고린도전서 13장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 고린도전서 (1 Corinthians) · 13절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Na dia miteny amin’ ny fitenin’ ny olona sy ny anjely aza aho, kanefa tsy manana fitiavana, dia tonga varahina maneno sy kipantsona mikarantsana aho. | Though I speak with the tongues of men and of angels, and have not charity, I am become as sounding brass, or a tinkling cymbal. |
| 2 | Ary na dia manana faminaniana aza aho ka mahalala ny zava-miafina rehetra sady manana ny fahalalana rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra aza aho ka mahafindra tendrombohitra, kanefa tsy manana fitiavana, dia tsinontsinona aho. | And though I have the gift of prophecy, and understand all mysteries, and all knowledge; and though I have all faith, so that I could remove mountains, and have not charity, I am nothing. |
| 3 | Ary na dia omeko hohanin’ ny malahelo aza ny fananako rehetra, ary na dia atolotro hodorana aza ny tenako, kanefa tsy manana fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany. | And though I bestow all my goods to feed the poor, and though I give my body to be burned, and have not charity, it profiteth me nothing. |
| 4 | Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo, | Charity suffereth long, and is kind; charity envieth not; charity vaunteth not itself, is not puffed up, |
| 5 | tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, tsy manao otri-po, | Doth not behave itself unseemly, seeketh not her own, is not easily provoked, thinketh no evil; |
| 6 | tsy mifaly amin’ ny tsi-fahamarinana, fa miara-mifaly amin’ ny fahamarinana kosa, | Rejoiceth not in iniquity, but rejoiceth in the truth; |
| 7 | mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra. | Beareth all things, believeth all things, hopeth all things, endureth all things. |
| 8 | Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay; fa raha ny faminaniana, dia ho levona; na ny fiteny tsy fantatra, dia hitsahatra; na ny fahalalana, dia ho foana. | Charity never faileth: but whether there be prophecies, they shall fail; whether there be tongues, they shall cease; whether there be knowledge, it shall vanish away. |
| 9 | Fa sombintsombiny ny fahalalantsika, ary sombintsombiny ny faminaniantsika; | For we know in part, and we prophesy in part. |
| 10 | fa rehefa tonga ny tanteraka, dia tsy hisy sombintsombiny intsony. | But when that which is perfect is come, then that which is in part shall be done away. |
| 11 | Fony mbola zaza aho, dia niteny toy ny zaza, nihevitra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza; fa nony efa lehibe aho, dia nariako ny fahazazana. | When I was a child, I spake as a child, I understood as a child, I thought as a child: but when I became a man, I put away childish things. |
| 12 | Fa ankehitriny isika mizaha ao amin’ ny fitaratra ka tsy mahita marina; fa rahatrizay dia mifanatrika; ankehitriny sombintsombiny no fantatro; fa rahatrizay dia ho fantatro tsara toy izay nahafantarana ahy. | For now we see through a glass, darkly; but then face to face: now I know in part; but then shall I know even as also I am known. |
| 13 | Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana: fa ny fitiavana no lehibe amin’ ireo. | And now abideth faith, hope, charity, these three; but the greatest of these is charity. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL