고린도전서 8장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 고린도전서 (1 Corinthians) · 13절
- 1 Ary ny amin’ ny hena aterina amin’ ny sampy, dia fantatsika fa manana fahalalana isika rehetra. Ny fahalalana mampieboebo; fa ny fitiavana no mampandroso.
- 2 Fa raha misy manao azy hahalala, dia tsy mbola mahalala araka izay tokony ho fantany akory izy.
- 3 Fa raha misy tia an’ Andriamanitra, dia izy no fantany.
- 4 Ary ny amin’ ny mihinana ny hena aterina amin’ ny sampy, dia fantatsika fa tsinontsinona akory ny sampy amin’ izao tontolo izao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Iray ihany.
- 5 Fa na dia misy aza atao hoe andriamanitra, na any an-danitra, na etỳ an-tany (toy ny misy andriamanitra maro sy tompo maro);
- 6 nefa amintsika kosa dia Andriamanitra iray ihany, dia ny Ray, Izay nihavian’ ny zavatra rehetra, ary ho Azy isika; ary iray ihany ny Tompo, dia Jesosy Kristy, Izay nahariana ny zavatra rehetra sady nahariana antsika koa.
- 7 Kanefa tsy ary manana izany fahalalana izany avokoa ny olona rehetra; fa ny sasany, satria zatra amin’ ny sampy mandraka ankehitriny izao, dia homana ny hena ka mahatsiaro azy ho zavatra naterina tamin’ ny sampy; ka dia voaloto ny fieritreretany, satria malemy.
- 8 Fa ny hanina tsy hampaninona antsika amin’ Andriamanitra; fa na dia tsy homana aza isika, dia tsy matiantoka, ary na dia homana kosa aza isika, dia tsy mahazo tombony.
- 9 Nefa tandremo, fandrao izany fahafahanareo izany ho tonga fahatafintohinana ho an’ ny malemy.
- 10 Fa raha misy mahita anao izay manam-pahalalana mipetraka mihinana ao amin’ ny tempolin’ ny sampy, tsy hampahasahy ny fieritreretan’ ny malemy hihinana izay hena aterina amin’ ny sampy koa va izany?
- 11 Fa verin’ ny fahalalanao ny malemy, dia ny rahalahy izay navotan’ i Kristy tamin’ ny fahafatesana?
- 12 Fa raha manota toy izany amin’ ny rahalahy ianareo ka manimba ny fieritreretan’ ny malemy, dia manota amin’ i Kristy ianareo.
- 13 Koa raha ny hanina no mahatafintohina ny rahalahiko, dia tsy hihinan-kena akory aho mandrakizay, fandrao mahatafintohina ny rahalahiko.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗