고린도전서 5장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 고린도전서 (1 Corinthians) · 13절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Efa re marina fa misy fijangajangana atỳ aminareo, eny, dia fijangajangana izay tsy misy tahaka azy na dia amin’ ny jentilisa asa, fa misy anankiray manambady ny vadin-drainy. | It is reported commonly that there is fornication among you, and such fornication as is not so much as named among the Gentiles, that one should have his father’s wife. |
| 2 | Ary ianareo indray va no mirehareha, ka tsy nampalahelo anareo akory izany, mba hesorina tsy ho ao aminareo ilay nanao izany zavatra izany? | And ye are puffed up, and have not rather mourned, that he that hath done this deed might be taken away from among you. |
| 3 | Fa izaho, na dia tsy teo aza ny tenako, nefa teo ihany ny fanahiko, dia efa nitsara sahady an’ ilay nanao toy izany, tahaka ny teo ihany aho: | For I verily, as absent in body, but present in spirit, have judged already, as though I were present, concerning him that hath so done this deed, |
| 4 | amin’ ny anaran’ i Jesosy Tompontsika ― rehefa tafangona ianareo sy ny fanahiko omban’ ny herin’ i Jesosy Tompontsika ― | In the name of our Lord Jesus Christ, when ye are gathered together, and my spirit, with the power of our Lord Jesus Christ, |
| 5 | hanolotra izany anankiray izany ho an’ i Satana hanimbana ny nofo, mba hamonjena ny fanahy amin’ ny andron’ i Jesosy Tompo. | To deliver such an one unto Satan for the destruction of the flesh, that the spirit may be saved in the day of the Lord Jesus. |
| 6 | Tsy mety ny fireharehanareo. Tsy fantatrareo va fa ny masirasira kely dia mahazo ny vongana rehetra? | Your glorying is not good. Know ye not that a little leaven leaveneth the whole lump? |
| 7 | Esory ny masirasira ela, mba ho vongana vaovao ianareo, araka izay tsy maha-misy masirasira anareo. Fa voavono Kristy, Paska ho antsika; | Purge out therefore the old leaven, that ye may be a new lump, as ye are unleavened. For even Christ our passover is sacrificed for us: |
| 8 | ka dia aoka isika hanao andro firavoravoana, tsy amin’ ny masirasira ela, na amin’ ny masirasira lolompo sy faharatsiana, fa amin’ ny mofo tsy misy masirasira, dia ny fahadiovam-po sy ny fahamarinana. | Therefore let us keep the feast, not with old leaven, neither with the leaven of malice and wickedness; but with the unleavened bread of sincerity and truth. |
| 9 | Nanoratra taminareo teo amin’ ny epistily aho mba tsy hiharoharoanareo amin’ izay mpijangajanga; | I wrote unto you in an epistle not to company with fornicators: |
| 10 | nefa tsy ny mpijangajanga rehetra amin’ izao tontolo izao, na ny mpierina sy ny mpanao an-keriny, na ny mpanompo sampy; fa raha izany, dia tsy maintsy miala amin’ izao tontolo izao ianareo. | Yet not altogether with the fornicators of this world, or with the covetous, or extortioners, or with idolaters; for then must ye needs go out of the world. |
| 11 | Fa ny nanoratako taminareo, dia ny mba tsy hiharoharoanareo aminy, raha misy atao hoe rahalahy, nefa mpijangajanga, na mpierina, na mpanompo sampy, na mpanaratsy, na mpimamo, na mpanao an-keriny, dia aza miara-mihinana akory amin’ ny toy izany ianareo. | But now I have written unto you not to keep company, if any man that is called a brother be a fornicator, or covetous, or an idolater, or a railer, or a drunkard, or an extortioner; with such an one no not to eat. |
| 12 | Fa ahoako ny hitsara ny any ivelany? Tsy ny ao anatiny va no tsarainareo? | For what have I to do to judge them also that are without? do not ye judge them that are within? |
| 13 | Fa ny any ivelany dia tsarain’ Andriamanitra. Esory aminareo ilay mpanao ratsy. | But them that are without God judgeth. Therefore put away from among yourselves that wicked person. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL