olona very saina aho) mihoatra noho izy aho: amin’ ny fisasarana manan-tombo, amin’ ny tranomaizina matetika kokoa, amin’ ny kapoka be efa izay tsy izy, amin’ ny fahafatesana matetika.
- 24 Indimy aho no nokapohin’ ny Jiosy inefa-polo latsaka iray avy.
- 25 Intelo nokapohina tamin’ ny hazo aho, indray maka notoraham-bato, intelo no vaky sambo, indray andro sy indray alina no nitoetra teo amin’ ny lalina,
- 26 nandeha matetika aho, saiky nahita loza tamin’ ny ony, saiky nahita loza tamin’ ny jiolahy, saiky nahita loza tamin’ ny tompon-tany namako, saiky nahita loza tamin’ ny jentilisa, saiky nahita loza tao amin’ ny tanàna aho, saiky nahita loza tany an-efitra aho, saiky nahita loza tany amin’ ny ranomasina aho, saiky nahita loza tamin’ ny rahalahy sandoka aho,
- 27 tamin’ ny fisasarana sy ny fikelezan’ aina, tamin’ ny tsi-fahitan-tory matetika, tamin’ ny hanoanana sy ny hetaheta, tamin’ ny fifadian-kanina matetika, tamin’ ny hatsiaka sy ny fitanjahana.
- 28 Afa-tsy ireo zavatra ivelany dia mbola misy koa izay mahazo ahy isan’ andro, dia ny fiahiana ny fiangonana rehetra.
- 29 Iza no malemy, ka tsy malemy aho? Iza no tafintohina, ka tsy mirehitra aho?
- 30 Raha tsy maintsy mirehareha aho, dia izay momba ny fahalemeko no hataoko rehareha.
- 31 Andriamanitra, Rain’ i Jesosy Tompo, Izay isaorana mandrakizay, mahalala fa tsy mandainga aho.
- 32 Tany Damaskosy ny governora notendren’ i Areta mpanjaka dia nampiambina ny tanàna Damaskosy mba hisambotra ahy;
- 33 fa avy teo amin’ ny varavarankely eo amin’ ny mànda no nampidinana ahy tamin’ ny sobiky, ka dia afa-nandositra ny tànany aho.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗