갈라디아서 4장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 갈라디아서 (Galatians) · 31절
- 1 Ary hoy izaho: Raha mbola zaza ny mpandova, dia tsy hafa noho ny andevo izy, na dia tompon’ ny zavatra rehetra aza;
- 2 fa fehezin’ izay mpitondra sy mpitaiza azy izy mandra-pahatongan’ ny fetr’ andro voatendrin’ ny rainy.
- 3 Dia tahaka izany koa isika, fony mbola zaza, dia nandevozin’ ny abidim-pianaran’ izao tontolo izao;
- 4 fa rehefa tonga ny fotoan’ andro, dia nirahin’ Andriamanitra ny Zanany, nateraky ny vehivavy, nateraka tao ambanin’ ny lalàna,
- 5 hanavotany izay ambanin’ ny lalàna, mba handraisantsika ny fananganan’ anaka.
- 6 Ary satria zanaka ianareo, dia nirahin’ Andriamanitra ho ato am-pontsika ny Fanahin’ ny Zanany, miantso hoe: Aba, Ray ô.
- 7 Ka dia tsy mpanompo intsony ianao, fa zanaka: ary raha zanaka, dia mpandova koa noho ny ataon’ Andriamanitra.
- 8 Kanefa tamin’ izany, fony mbola tsy nahalala an’ Andriamanitra ianareo, dia nanompo izay andriamani-tsi-izy;
- 9 fa ankehitriny, rehefa mahalala an’ Andriamanitra ianareo ― nefa tsy izany, fa Izy no mahalala anareo ― nahoana ianareo no dia miverina indray ho amin’ ny abidim-pianarana malemy sady tsy misy na inona na inona, nefa tianareo hotompoina indray?
- 10 Andro sy volana sy fotoana ary taona no tandremanareo fatratra.
- 11 Matahotra ny aminareo aho, fandrao dia nisasatra foana taminareo.
- 12 Ry rahalahy, mangataka aminareo aho, aoka ho tonga tahaka ahy ianareo, fa izaho kosa mba efa tonga tahaka anareo. Tsy naninona ahy akory ianareo;
- 13 nefa fantatrareo fa noho ny fahalemen’ ny nofo no nitoriako ny filazantsara taminareo tamin’ ilay voalohany;
- 14 ary ny teo amin’ ny nofoko izay tonga fakam-panahy anareo dia tsy mba nohamavoinareo na nolavinareo; fa nandray ahy tahaka ny mandray anjelin’ Andriamanitra ianareo, eny, dia tahaka an’ i Kristy Jesosy aza.
- 15 Aiza ary ilay nataonareo ho fahasambarana? Fa vavolombelonareo aho fa raha azo atao, na dia ny masonareo aza dia ho nesorinareo ka nomenareo ahy.
- 16 Koa efa tonga fahavalonareo va aho, satria milaza ny marina aminareo?
- 17 Mazoto mila fitia aminareo izy ireo, nefa tsy araka ny mety; fa izy ta-hanidy anareo any ivelany, mba hampahazoto anareo hila fitia aminy kosa.
- 18 Fa tsara raha ilam-pitia amin’ ny tsara mandrakariva, na dia sendra tsy eo aminareo aza aho.
- 19 Anaka, izay aharariako indray amin’ ny fiterahana mandra-paharin’ i Kristy ao anatinareo,
- 20 enga anie ka ho tonga eo aminareo aho ankehitriny ka hanova ny feoko; fa misalasala aho ny aminareo.
- 21 Milazà amiko, ianareo izay te-ho ambanin’ ny lalàna: tsy renareo va ny lalàna?
- 22 fa voasoratra hoe: Abrahama nanana zanaka roa lahy, ny anankiray tamin’ ny andevovavy, ary ny anankiray tamin’ ny tsy andevo.
- 23 Kanefa ilay tamin’ ny andevovavy dia nateraka araka ny nofo; fa ilay tamin’ ny tsy andevo kosa dia nateraka tamin’ ny teny fikasana.
- 24 Ary izany dia azo atao fanoharana; fa izy roa vavy ireo dia fanekena roa; ny anankiray avy tamin’ ny tendrombohitra Sinay ka miteraka ho amin’ ny fahandevozana, dia Hagara izany.
- 25 Ary ny hoe Hagara dia ny tendrombohitra Sinay any Arabia ka mifamaly amin’ i Jerosalema ankehitriny; fa andevo izy mbamin’ ny zanany.
- 26 Fa Jerosalema any ambony kosa, izay renintsika, dia tsy mba andevo.
- 27 Fa voasoratra hoe: Mifalia, ramomba, izay tsy miteraka; Miantsoa sy minanananà, ianao izay tsy mbola mihetsi-jaza; Fa ny zanaky ny mpitondratena dia maro noho ny an’ ny manana-bady.
- 28 Fa isika, ry rahalahy, dia zanaky ny teny fikasana tahaka an’ isaka.
- 29 Kanefa tahaka ny tamin’ izany andro izany, ilay teraka araka ny nofo dia nanenjika ilay araka ny Fanahy, dia tahaka izany koa ankehitriny.
- 30 Nefa ahoana no lazain’ ny Soratra Masìna? Roahy io andevovavy io sy ny zananilahy; fa ny zanaky ny andevo tsy hiray lova amin’ ny zanaky ny tsy andevo.
- 31 Ary amin’ izany, ry rahalahy, tsy zanak’ andevovavy isika, fa zanaky ny tsy andevo.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗