고린도전서 1장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 고린도전서 (1 Corinthians) · 31절
- 1 Paoly, voantso ho Apostolin’ i Jesosy Kristy noho ny sitrapon’ Andriamanitra, ary Sostena rahalahy,
- 2 mamangy ny fiangonan’ Andriamanitra any Korinto, dia izay nohamasinina ao amin’ i Kristy Jesosy, olona voantso sady masìna, mbamin’ izay rehetra miantso ny anaran’ i Jesosy Kristy Tompontsika eny amin’ ny tany rehetra, dia azy sy antsika:
- 3 ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
- 4 Misaotra an’ Andriamanitro mandrakariva ny aminareo aho noho ny fahasoavan’ Andriamanitra izay nomena anareo ao amin’ i Kristy Jesosy,
- 5 dia ny nampananana harena anareo ao aminy amin’ ny zavatra rehetra, na ny teny rehetra, na ny fahalalana rehetra,
- 6 araka ny niorenan’ ny filazana an’ i Kristy teo aminareo,
- 7 ka dia tsy latsaka amin’ ny fanomezam-pahasoavana rehetra ianareo, miandry ny fisehoan’ i Jesosy Kristy Tompontsika,
- 8 Izay hampiorina anareo koa hatramin’ ny farany, ka dia tsy hanan-tsiny ianareo amin’ ny andron’ i Jesosy Kristy Tompontsika.
- 9 Mahatoky Andriamanitra, Izay nahatonga ny fiantsoana anareo hanananareo firaisana amin’ ny Zanany, dia Jesosy Kristy Tompontsika.
- 10 Ary mananatra anareo aho, ry rahalahy, amin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hiray teny ianareo rehetra, ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa mba ho tafakambana tsara ianareo hiray saina sy hevitra.
- 11 Fa efa voalazan’ ny avy amin’ ny ankohonan’ i Kloa tamiko ny amin’ ny toetrareo, ry rahalahiko, fa misy fifampiandaniana eo aminareo.
- 12 Izao anefa no anaovako izany: Hianareo samy manao hoe: Izaho an’ i Paoly, na: Izaho an’ i Apolosy, na: Izaho an’ i Kefasy, na: Izaho an’ i Kristy.
- 13 Voazarazara va Kristy? Paoly va no voahombo tamin’ ny hazo fijaliana hamonjy anareo, sa ho amin’ ny anaran’ i Paoly no nanaovam-batisa anareo?
- 14 Misaotra an’ Andriamanitra aho fa tsy nisy nataoko batisa ianareo afa-tsy Krispo sy Gaio,
- 15 fandrao misy milaza fa efa natao batisa ho amin’ ny anarako ianareo.
- 16 Nefa mba efa nanao batisa ny ankohonan’ i Stefanasy koa aho; afa-tsy ireo dia tsy hitako izay nataoko batisa.
- 17 Fa Kristy tsy naniraka ahy hanao batisa, fa hitory ny filazantsara, tsy tamin’ ny teny fahendrena, fandrao ho foana ny hazo fijalian’ i Kristy.
- 18 Fa ny teny ny amin’ ny hazo fijaliana dia fahadalana amin’ izay ho very, fa herin’ Andriamanitra kosa amintsika izay hovonjena.
- 19 Fa voasoratra hoe: Hofoanako ny fahendren’ ny hendry, Ary holaviko ny fahalalan’ ny mahalala.
- 20 Aiza ny hendry? Aiza ny mpanora-dalàna? Aiza ny mpiady hevitra avy amin’ izao tontolo izao? Tsy nampodin’ Andriamanitra ho fahadalana va ny fahendren’ izao tontolo izao?
- 21 Fa satria, na dia naseho aza ny fahendren’ Andriamanitra, ny fahendrena dia tsy nahatonga izao tontolo izao hahalala an’ Andriamanitra, ka dia ny fahadalan’ ny fitorian-teny no sitrak’ Andriamanitra hamonjeny izay mino;
- 22 fa ny Jiosy mila famantarana, ary ny jentilisa mitady fahendrena,
- 23 fa izahay kosa mitory an’ i Kristy voahombo tamin’ ny hazo fijaliana, dia fahatafintohinana amin’ ny Jiosy ary fahadalana amin’ ny jentilisa,
- 24 fa amin’ izay voantso kosa, na Jiosy na jentilisa, dia Kristy, Izay herin’ Andriamanitra sy fahendren’ Andriamanitra.
- 25 Fa ny fahadalan’ Andriamanitra dia hendry noho ny olona; ary ny fahalemen’ Andriamanitra mahery noho ny olona.
- 26 Fa hevero ny fiantsoana anareo, ry rahalahy, fa tsy firy no olon-kendry araka ny nofo, tsy firy no olona mahery, tsy firy no avo razana;
- 27 fa ny adala amin’ izao tontolo izao no nofidin’ Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; ary ny malemy amin’ izao tontolo izao no nofidin’ Andriamanitra hampahamenatra ny mahery;
- 28 ary ny iva razana amin’ izao tontolo izao sy izay fanevateva no nofidin’ Andriamanitra, dia ny atao ho tsy misy aza, mba hahafoana ny misy,
- 29 mba tsy hisy nofo hahazo mirehareha eo anatrehan’ Andriamanitra.
- 30 Fa avy aminy no nanaovana anareo ho ao amin’ i Kristy Jesosy, Izay nataon’ Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana sy fahamasinana ary fanavotana ho antsika,
- 31 mba ho araka ny voasoratra hoe: Izay mirehareha, aoka Jehovah no ho reharehany.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗